Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

25

1Amazija je bil petindvajset let star, ko je zakraljeval, in vladal je devetindvajset let v Jeruzalemu; in materi njegovi je bilo ime Joadana iz Jeruzalema.
1[Ny nanjakan'i Amazia] Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
2In delal je, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH, ali nikar z nerazdeljenim srcem.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra.
3In ko mu je bilo kraljestvo utrjeno, je pobil hlapce svoje, ki so bili ubili kralja, očeta njegovega.
3Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
4Ali njih otrok ni usmrtil, temuč storil je po tem, kar je pisano v zakonu, v knjigi Mojzesovi, kakor je zapovedal GOSPOD, rekoč: Očetje naj se ne usmrte za otroke, tudi ne otroci za očete, temuč sleherni umrje za svoj greh.
4Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
5Amazija je tudi zbral Judo in jih je postavil po očetovskih družinah, po poveljnikih nad tisoč in po poveljnikih nad sto, z vsega Judovega in Benjaminovega; in preštel jih je od dvajsetletnih in više ter jih je našel tristo tisoč izbranih mož, zmožnih iti v vojno, ki so mogli nositi sulico in ščit.
5Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
6Vrhutega je najel iz Izraela sto tisoč močnih vojščakov za sto talentov srebra.
6Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
7A mož Božji pride k njemu in reče: O kralj, ne jemlji vojske iz Izraela s seboj; zakaj GOSPOD ni z Izraelom, ni z vsemi Efraimovimi otroki.
7Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
8Ampak pojdi sam, delaj, ojači se za boj; Bog te sicer pahne na tla pred sovražnikom, zakaj Bog ima moč i pomagati i poraziti.
8Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9Amazija pa reče možu Božjemu: A kaj je storiti zastran tistih sto talentov, ki sem jih dal četam izraelskim? In mož Božji odgovori: Dosti ima GOSPOD, da ti da več nego to.
9Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10Nato jih Amazija oddeli, namreč čete, ki so prišle k njemu iz Efraima, naj gredo v svoj kraj. Zato se njih srd silno razvname nad Judo, in povrnejo se domov v silni jezi.
10Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
11Amazija pa se ohrabri in pelje ven ljudstvo svoje ter gre v Solno dolino in porazi iz sinov Seirovih deset tisoč.
11Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy.
12Deset tisoč pa so jih ujeli sinovi Judovi živih ter so jih peljali na vrh skale in pometali s skalnega vrha v globočino, da so se vsi razpočili.
12Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13Ali možje iz čet, ki jih je bil Amazija odslovil, da ne bi šli ž njim v boj, so vdrli v mesta Judova, od Samarije do Bet-horona, in jih pobili tri tisoč ter pobrali mnogo plena.
13Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
14Zgodi se pa, ko se je vrnil Amazija s poboja Edomcev, da prinese bogove sinov Seirovih in jih postavi za svoje bogove, in je molil pred njimi ter jim kadil.
14Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15Zato se razvname jeza GOSPODOVA zoper Amazija in pošlje k njemu proroka, ki mu reče: Čemu iščeš tistega ljudstva bogove, ki niso oteli svojega ljudstva iz tvoje roke?
15Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?
16In ko je govoril k njemu, mu veli kralj: Smo li tebe postavili kralju za svetovalca? Nehaj! čemu hočeš biti ubit? In neha prorok in reče: Vem, da je Bog sklenil te končati, ker si storil to in nisi poslušal sveta mojega.
16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
17Potem se posvetuje Amazija, kralj Judov, in pošlje h kralju Izraelovemu Joasu, sinu Joahaza, sinú Jehujevega, ter sporoči: Pridi, da si pogledava v lice!
17Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
18Joas pa, kralj Izraelov, pošlje k Amaziju, kralju Judovemu, in sporoči: Osat, ki je bil na Libanonu, je poslal k cedri libanonski sporočit: Daj svojo hčer sinu mojemu za ženo! V tem je šla mimo divja zver z Libanona in je poteptala osat.
18Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
19Ti misliš: Poglej, jaz sem porazil Edomce! in srce tvoje te povzdiguje, da si pridobiš slavo. Ostani doma! Zakaj siliš v nesrečo, da padeš ti in Juda s teboj?
19Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
20Ali Amazija ni hotel poslušati, kajti od Boga je bilo, da jih izroči njih sovražnikom v pest, zato ker so iskali bogov Edomcev.
20Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
21Tedaj je šel gori Joas, kralj Izraelov, in pogledala sta si v lice on in Amazija, kralj Judov, v Betsemesu, ki je na Judovem.
21Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.
22In Juda je izgubil bitko pred Izraelom, in bežal je vsak v šator svoj.
22Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
23In Joas, kralj Izraelov, je ujel Amazija, kralja Judovega, sina Joasa, sinu Joahazovega, v Betsemesu ter ga pripeljal v Jeruzalem, in podrl je zidove jeruzalemske od vrat Efraimovih do Vogelnih vrat, štiristo komolcev.
23Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.
24In vzel je vse zlato in srebro in vse posode, kar jih je bilo v hiši Božji pri Obededomu, tudi zaklade hiše kraljeve, tudi zastavljence, in vrnil se je v Samarijo.
24Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obed-edoma sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
25Amazija pa, sin Joasov, kralj Judov, je živel po smrti Joasa, sina Joahaza, kralja Izraelovega, še petnajst let.
25Ary ny andro niainan'i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
26Druge zgodbe Amazijeve, prve in poslednje, glej, niso li zapisane v knjigi kraljev Judovih in Izraelovih?
26Ary ny tantaran'i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely va izany?
27A potem, odkar je Amazija odstopil od GOSPODA, so napravili zaroto zoper njega v Jeruzalemu; on pa je pobegnil v Lahis, in poslali so za njim v Lahis in ga tam usmrtili.In prinesli so ga na konjih in ga pokopali z očeti njegovimi v stolnem mestu Judovem.
27Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.
28In prinesli so ga na konjih in ga pokopali z očeti njegovimi v stolnem mestu Judovem.
28Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.