Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

23

1V sedmem letu se pa ojunači Jojada in vzame k sebi poveljnike čez sto, Azarija, sina Jerohamovega, in Izmaela, sina Johananovega, in Azarija, sina Obedovega, in Maaseja, sina Adajevega, in Elisafata, sina Zihrijevega, ter sklene ž njimi zavezo.
1Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry.
2Ti gredo okoli po Judovem in zbero levite iz vseh mest Judovih in poglavarje očetovin Izraelovih, in pridejo v Jeruzalem.
2Ary nitety an'i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
3In ves ta zbor sklene zavezo s kraljem v hiši Božji. In Jojada jim reče: Glejte, kraljev sin ima kraljevati, kakor je GOSPOD govoril za sinove Davidove.
3Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny amin'ny taranak'i Davida.
4To je reč, ki jo boste storili: tretjina vas duhovnikov in levitov, ki prihajate noter v soboto, bodete na straži med vrati,
4Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
5tretjina pa bodi ob hiši kraljevi in tretjina pri temeljnih vratih; in vse ljudstvo bodi na dvoriščih hiše GOSPODOVE.
5ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah.
6A nihče naj ne stopi v hišo GOSPODOVO razen duhovnikov in tistih levitov, ki strežejo: oni smejo iti noter, ker so sveti; ali vse ljudstvo bodi služno na straži GOSPODOVI.
6Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain'i Jehovah hotandremana.
7In leviti obkrožijo kralja vseokrog, vsak držeč orožje v roki; in kdor bi stopil v hišo, bodi umorjen; in bodite pri kralju, ko pojde ven in ko pojde noter.
7Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
8Leviti torej in ves Juda so storili vse, kakor jim je zapovedal Jojada duhovnik: vsak vzame k sebi može svoje, tiste, ki so imeli priti služit v soboto, s tistimi, ki jim je bilo oditi v soboto, zakaj Jojada ni bil odpustil teh oddelkov.
8Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
9In Jojada duhovnik izroči poveljnikom nad sto sulice in ščite in orožje kralja Davida, ki je bilo v hiši GOSPODOVI.
9Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra.
10In razpostavil je vse ljudstvo, vsakega z orožjem v roki, od desne do leve strani hiše, poleg oltarja in poleg hiše, okoli kralja.
10Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
11Nato pripeljejo ven sina kraljevega in denejo krono nanj ter mu dado pričevanje in ga postavijo za kralja, in Jojada in sinovi njegovi ga pomazilijo; in kličejo: Živel kralj!
11Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! [Dia ny Didy Folo]
12Ko pa je Atalija slišala glas ljudstva, ki je pritekalo in kralja hvalilo, pride k ljudstvu v hišo GOSPODOVO.
12Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'i Jehovah koa izy.
13In pogleda in glej, kralj stoji ob svojem stebru pri vhodu in poveljniki in trobente okoli kralja, in vse ljudstvo dežele se veseli in trobijo na trobente, pevci pojo tudi z glasbenim orodjem hvalospeve. Tedaj si raztrga Atalija oblačila in reče: Zarota, zarota!
13Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
14In Jojada duhovnik gre ven s poveljniki nad sto, ki so bili na čelu vojske, in jim veli: Odpeljite jo ven med vrstami, in kdor bi šel za njo, njega ubijte z mečem! kajti duhovnik je rekel: Ne ubijte je v hiši GOSPODOVI!
14Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
15In polože roko nanjo; in šla je skozi vhod Konjskih vrat do kraljeve hiše, in ondi so jo umorili.
15Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
16Tedaj sklene Jojada zavezo med seboj in vsem ljudstvom in kraljem, da bodo ljudstvo GOSPODOVO.
16Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho olon'i Jehovah.
17In vse ljudstvo je šlo v hišo Baalovo in so jo porušili, oltarje in podobe njegove pa so strli v kosce, in Matana, duhovnika Baalovega, so umorili pred oltarji.
17Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.
18In Jojada je poveril službe hiše GOSPODOVE oblasti duhovnikov levitov, ki jih je porazdelil David v hiši GOSPODOVI, da darujejo žgalščine GOSPODOVE, kakor je pisano v zakonu Mojzesovem, z veseljem in petjem, po naredbi Davidovi.
18Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.
19In postavil je vratarje pri vratih hiše GOSPODOVE, da ne bi noter šel nihče, ki bi bil kakorkoli nečist.
19Ary nalatsany teo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
20In vzame poveljnike nad sto in plemenitnike ter oblastnike v ljudstvu in vse ljudstvo dežele ter pripelje kralja doli iz hiše GOSPODOVE, in pridejo skozi zgornja vrata v hišo kraljevo in posade kralja na kraljestva prestol.In vse ljudstvo dežele se je veselilo in mesto je imelo mir. Atalijo pa so bili umorili z mečem.
20Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.
21In vse ljudstvo dežele se je veselilo in mesto je imelo mir. Atalijo pa so bili umorili z mečem.
21Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.