1Savel pa je govoril Jonatanu, sinu svojemu, in vsem služabnikom svojim, da bi umorili Davida. Ali Jonatanu, sinu Savlovemu, je bil David zelo pogodu.
1[Ny nifonan'i Jonatana ho an'i Davida, sy ny nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny nandosiran'i Davida nankany amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
2In Jonatan sporoči Davidu in reče: Savel, oče moj, ti streže po življenju; sedaj torej, prosim, pazi ob jutru in ostani na skrivnem in se skrij.
2Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere;
3Jaz pa pojdem in bom stal zraven očeta svojega na polju, kjer bodeš, in govoril bom z očetom svojim zate; in kar bom videl, ti oznanim.
3ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
4In Jonatan je govoril najboljše o Davidu Savlu, očetu svojemu, in mu je rekel: Ne pregreši se, kralj, nad hlapcem svojim Davidom; zakaj on ni storil greha zoper tebe, ampak zelo koristno je zate, kar je storil.
4Ary Jonatana nilaza soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
5Kajti izpostavil je nevarnosti življenje svoje in ubil Filistejca, in GOSPOD je pripravil slavno zmago vsemu Izraelu. Videl si to in se veselil. Zakaj se torej hočeš pregrešiti nad nedolžno krvjo, da ubiješ Davida brez vzroka?
5fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
6In Savel je poslušal glas Jonatanov in prisegel: Kakor res GOSPOD živi, ne sme biti umorjen!
6Ary Saoly nihaino ny tenin'i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
7In Jonatan pokliče Davida in mu pove vse te besede. In Jonatan pripelje Davida k Savlu, in bival je pred njim kakor poprej.
7Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
8In bila je zopet vojna; in David gre in se bojuje s Filistejci in jih premaga v velikem poboju, in zbeže pred njim.
8Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
9A hud duh od GOSPODA je prišel nad Savla, ko je sedel v hiši svoji in držal sulico v roki, David pa je igral na strune z roko svojo.
9Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany.
10In Savel je mislil pribosti Davida s sulico k steni, a on se mu umakne, in sulica obtiči v steni; David pa zbeži in se reši to noč.
10Ary Saoly nihendry hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
11Potem pošlje Savel sle k hiši Davidovi, da nanj pazijo in ga zjutraj umore.To oznani Davidu žena njegova Mihala, rekoč: Ako ne rešiš življenja svojega to noč, jutri boš mrtev.
11Ary Saoly naniraka olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
12In Mihala spusti Davida skozi okno, da gre in pobegne in se reši.
12Ary Mikala nampidina an'i Davida tamin'ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
13Mihala pa vzame domačega malika in ga položi v posteljo in mu dene ob glavo mrežasto čepico iz kozje dlake ter ga pokrije z odejo.
13Ary nalain'i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin'ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon'osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.[Heb. terafima]
14In ko Savel pošlje sle, da pripeljejo Davida, reče ona: Bolan je.
14Ary nony naniraka haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
15Zopet pošlje Savel sle, da ogledajo Davida, veleč: Prinesite mi ga sem gori v postelji, da ga umorim.
15Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin'ny farafara izy hovonoiko.
16In ko stopijo sli noter, glej, malik je na postelji in mrežasta čepica iz kozine ob njegovi glavi!
16Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.[Heb. terafima]
17In Savel reče Mihali: Zakaj si me tako prekanila in pustila neprijatelja mojega, da je pobegnil? Mihala pa odgovori Savlu: Dejal mi je: Pústi me, ali te umorim!
17Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
18David torej pobegne in se reši; in ko pride k Samuelu v Ramo, mu pove vse, kar mu je storil Savel. In gre s Samuelom, in prebivala sta v Najotu.
18Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
19In povedo Savlu, rekoč: Glej, David je v Najotu v Rami.
19Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
20Savel pa pošlje sle, da zgrabijo Davida. Ko so pa videli zbor prorokov, kako prorokujejo, in Samuela, stoječega njim na čelu, pride duh Božji nad sle Savlove, in prorokujejo tudi oni.
20Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
21Ko to sporoče Savlu, pošlje druge sle, pa prorokujejo tudi oni. Zopet pošlje Savel sle v tretjič, a tudi oni prorokujejo.
21Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
22Nato gre še sam v Ramo, in pride k velikemu studencu, ki je v Seku, in vpraša in reče: Kje je Samuel in David? Nekdo odgovori: Glej, v Najotu sta v Rami.
22Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
23In gre tja v Najot v Rami, in duh Božji pride nad njega, in spotoma prorokuje, dokler ne pride v Najot v Rami.In tudi on sleče oblačilo svoje in tudi prorokuje pred Samuelom, in je padel in ležal slečen ves ta dan in vso noč. Odtod pravijo: Je li Savel tudi med proroki?
23Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?
24In tudi on sleče oblačilo svoje in tudi prorokuje pred Samuelom, in je padel in ležal slečen ves ta dan in vso noč. Odtod pravijo: Je li Savel tudi med proroki?
24Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?