1In zgodi se potem, da pridejo sinovi Moabovi in sinovi Amonovi in ž njimi nekateri iz Meunimov bojevat se zoper Josafata.
1[Ny nandehanan'ny Moabita sy ny namany hiady tamin'ny Joda, ary ny vavaka nataon'i Josafata, sy ny namonjen'Andriamanitra azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.[Na: mbamin'ny Meonita; izahao xxxvi. 7]
2Pridejo pa in sporoče Josafatu, rekoč: Prihaja velika množica zoper tebe z one strani morja, od Sirije; in glej, že so v Hazazon-tamarju (to je Engedi).
2Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
3In Josafat se zboji in obrne obraz, da bi iskal GOSPODA, in razglasi post po vsem Judovem.
3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.
4In Juda se zbere, da išče pomoči od GOSPODA; prav iz vseh mest Judovih so prišli iskat GOSPODA.
4Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy.
5In Josafat se postavi v zboru Judovem in Jeruzalemcev, v hiši GOSPODOVI pred novim dvoriščem,
5Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao,
6in reče: O GOSPOD, Bog očetov naših, nisi li Bog v nebesih? in nisi li ti vladar vsem kraljestvom narodov? in v roki tvoji je krepkost in moč, da se ti ne more nihče ustavljati.
6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
7Nisi li ti, o Bog naš, pregnal prebivalcev te dežele pred ljudstvom svojim Izraelom ter si jo dal semenu Abrahama, prijatelja svojega, na vekomaj?
7Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao?
8In prebivali so v njej in zgradili ti v njej svetišče za ime tvoje in dejali:
8Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe:
9Ako pride nad nas nesreča, meč, sodba, ali kuga, ali lakota, postavimo se pred to hišo in pred teboj (kajti v tej hiši je ime tvoje) in bomo vpili k tebi v stiski svoji, in ti boš slišal in pomagal.
9Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
10In sedaj, glej, sinovi Amonovi in Moabovi in s Seirske gore, med katere nisi dovolil iti Izraelu, ko so šli iz dežele Egiptovske, temuč izognili so se jim ter jih niso pokončali:
10Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
11glej, oni nam to povračajo s tem, da so prišli nas podit iz tvoje posesti, ki si jo nam dal v last.
11nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay.
12O Bog naš, jih li ne boš sodil? Zakaj v nas ni moči proti temu velikemu krdelu, ki gre semkaj zoper nas; mi ne vemo, kaj storiti, temuč oči naše gledajo po tebi.
12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay.
13In ves Juda je stal pred GOSPODOM z otročiči svojimi, s svojimi ženami in sinovi.
13Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah.
14Tedaj pride, sredi zbora, na Jahaziela, sina Zeharija, sinu Benaja, sinu Jegiela, sinu Matanija, levita, iz sinov Asafovih, duh GOSPODOV,
14Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana
15in reče: Poslušajte mene, ves Juda in prebivalci v Jeruzalemu in ti, kralj Josafat! Tako vam pravi GOSPOD: Ne bojte se, ne plašite se spričo te velike množice, zakaj boj ni vaš, ampak Božji.
15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra.
16Jutri pojdite doli proti njim; glejte, gredo sem gori po klancu Zizu, in zalotite jih ob koncu doline, pred Jeruelsko puščavo.
16Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela.
17Vam se ni treba bojevati v tej bitki: razpostavite se in tiho stojte ter glejte rešenje GOSPODOVO pri sebi, Juda in Jeruzalem! Ne bojte se, ne plašite se; jutri pojdite ven proti njim, GOSPOD je z vami!
17Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
18Nato se Josafat pripogne z obrazom do tal, in ves Juda in prebivalci jeruzalemski padejo pred GOSPODOM in molijo GOSPODA.
18Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka.
19Leviti pa izmed sinov Kahatovih in sinov Korahovih vstanejo hvalit GOSPODA, Boga Izraelovega, s silno velikim glasom.
19Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra.
20In zjutraj zgodaj vstanejo in gredo ven proti Tekojski puščavi. In ko odhajajo, stoji Josafat in govori: Poslušajte me, Juda in vsi prebivalci jeruzalemski! Verujte v GOSPODA, svojega Boga, in varni bodete, verujte prorokom njegovim, in srečo boste imeli!
20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
21In ko se je posvetoval z ljudstvom, postavi pevce, da naj pojo GOSPODU in ga hvalijo v diki svetosti, gredoč pred oboroženci in govoreč: Hvalite GOSPODA, ker vekomaj traja milost njegova!
21Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
22In ko so začeli peti in hvaliti, je GOSPOD storil, da je šla zaseda zoper sinove Amonove in Moabove in tiste s Seirske gore, ki so bili prišli proti Judi; in bili so poraženi.
22Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
23Kajti sinovi Amonovi in Moabovi so se vzdignili zoper prebivalce na Seirski gori, da bi jih docela pokončali in zatrli. In ko so storili konec prebivalcem Seira, pomagali so drug drugemu uničiti sebe.
23Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
24Ko pa pridejo Judovi k stražnemu stolpu ob puščavi, so se ozrli po množici, in glej, tu so ležala mrtva trupla po zemlji, nihče ni ubežal.
24Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
25In ko pride Josafat in ljudstvo njegovo pobirat plen, so ga našli veliko množino pri njih, blaga in obleke in dragocenega orodja, in so toliko zase naplenili, da niso mogli nesti. In tri dni so pobirali plen, ker ga je toliko bilo.
25Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. [Na: fitafiana]
26In četrti dan so se zbrali v Dolini zahvale; ondi so namreč hvalili GOSPODA, zato so imenovali ta kraj Dolino zahvale do današnjega dne.
26Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.[Beraka = Fisaorana]
27Potem so se obrnili, vsi možje Judovi in jeruzalemski in njim na čelu Josafat, da se vrnejo v Jeruzalem z veseljem; zakaj GOSPOD jih je razveselil nad njih sovražniki.
27Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin'ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin'ny fahavalony.
28In dospejo v Jeruzalem in stopijo v hišo GOSPODOVO s psalmovimi strunami in harfami in trobentami.
28Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i Jehovah.
29In strah Božji je obšel vsa kraljestva po deželah, ko so slišali, da se je GOSPOD bojeval zoper sovražnike Izraelove.
29Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely.
30In kraljevina Josafatova je uživala mir, kajti Bog njegov mu je dal pokoj z vseh strani.
30Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy.
31Josafat je torej kraljeval nad Judo; petintrideset let je bil star, ko je zakraljeval, in vladal je petindvajset let v Jeruzalemu. In materi njegovi je bilo ime Azuba, hči Silhijeva.
31[Filazana fohifohy ny amin'ny nanjakan'i Josafata] Ary Josafata nanjaka tamin'ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
32In hodil je po poti Asa, očeta svojega, ni se ganil od nje in je delal, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH.
32Ary nandeha tamin'ny lalana nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah.
33Toda višave niso bile odpravljene, ljudstvo tudi še ni obrnilo srca svojega k Bogu očetov svojih.
33Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitry ny razany.
34Druge zgodbe Josafatove pa, prve in poslednje, glej, zapisane so v zgodovini Jehuja, sina Hananovega, ki je sprejeta v knjigo kraljev Izraelovih.
34Ary ny tantaran'i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Jeho, zanak'i Hanany, izay nakambana ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely, izany.
35A potem se je združil Josafat, kralj Judov, z Ahazijem, kraljem Izraelovim; ta je ravnal brezbožno.
35Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan'ny Joda, nikambana tamin'i Ahazia, mpanjakan'ny Isiraely, izay nanao ratsy;
36Združil se je pa ž njim, da napravita ladje, ki bi vozile v Tarsis; in zgradila sta ladje v Ezion-geberju.Tedaj je prorokoval Eliezer, sin Dodavahov iz Marese, zoper Josafata, govoreč: Ker si se združil z Ahazijem, je razbil GOSPOD dela tvoja. In razbile so se ladje, da se niso mogli peljati v Tarsis.
36ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.Ary Eliezera, zanak'i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin'i Ahazia dia horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.
37Tedaj je prorokoval Eliezer, sin Dodavahov iz Marese, zoper Josafata, govoreč: Ker si se združil z Ahazijem, je razbil GOSPOD dela tvoja. In razbile so se ladje, da se niso mogli peljati v Tarsis.
37Ary Eliezera, zanak'i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin'i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin'i Ahazia dia horavan'i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.