1Svojo hišo pa je Salomon zidal trinajst let, dokler je ni vse dokončal.
1[Ny nanaovan'i Solomona ny lapany] Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.
2Zidal je namreč hišo libanonskega gozda; njena dolgost je bila sto komolcev in širjava petdeset komolcev in višava trideset komolcev, na štirih vrstah cedrovih stebrov, s cedrovimi bruni na stebrih.
2Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
3In pokrita je bila po vrhu s cedrovino nad sobami, ki so slonele na stebrih, petinštirideset, po petnajst v eni vrsti.
3Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
4In bilo je tri vrste brun, in okno proti oknu po treh vrstah.
4Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
5In vsa vrata in podboji so bili štirivoglati, s tramovjem, in okno proti oknu po treh vrstah.
5Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
6In naredil je stebrnato dvorano, ki je bila petdeset komolcev dolga in trideset komolcev široka, pred njo pa vežo iz stebrov in prag pred njo.
6Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
7Tudi je naredil dvorano za prestol, kjer je sodil, sodno dvorano, in jo je obložil s cedrovino, od konca do kraja tal.
7Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.[Na: na ny gorodony, na ny rihana]
8Tudi hiša njegova, ki je v njej prebival, na drugem dvorišču proti dvorani, je bila enako delana. Tudi je naredil hišo za hčer Faraonovo (ki si jo je bil vzel Salomon za ženo), enako tej dvorani.
8Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
9To vse je bilo napravljeno iz dragih kamenov, po merilu obsekanih, z žago rezanih po znotranji in zunanji strani, od temelja do vrha sten in od zunaj do velikega dvorišča.
9Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.
10Podstave pa so bile iz dragih velikih kamenov, po deset in po osem komolcev velikih.
10Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
11In vrhu njih so bili dragi kameni, obsekani po voglomeru, in cedrovina.
11Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
12Veliko dvorišče pa je imelo naokoli tri vrste obsekanih kamenov in vrsto cedrovih brun, enako kakor notranje dvorišče hiše GOSPODOVE in hišna veža.
12ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.
13Poslal pa je kralj Salomon ter dal poklicati Hirama iz Tira,
13[Ny nanaovan'i Solomona ny fanaka momba ny tempoly] Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.
14ki je bil sin žene vdove iz rodu Neftalijevega, in oče njegov je bil mož iz Tira, umeten bronar. Ta je bil poln modrosti, razuma in umetelnosti, izgotavljati vsakovrstna dela iz kovine. In prišel je h kralju Salomonu in izvršil vse delo njegovo.
14Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
15Ulil je namreč tista dva stebra iz brona; vsak je bil osemnajst komolcev visok, in vrvica, dvanajst komolcev dolga, ju je vsakega ovijala.
15Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ny faharoa]
16In napravil je dva glaviča iz litega brona, da se posadita gori na stebra, in vsak glavič je bil pet komolcev visok.
16Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
17Mrežasta pletenina in spletene verižice so bile ob glavičih vrhu stebrov, sedmero na enem in sedmero na drugem glaviču.
17ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.
18In naredil je margaranova jabolka po dve vrsti okoli stebrov na eni pletenini, da bi prestirala glaviča, ki sta bila vrhu stebrov, in enako je napravil tudi pri drugem glaviču.
18Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.
19In glaviča, ki sta bila vrhu stebrov, sta bila lilijastega dela kakor v veži, štiri komolce.
19Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
20In glaviča sta bila tudi zgoraj na obeh stebrih blizu trupa, ki je bil poleg pletenine; in bilo je margaranovih jabolk dvesto v vrstah okoli na drugem glaviču.
20ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
21In postavil je ta stebra pri veži ob templju in desnega je imenoval Jakina [T. j. On utrdi.] in levega Boaza [T. j. v Njem je moč.].
21Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza. [Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
22In na vrhu stebrov je bilo lilijasto delo. In tako sta bila stebra dodelana.
22Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
23Naredil je tudi ulito morje, deset komolcev od roba do roba, okroglo okoli, pet komolcev visoko; in vrvica tridesetih komolcev ga je kroginkrog ovijala.
23Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina]
24Pod njegovim robom kroginkrog je šel nakit bučkastega sadja, po deset buček na komolec; v dveh vrstah so bile bučke, ulite sceloma z morjem.
24Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb. ranomasina]
25Stalo je na dvanajstih volih, ki so trije gledali proti severu in trije proti zahodu, trije proti jugu in trije proti vzhodu; in morje je bilo položeno na njih, vsi njih zadki pa so bili pod morjem.
25Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina]
26ln debelost njegova je bila eno dlan, in njegov rob je bil zaokrožen kakor rob keliha, kakor lilijevo cvetje; in držalo je dva tisoč batov.
26Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
27Naredil je tudi deset stojal iz brona: vsako stojalo štiri komolce dolgo in štiri komolce široko in tri komolce visoko.
27Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
28In stojala so bila tako narejena, da so imela ploščine med obrobnimi letvicami;
28Ary toy izao ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin'ny sisiny;
29in na ploščinah med obrobnimi letvicami izrezljane leve, vole in kerube; in na letvicah zgoraj je bil podstavek; zdolaj pa pod levi in voli so bili viseči venci.
29ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
30In vsako stojalo je imelo štiri bronasta kolesa in bronaste osi; in na štirih voglih njegovih so bila držala, za pod umivalnik so bila držala prilita, ob vsakem so bili venci.
30Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony anidina manandrify ny fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra dia tonga sorony]
31In odprtina je bila na njem vrh pokrova, komolec visoka in okrogla, v obliki stojala, en komolec in pol poprek; in tudi ob odprtini so bili izrezljaji. Njegove ploščine pa so bile štirivoglate, ne okrogle.
31Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
32In tista štiri kolesa so bila pod letvicami; in osi koles so bile utrjene na stojalu; vsako kolo je bilo en komolec in pol visoko.
32Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.
33In kolesa so bila narejena kakor vozna kolesa; njih osi in platišča in napere in pesta, vse je bilo ulito.
33Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
34Bila so tudi štiri držala na štirih spodnjih voglih vsakega stojala, ki so izhajala iz stojala samega.
34Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.
35In vrhu stojal je bil pol komolca zvišek, okroglast kroginkrog; in na zgornjem kraju stojala so bila njegova držala in njegove ploščine enakega dela ž njim.
35Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
36In vdolbel je na deske njegovih držal in na njegove ploščine kerube, leve in palme, kolikor je bilo prostora na vsaki, in vence kroginkrog.
36Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma]
37Na ta način je naredil tistih deset stojal: vsa so bila enega zlitka, ene mere in ene oblike.
37Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
38In naredil je deset bronastih umivalnikov, štirideset batov je držal eden in vsak je bil štiri komolce širok, in na vsakem tistih desetih stojal je bil po en umivalnik.
38Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.
39Postavil pa je pet stojal na desno in pet na levo stran hiše; a morje je postavil na desno stran hiše ob vzhodu, proti jugu.
39Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]
40In Hiram je naredil lonce in lopate in čaše. Tako je dokončal Hiram vse delo, ki ga je delal za kralja Salomona v hiši GOSPODOVI:
40Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:
41dva stebra in dva vrčasta glaviča, ki sta bila vrhu stebrov; in dve mrežasti pletenini, ki sta bili v prestrtje obema vrčastima glavičema na vrhu stebrov;
41dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
42in štiristo margaranovih jabolk k dvema pleteninama: po dve vrsti margaranov za vsako pletenino, v prestrtje obema vrčastima glavičema na vrhu stebrov;
42ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,
43in desetero stojal in deset umivalnikov na stojalih;
43ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany
44morje eno in dvanajst volov pod morjem;
44ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb. ranomasina]
45in lonce in lopate in čaše. In vse te priprave, ki jih je delal Hiram za kralja Salomona v hiši GOSPODOVI, so bile iz zlikane bronovine.
45ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
46V Jordanski dolini jih je dal kralj zliti, v ilovnati zemlji med Sukotom in Zaretanom.
46Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
47In Salomon je pustil vse te posode nepretehtane, zaradi prevelike množine niso mogli dognati teže bronovini.
47Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.
48In naredil je Salomon vse tiste posode, ki so bile v hiši GOSPODOVI: zlati oltar in zlato mizo, na kateri so bili kruhi obličja,
48Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,
49in svečnike, pet po desni in pet po levi strani pred govoriščem, iz prečiščenega zlata, in cvetlice, svetilnice in utrinjače iz zlata;
49ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
50in vrče, usekalnike, čaše, torila, kadilnice iz prečiščenega zlata, tudi tečaje za duri notranje hiše, Najsvetejšega, in za duri templjeve dvorane, iz zlata.In tako je bilo vse delo dokončano, ki ga je delal kralj Salomon v hiši GOSPODOVI. In Salomon je znesel tja reči, ki jih je posvetil David, oče njegov, srebro in zlato in posode, in zložil jih je v zakladih hiše GOSPODOVE.
50ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
51In tako je bilo vse delo dokončano, ki ga je delal kralj Salomon v hiši GOSPODOVI. In Salomon je znesel tja reči, ki jih je posvetil David, oče njegov, srebro in zlato in posode, in zložil jih je v zakladih hiše GOSPODOVE.
51Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.