Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

21

1In Josafat je legel k očetom svojim, in bil je pokopan z očeti svojimi v mestu Davidovem; in Joram, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
1[Ny nahafatesan'i Josafata sy ny nanjakan'i Jehorama zanany] Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2In imel je brate, sinove Josafatove: Azarija, Jehiela, Zeharija, Azarija, Mihaela in Sefatija. Ti vsi so bili sinovi Josafata, kralja Judovega.
2Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
3In njih oče jim je dal veliko darov od srebra, zlata in dragocenih reči z utrjenimi mesti vred na Judovem. A kraljestvo je dal Joramu, ker je bil prvenec.
3Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4Ko pa je Joram zavladal svojega očeta kraljestvu in se ojačil, je pobil vse brate svoje z mečem in nekatere poglavarje Izraelove.
4Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.
5Joram je bil dvaintrideset let star, ko je začel vladati, in kraljeval je osem let v Jeruzalemu.
5Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6In hodil je po poti kraljev Izraelovih, kakor je delala hiša Ahabova, kajti imel je hčer Ahabovo za ženo; in delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH.
6Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
7Ali GOSPOD ni hotel uničiti hiše Davidove zaradi zaveze, ki jo je bil sklenil z Davidom, in ker je obljubil, da dá svetilo njemu in sinovom njegovim vsekdar.
7Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.
8V dneh njegovih so odstopili Edomci izpod oblasti Judove in si postavili zase kralja.
8Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan'ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9Nato je Joram šel tja s poveljniki svojimi in vsi njegovi vozovi ž njim; in vzdignil se je po noči ter pobil Edomce, ki so ga obdajali, in poveljnike voz.
9Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
10Vendar so se Edomci upirali oblasti Judovi do tega dne. Potem se je uprla tudi Libna oblasti njegovi v tistem času; zakaj zapustil je bil GOSPODA, Boga očetov svojih.
10Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin'izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
11Tudi je naredil višave po gorah Judovih in zapeljeval prebivalce jeruzalemske, da so nečistovali, in zapeljal je tudi Judo.
11Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr'i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12In prišlo mu je pismo od Elija proroka, ki se je glasilo: Tako pravi GOSPOD, Bog Davida, očeta tvojega: Ker nisi hodil po potih Josafata, očeta svojega, ne po potih Asa, kralja Judovega,
12Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin'ny lalan'i Josafata rainao, na ny lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda,
13temuč hodiš po poti kraljev Izraelovih in zapeljuješ Judo in prebivalce jeruzalemske v nečistovanje, kakor je hiša Ahabova nečistovala, in si tudi umoril brate svoje iz očeta svojega hiše, ki so bili boljši od tebe:
13fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14glej, zato GOSPOD udari s hudo šibo ljudstvo tvoje, otroke in žene tvoje in vse blago tvoje;
14dia, indro, hasian'i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin'ny biby fiompinao rehetra;
15ti pa boš veliko trpel od bolezni na črevih, dokler ne pojde drob od tebe vsled tvoje bolezni dan za dnevom.
15ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina.
16In GOSPOD je obudil zoper Jorama duha Filistejcev in Arabcev, ki prebivajo poleg Etiopcev;
16Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin'ny Etiopiana hamely an'i Jehorama;
17in prišli so gori zoper Judo in so vdrli v deželo in odnesli vse blago, kar ga je bilo v hiši kraljevi, tudi sinove in žene njegove, da mu ni ostalo sina, samo Joahaz, najmlajši sinov njegovih.
17ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
18In po vsem tem ga je GOSPOD udaril na njegovih črevih z neozdravljivo boleznijo.
18Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin'ny tsinainy izy.
19In to je trpelo od dne do dne, in ko je tako minil čas dveh let, so šla od njega čreva vsled bolezni, in umrl je v hudih bolečinah. In ljudstvo njegovo ni zanj napravilo nobenega ognja, kakršnega so priredili očetom njegovim.Dvaintrideset let je bil star, ko je zakraljeval, in vladal je v Jeruzalemu osem let. In odšel je, ne da bi bili žalovali za njim; in pokopali so ga v mestu Davidovem, a ne v grobih kraljevskih.
19Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
20Dvaintrideset let je bil star, ko je zakraljeval, in vladal je v Jeruzalemu osem let. In odšel je, ne da bi bili žalovali za njim; in pokopali so ga v mestu Davidovem, a ne v grobih kraljevskih.
20Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.