Slovenian

Malagasy

1 Kings

8

1Tedaj je zbral kralj Salomon k sebi v Jeruzalem starejšine Izraelove in vse poglavarje rodov, kneze očetovinam sinov Izraelovih, da prineso skrinjo zaveze GOSPODOVE gori iz mesta Davidovega, to je Sion.
1[Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida.
2In vsi možje so se zbrali h kralju Salomonu v mesecu Etanimu, to je sedmi mesec, ob prazniku.
2Dia nivory ho any amin'i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana Etanima (volana fahafito izany).
3In pridejo vsi starejšine Izraelovi, in duhovniki vzdignejo skrinjo,
3Ary tonga ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
4in neso gori skrinjo GOSPODOVO in shodni šator in vse svete posode, ki so bile v šatoru; duhovniki in leviti so jih prinesli gori.
4ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
5In kralj Salomon in vsa občina Izraelova, kar se jih je zbralo pri njem, so ž njim bili pred skrinjo in so darovali drobnice in govedi toliko, da se ni računila, ne štela zaradi množine.
5Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
6In duhovniki prineso skrinjo zaveze GOSPODOVE na njeno mesto, v govorišče hiše, v Najsvetejše, pod peruti kerubov;
6Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima,
7zakaj keruba sta razprostirala peruti nad mestom skrinje, in keruba sta pokrivala skrinjo in njena droga odzgoraj.
7fa nivelatra teo ambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
8Droga pa sta bila toliko dolga, da sta se njuna konca videla iz svetišča pred govoriščem, ali zunaj ju ni bilo videti; in ondi sta do današnjega dne.
8Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin'ny fitoerana masina eo anoloan'ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
9Ničesar ni bilo v skrinji razen dveh kamenenih desek, ki ju je vanjo vložil Mojzes na Horebu, kjer je GOSPOD sklenil zavezo s sinovi Izraelovimi, ko so bili šli iz Egipta.
9Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta.
10In ko so šli duhovniki iz svetišča, je oblak napolnil hišo GOSPODOVO,
10Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon'i Jehovah ny rahona;
11da niso mogli duhovniki stati, da opravljajo službo, spričo oblaka; kajti slava GOSPODOVA je napolnila hišo GOSPODOVO.
11ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.
12Tedaj reče Salomon: Jehova je rekel, da bo prebival v mrakoti.
12Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
13Zidal in dozidal sem ti hišo v prebivališče, stan tebi za sedež na vekomaj.
13Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
14In kralj obrne obličje in blagoslovi ves zbor Izraelov; in ves zbor Izraelov je stal.
14Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
15In reče: Hvaljen bodi GOSPOD, Bog Izraelov, ki je obljubil z usti svojimi očetu mojemu Davidu in z roko svojo to izpolnil, rekoč:
15ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
16Od dne, ko sem odpeljal ljudstvo svoje Izraela iz Egipta, nisem izvolil nobenega mesta iz vseh rodov Izraelovih, da zgradi hišo, ki bi v njej prebivalo moje ime; ali izvolil sem Davida, da bodi nad mojim ljudstvom Izraelom.
16Hatramin'ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny anarako; fa nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
17Bilo je res na srcu Davidu, očetu mojemu, da sezida hišo imenu GOSPODA, Boga Izraelovega.
17Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
18Toda GOSPOD je dejal očetu mojemu Davidu: Ker ti je bilo na srcu sezidati hišo mojemu imenu, si dobro storil, da si to imel v srcu.
18Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
19Ali ti mi ne boš zidal hiše, marveč sin tvoj, ki pride iz ledja tvojega, ta bo zgradil hišo mojemu imenu.
19Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
20In GOSPOD je vzdržal besedo svojo, ki jo je bil govoril, in jaz sem nastopil na očeta svojega Davida mesto in sem sedel na prestol Izraelov, kakor je bil govoril GOSPOD, in zgradil sem hišo imenu Jehove, Boga Izraelovega;
20Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
21in tam sem pripravil mesto za skrinjo, ki je v njej zaveza GOSPODOVA, katero je sklenil z očeti našimi, ko jih je peljal iz Egiptovske dežele.
21Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
22Nato stopi Salomon pred oltar GOSPODOV vpričo vsega zbora Izraelovega in razprostre roke proti nebu
22Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
23in reče: O GOSPOD, Bog Izraelov, tebi ni enakega Boga v nebesih gori in na zemlji doli, ki hraniš zavezo in milost hlapcem svojim, kateri hodijo pred obličjem tvojim z vsem srcem svojim;
23ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
24ki si ohranil hlapcu svojemu Davidu, očetu mojemu, kar si mu bil obljubil; z usti svojimi si govoril in z roko svojo si to izpolnil, kakor se danes vidi.
24sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain'ny vavanao izany dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
25In sedaj, GOSPOD, Bog Izraelov, ohrani hlapcu svojemu Davidu, očetu mojemu, kar si mu bil obljubil, govoreč: Ne bo ti zmanjkalo moža pred obličjem mojim, ki bo sedel na prestolu Izraelovem, samo če pazijo sinovi tvoji na svojo pot, da hodijo pred menoj, kakor si ti hodil pred menoj.
25Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
26Sedaj torej, o Bog Izraelov, naj se, prosim, uresniči beseda tvoja, ki si jo govoril hlapcu svojemu Davidu, očetu mojemu.
26Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao.
27Toda v resnici prebiva li Bog na zemlji? Glej, nebo in vseh nebes nebesa te ne morejo obseči, koliko manj ta hiša, ki sem jo sezidal!
27Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
28Vendar se obrni k molitvi svojega hlapca in k njegovi prošnji, GOSPOD, moj Bog, da poslušaš glas in molitev, ki jo moli hlapec tvoj pred teboj danes:
28Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
29da bodo oči tvoje odprte proti tej hiši po dne in po noči, proti mestu, ki si o njem rekel: Moje ime bode ondi, da uslišiš molitev, ki jo bo molil hlapec tvoj na tem mestu.
29mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
30Poslušaj torej prošnjo hlapca svojega in ljudstva svojega Izraela, ki jo bodo prosili obrnjeni proti temu mestu, poslušaj na mestu prebivanja svojega, v nebesih, poslušaj in odpuščaj!
30Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
31Ako se kdo pregreši zoper bližnjega svojega in se mu naloži prisega, da se zaveže s prisego, in prisega pride pred tvoj oltar v tej hiši:
31Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,
32ti poslušaj v nebesih in stóri, da se pravica zgodi hlapcem tvojim, s tem, da obsodiš krivičnega ter mu pripraviš pot njegovo nad glavo, pravičnega pa opravičiš ter mu poplačaš po pravičnosti njegovi.
32dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
33Kadar bo sovražnik porazil pred seboj ljudstvo tvoje, Izraela, ker so grešili zoper tebe, pa se zopet obrnejo k tebi in pripoznajo tvoje ime in bodo molili in ponižno prosili tebe v tej hiši:
33Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy,
34ti poslušaj v nebesih in odpusti greh ljudstva svojega Izraela ter jih zopet pripelji v deželo, ki si jo dal njih očetom.
34dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao ny razany izy.
35Kadar se zapre nebo, da ni dežja, ker so grešili zoper tebe, pa bodo molili obrnjeni proti temu mestu in pripoznavali tvoje ime, in se obrnejo od grehov svojih, ker si jih ponižal:
35Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
36ti poslušaj v nebesih ter odpusti greh hlapcev svojih in ljudstva svojega Izraela, da jih učiš dobro pot, po kateri naj hodijo, in pošlješ dežja na deželo svojo, ki si jo dal v dediščino ljudstvu svojemu.
36dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
37Kadar bode v deželi lakota, kadar pride kuga ali snet ali rja, kobilice ali gosenice; ko jih bo sovražnik oblegal v deželi njih mest; katerakoli bode nadloga, katerakoli bolezen:
37Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
38kakršnokoli molitev in prošnjo opravlja kdo izmed vsega tvojega ljudstva Izraela, kadar spoznajo vsakteri srca svojega kazen in razprostro roke proti tej hiši:
38izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
39ti poslušaj v nebesih, v mestu prebivanja svojega, in odpusti ter stóri, da daš vsakemu, kakor je živel, ker poznaš njegovo srce (zakaj ti, edini ti poznaš vseh človeških otrok srca),
39dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra),
40da bi se te bali vse svoje žive dni v deželi, ki si jo dal očetom našim.
40mba hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
41Ako pa tudi inostranec, ki ni iz ljudstva tvojega Izraela, pride iz daljne dežele zaradi imena tvojega
41Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao izy
42(slišali bodo namreč o tvojem velikem imenu in o mogočni roki tvoji in o iztegnjeni rami tvoji), ko torej pride in bo molil proti tej hiši:
42(fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
43ti poslušaj v nebesih, v mestu prebivanja svojega, in stori vse, za kar te kliče inostranec; da spoznajo vsi narodi na zemlji tvoje ime, da bi se te bali kakor ljudstvo tvoje Izrael ter da se prepričajo, da se imenuje ta hiša, ki sem jo zgradil, po imenu tvojem.
43dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
44Kadar pojde ljudstvo tvoje na vojsko zoper sovražnika svojega, po kateremkoli potu jih pošlješ, in bodo molili h GOSPODU, ozirajoč se proti mestu, ki si ga izvolil, in proti hiši, ki sem jo zgradil imenu tvojemu:
44Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin'i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,
45ti poslušaj v nebesih njih molitev in prošnjo ter se potegni za njih pravdo.
45dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
46Kadar se pregreše zoper tebe (kajti ni človeka, ki ne greši) in se razsrdiš ter jih izročiš sovražniku, da jih ujete peljejo v sovražnikov deželo, daleč ali blizu;
46Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tanin'ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
47pa se v svojem srcu premislijo v deželi, kamor so bili ujeti odpeljani, in se izpreobrnejo in te ponižno prosijo v deželi tistih, ki so jih ujete odvedli, govoreč: Grešili smo, krivično smo delali, brezbožno smo ravnali!
47ary mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
48ako se k tebi povrnejo iz vsega srca svojega in iz vse duše svoje v deželi sovražnikov svojih, ki so jih ujete odpeljali, in bodo molili k tebi, ozirajoč se proti deželi svoji, ki si jo dal njih očetom, proti mestu, ki si ga izvolil, in proti hiši, ki sem jo zgradil imenu tvojemu:
48ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
49ti poslušaj njih molitev in prošnjo v nebesih, v mestu prebivanja svojega, ter se potegni za njih pravdo
49dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
50in odpusti ljudstvu svojemu, kar so grešili zoper tebe, in vse prestopke, s katerimi so prestopili zoper tebe, ter jim daj milost pred temi, ki jih imajo ujete, da se jih usmilijo:
50eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin'izay mamabo azy izy, dia ny hamindran'ireo fo aminy;
51kajti tvoje ljudstvo so in tvoja dediščina, ki si jo peljal iz Egipta, iz peči železne.
51fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by,
52Tako naj bodo oči tvoje odprte proti prošnji hlapca tvojega in prošnji ljudstva tvojega Izraela, da jih slišiš, kadarkoli kličejo k tebi.
52mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao sy ny fifonan'ny Isiraely olonao hihaino azy amin'izay rehetra iantsoany Anao.
53Zakaj ti si jih odločil sebi v dediščino izmed vseh ljudstev zemlje, kakor si govoril po Mojzesu, hlapcu svojem, ko si peljal očete naše iz Egipta, o Gospod Jehova!
53Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
54In ko je Salomon izmolil in končal vso to molitev in prošnjo do GOSPODA, vstane izpred oltarja GOSPODOVEGA, kjer je pripognil kolena in iztegnil roke proti nebu.
54Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon'i Solomona tamin'i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin'ny alitaran'i Jehovah izay efa nandohalehan'ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin'ny lanitra izy.
55In pristopi in blagoslovi ves zbor Izraelov z glasom velikim, govoreč:
55Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny feo mahery hoe:
56Hvaljen bodi GOSPOD, ki je dal pokoj svojemu ljudstvu Izraelu po vsem, kakor je govoril! Ni izginila ena beseda izmed njegovih dobrih obljub, ki jih je govoril po Mojzesu, hlapcu svojem.
56Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony.
57GOSPOD, naš Bog, bodi z nami, kakor je bil z očeti našimi, ne zapusti nas in ne zavrzi nas,
57Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
58da nagne srca naša k sebi, da bi hodili po vseh potih njegovih in izpolnjevali zapovedi njegove, postave in sodbe njegove, ki jih je zapovedal očetom našim.
58mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin'ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
59Te moje besede pa, s katerimi sem prosil pred GOSPODOM, naj bodo blizu GOSPODA, našega Boga, po dne in po noči, da se poteguje za pravdo hlapca svojega in za pravdo svojega ljudstva Izraela, kolikor je vsak dan treba:
59Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan'andro,
60da bi spoznala vsa ljudstva na zemlji, da GOSPOD je Bog, nobenega ni drugega.
60mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
61Vaše srce pa bodi popolnoma vdano GOSPODU, Bogu našemu, da živite po postavah njegovih in izpolnjujete zapovedi njegove, kakor je danes.
61Ary aoka ho marina amin'i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin'ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin'izao anio izao.
62In kralj in ves Izrael ž njim je daroval daritve pred GOSPODOM.
62Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan'i Jehovah.
63In Salomon je zaklal mirovnih daritev, ki jih je poklonil GOSPODU, dvaindvajset tisoč goved in stoindvajset tisoč glav drobnice. Tako so posvečevali kralj in vsi sinovi Izraelovi hišo GOSPODOVO.
63Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah.
64Tisti dan je kralj posvetil sredino dvorišča, ki je pred hišo GOSPODOVO; zakaj tam je daroval žgalne in jedilne žrtve in tolstino mirovnih daritev, ker bronasti oltar, ki je bil pred GOSPODOM, je bil premajhen, da bi prejel žgalne in jedilne žrtve in tolstino mirovnih daritev.
64Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.
65In Salomon in ves Izrael ž njim, velik zbor, ki se je sešel od vhoda v Hamat tja do Egiptovskega potoka, je praznoval tisti čas praznik pred GOSPODOM, našim Bogom, sedem dni in zopet sedem dni, to je štirinajst dni.Osmi dan je razpustil ljudstvo; in oni so, blagoslovivši kralja, odšli v šatore svoje veseli in dobre volje zaradi vseh dobrot, ki jih je storil GOSPOD svojemu hlapcu Davidu in svojemu ljudstvu Izraelu.
65Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro.Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
66Osmi dan je razpustil ljudstvo; in oni so, blagoslovivši kralja, odšli v šatore svoje veseli in dobre volje zaradi vseh dobrot, ki jih je storil GOSPOD svojemu hlapcu Davidu in svojemu ljudstvu Izraelu.
66Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.