1David pa pobegne iz Najota v Rami ter pride in govori z Jonatanom: Kaj sem storil? Kaj je krivica moja in kaj je greh moj vpričo očeta tvojega, da mi streže po življenju?
1[Ny faran'ny nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
2On pa mu reče: Bog ne daj! ne umrješ. Glej, oče moj ne stori ničesar, ne velikega, ne malega, da ne bi prej meni razodel. Zakaj bi mar to tajil pred mano oče moj? Tega ni.
2Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
3In David še priseže in reče: Oče tvoj dobro ve, da sem našel milost v tvojih očeh, zato misli: Jonatan ne sme tega vedeti, ker bi ga bolelo! Pa zares, kakor GOSPOD živi in kakor živi duša tvoja, samo stopinja je med menoj in med smrtjo.
3Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
4Jonatan pa reče Davidu: Storiti hočem zate, karkoli želi srce tvoje!
4Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
5In David reče Jonatanu: Glej, jutri bo mlaj, ko bi moral sedeti pri mizi s kraljem. Toda pústi me, da se na polju skrijem do večera tretjega dne.
5Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.
6Ako me oče tvoj pogreši in vpraša, reci: David me je silno prosil, da sme pohiteti v Betlehem, mesto svoje, ker ondi je letna daritev za vso rodovino.
6Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.
7Ako poreče: Dobro! pomeni to mir za hlapca tvojega, – ako pa se razjezi, vedi, da je hudo sklenil pri sebi.
7Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
8Zato izkaži milost hlapcu svojemu, ker si me uvedel v zavezo GOSPODOVO s seboj. Ako pa je kaka krivica na meni, ubij me sam, ker zakaj bi me vodil k očetu svojemu?
8Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
9In Jonatan reče: Nič tega se ti ne bo zgodilo! Kajti ako bi jaz res zaznal, da je sklenil oče moj hudo spraviti nadte, bi li tebi ne sporočil?
9Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
10Nato reče David Jonatanu: Kdo mi pove, ako ti oče tvoj kaj trdega odgovori?
10Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao rainao]
11Jonatan veli Davidu: Pojdi, idiva ven na polje! In šla sta skupaj na polje.
11Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
12In Jonatan reče Davidu: GOSPOD, Bog Izraelov, bodi priča: ko bom zvedel jutri ob tem času ali tretjega dne, da je moj oče dobre volje proti Davidu, ako ne pošljem k tebi in ti tega ne razkrijem!
12Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
13GOSPOD stóri to ali ono Jonatanu, ako ti ne razodenem, če bi bila volja očeta mojega storiti ti hudo; in pošljem te stran, da v miru odideš, in GOSPOD bodi s teboj, kakor je bil z očetom mojim.
13dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.
14Ti pa boš ne samo meni, dokler živim, izkazoval milost GOSPODOVO, da me ne usmrtiš,
14Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
15ampak tudi hiši moji ne prikrati milosti svoje vekomaj, tudi ne, ko iztrebi GOSPOD sovražnike Davidove, vsakega s površja zemlje.
15Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny tany.
16Tako je Jonatan storil zavezo s hišo Davidovo, rekoč: GOSPOD naj kaznuje sovražnike Davidove!
16Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida.
17In Jonatan je velel Davidu še enkrat priseči pri ljubezni, ki jo je imel do njega; zakaj ljubil ga je kakor svojo dušo.
17Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.
18Nato reče Jonatan Davidu: Jutri bo mlaj, in pogrešali te bodo, ker sedež tvoj ostane prazen.
18Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
19In tretji dan stopi hitro sem doli in pridi na mesto, kjer si se bil skril ob onem delavniku, in sedi blizu kamena Azela.
19Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3]
20Jaz pa izstrelim tri pšice mimo njega, kakor da bi se vadil v tarčo streljati.
20Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
21Pa pazi, pošljem dečka, veleč: Pojdi, išči pšice! Ako porečem dečku: Glej, pšice leže na tej strani za tabo, prinesi jih! – pridi, zakaj to pomeni mir tebi in nobene nevarnosti, kakor res GOSPOD živi.
21Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
22Ako pa porečem dečku takole: Glej, pšice so pred teboj dalje! pojdi, zakaj GOSPOD te pošilja proč.
22Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
23Za stvar pa, ki sva o njej govorila ti in jaz, glej, GOSPOD je priča med teboj in med menoj vekomaj!
23Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
24David se je torej skril na polju. In ko pride mlaj, sede kralj za mizo k jedi.
24Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
25In kralj je sedel na mestu svojem ob steni kakor navadno; in Jonatan vstane, da sede Abner zraven Savla; a Davidov sedež je bil prazen.
25teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida.
26Toda Savel ni rekel ničesar ta dan, zakaj mislil je: Njemu se je kaj primerilo, morda ni čist; gotovo ni čist.
26Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
27A drugi dan po mlaju, ko je bil Davidov sedež zopet prazen, reče Savel sinu svojemu Jonatanu: Zakaj ni prišel Jesejev sin k jedi, ne včeraj, ne danes?
27Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?
28In Jonatan odgovori Savlu: David me je silno prosil, da bi smel iti v Betlehem;
28Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
29dejal je: Dovoli mi, prosim, zakaj rodovina naša opravlja daritev v mestu, in brat moj sam me je povabil; če sem torej našel milost v tvojih očeh, naj grem, prosim, da vidim brate svoje. Zato ni prišel k mizi kraljevi.
29nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.
30Tedaj se razvname srd Savlov zoper Jonatana in mu reče: Uporne popačenke sin! ali ne vem, da si izvolil sina Jesejevega na sramoto sebi in tudi materi svoji?
30Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon'ny reninao.[Heb. fitanjahan']
31Zakaj dokler bo živel sin Jesejev na zemlji, ne bodeš utrjen, tudi tvoje kraljestvo ne. Zatorej pošlji ponj in ga pripelji k meni, zakaj mora umreti.
31Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
32Jonatan odgovori svojemu očetu Savlu in mu reče: Zakaj bi moral umreti? kaj je storil?
32Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
33A Savel mahne s sulico po njem, da bi ga prebodel. Tedaj spozna Jonatan, da je trdno sklenil oče njegov Davida umoriti.
33Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.
34In vstane Jonatan izza mize v goreči jezi, in ne okusi jedi tisti drugi dan meseca, zakaj žalilo se mu je Davida, ker ga je oče njegov tako onečastil.
34Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
35Zjutraj pa odide Jonatan na polje na kraj, določen Davidu, in majhen deček ž njim.
35Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
36In veli dečku: Teci in išči mi pšice, ki jih izstrelim! In ko deček teče, izstreli pšico, da je letela mimo njega.
36Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
37In ko dospe deček na mesto, kamor je padla pšica, kliče Jonatan za dečkom in reče: Ni li pšica dalje pred teboj?
37Ary nony efa tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
38Še kliče Jonatan za dečkom: Hitro teci, ne stoj! In Jonatanov deček zbere pšice in se vrne h gospodu svojemu.
38Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.
39A deček ni vedel ničesar, samo Jonatan in David sta vedela, kaj to pomeni.
39Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany.
40Nato izroči Jonatan hlapcu svojemu orožje in mu veli: Pojdi, nesi je v mesto.
40Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
41Ko pa deček odide, vstane David iz svojega skrivališča ob južni strani in pade z obrazom na tla ter se trikrat pokloni; potem poljubita drug drugega in skupaj jočeta, a David najbolj.In Jonatan reče Davidu: Pojdi v miru! Kar sva obadva prisegla v imenu GOSPODOVEM, rekoč: GOSPOD bodi med menoj in teboj in med semenom mojim in semenom tvojim, to veljaj vekomaj! [20:43] In David vstane ter odide; Jonatan pa se vrne v mesto.
41Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
42In Jonatan reče Davidu: Pojdi v miru! Kar sva obadva prisegla v imenu GOSPODOVEM, rekoč: GOSPOD bodi med menoj in teboj in med semenom mojim in semenom tvojim, to veljaj vekomaj! [20:43] In David vstane ter odide; Jonatan pa se vrne v mesto.
42Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.