Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

22

1In prebivalci jeruzalemski so postavili Ahazija [Isto ime kakor „Joahaz“.], njegovega najmlajšega sina, za kralja na mestu njegovem; zakaj vse starejše je umorila četa, ki je bila prišla z Arabci v tabor. Tako je zakraljeval Ahazija, sin Jorama, kralja Judovega.
1[Ny nanjakan'i Ahazia] Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.
2Dvainštirideset let je bil star Ahazija, ko je zavladal, in vladal je eno leto v Jeruzalemu. In materi njegovi je bilo ime Atalija, hči Omrijeva.
2Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak'i Omry.[Na: Roa amby roa-polo; izahao 2 Mpan. viii. 26]
3Tudi on je hodil po potih hiše Ahabove, kajti mati njegova mu je bila svetovalka, da bi ravnal brezbožno.
3Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
4Delal je torej, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, kakor je delala hiša Ahabova; zakaj ti so mu bili svetovalci po smrti očeta njegovega, njemu v pogubo.
4Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.
5On je tudi ravnal po njih svetu, in je šel z Joramom, sinom Ahabovim, kraljem Izraelovim, v boj zoper Hazaela, kralja sirskega, pri Ramotu v Gileadu. In Sirci so ranili Jorama.
5Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
6In vrnil se je, da bi mu celili v Jezreelu rane, ki so mu jih vsekali pri Rami, ko se je bojeval zoper Hazaela, kralja sirskega. In Ahazija, sin Jorama, kralja Judovega, je šel doli obiskat Jorama, sina Ahabovega, v Jezreelu, ker je bil bolan.
6Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. [Na: Ahazia; izahao and. 1]
7To pa je bilo od Boga, v pogubo Ahazijevo, da je šel k Joramu. Zakaj ko je bil dospel, je šel z Joramom naproti Jehuju, sinu Nimsijevemu, ki ga je bil pomazilil GOSPOD, da iztrebi hišo Ahabovo.
7Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.
8In zgodi se, ko je Jehu izvrševal sodbo na hiši Ahabovi, da zaloti poglavarje Judove in sinove bratov Ahazijevih, ki so stregli Ahaziju, ter jih pomori.
8Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.
9Iskal je tudi Ahazija, in ujeli so ga (skrival se je namreč v Samariji) in pripeljali k Jehuju, ki ga je umoril; in pokopali so ga, kajti dejali so: On je sin Josafatov, ki je iskal GOSPODA iz vsega srca. In ni bilo nikogar več iz hiše Ahazijeve, ki bi imel moč vzdržati kraljestvo.
9Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.
10Ko pa je videla Atalija, mati Ahazijeva, da je njen sin mrtev, vstane in pomori vse kraljevo seme hiše Judove.
10Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra tamin'ny taranak'i Joda.
11Ali Josabata, hči kraljeva, vzame Joasa, sina Ahazijevega, in ga ukrade izmed kraljevih sinov, ki so jih morili, in potisne njega in njegovo pestunjo v spalnico. Tako ga je Josabata, hči kralja Jorama, žena Jojada duhovnika (zakaj bila je sestra Ahazijeva), skrila pred Atalijo, da ni bil umorjen.In bil je ž njimi skrit v hiši Božji šest let. Atalija pa je gospodovala deželi.
11Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany
12In bil je ž njimi skrit v hiši Božji šest let. Atalija pa je gospodovala deželi.
12Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany