1In vse ljudstvo Judovo vzame Uzija [Se imenuje Azarija.], ki je bil šestnajst let star, ter ga postavijo za kralja namesto očeta njegovega Amazija.
1[Ny nanjakan'i Ozia] Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
2On je sezidal Elot, pridobivši ga za Judo, potem ko je bil kralj legel k očetom svojim.
2Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka.
3Šestnajst let star je bil Uzija, ko je zakraljeval, in vladal je dvainpetdeset let v Jeruzalemu; in materi njegovi je bilo ime Jekolija iz Jeruzalema.
3Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
4In delal je, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kar je bil delal Amazija, oče njegov.
4Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy.
5In iskal je Boga v dnevih Zeharija, ki je razumel prikazni Božje; in dokler je iskal GOSPODA, mu je Bog dajal srečo.
5Ary nitady an'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an'Andriamanitra; ary tamin'ny andro nitadiavany an'i Jehovah dia nambinin'Andriamanitra izy.
6In šel je in se bojeval zoper Filistejce, in razdrl je obzidje v Gatu in obzidje v Jabni in obzidje v Asdodu, in sezidal je mesta v kraju Asdodskem in med Filistejci.
6Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.
7In Bog mu je pomagal zoper Filistejce in zoper Arabce, ki so prebivali v Gurbaalu, in zoper Meunime.
7Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
8In Amonci so dajali darove Uziju; in ime njegovo je zaslovelo povsod, celo v Egiptu; kajti postal je silno mogočen.
8Ary ny Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin'i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
9In Uzija je tudi zgradil stolpe v Jeruzalemu na Vogelnih vratih in na Dolinskih vratih in na voglu zidovja ter jih je utrdil.
9Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankao amin'ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
10In sezidal je stolpe v puščavi in izkopal mnogo vodnjakov, kajti imel je veliko živine v nižavi in na planjavi; imel je tudi kmetovalcev in vinogradnikov v gorah in na rodovitnih poljanah, zakaj ljubil je poljedelstvo.
10Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
11Vrhutega je imel Uzija vojsko, pripravno za boj, ki je hodila na vojno po četah, po številu, kakor jih je preštel Jegiel, pisar, in Maaseja, oblastnik, pod roko Hananija, enega kraljevih poveljnikov.
11Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan'i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania, anankiray tamin'ny komandy voatendrin'ny mpanjaka.
12Vse število poglavarjev očetovin, hrabrih junakov, je bilo dva tisoč in šeststo.
12Enin-jato amby roa rivo no isan'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
13In pod njih roko je bila izurjena vojska, trikrat sto tisoč in sedem tisoč in petsto, ki so se bojevali v krepki moči, da pomagajo kralju zoper sovražnika.
13Ary ny miaramila fehezin'ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin'ny fahavalony.
14In Uzija je oskrbel njim, vsej vojski, ščite in sulice, čelade in oklepe, loke in kamenje za prače.
14Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.
15Naredil je tudi stroje v Jeruzalemu, iznajdbe umetnikov, da bodo na stolpih in utrdbah, da se ž njimi streljajo pšice in veliki kameni. In ime njegovo je daleč slovelo, ker mu je bilo čudno pomagano, da je postal mogočen.
15Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
16Toda ko je postal mogočen, se je prevzelo srce njegovo, njemu v pogubo, in ravnal je nezvesto zoper GOSPODA, Boga svojega; kajti šel je v tempelj GOSPODOV kadit na kadilnem oltarju.
16Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin'i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
17A Azarija duhovnik je šel noter za njim in ž njim osemdeset duhovnikov GOSPODOVIH, junaški možje,
17Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.
18in so stopili proti Uziju kralju in mu dejali: Tebi se ne spodobi, Uzija, da žgeš kadilo GOSPODU, temuč duhovnikom, sinovom Aronovim, ki so posvečeni, da žgo kadilo. Idi ven iz svetišča, zakaj pregrešil si se, in to ti ne bode nikakor v čast pred GOSPODOM Bogom.
18Ary nanohitra an'i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah, fa an'ny mpisorona ihany, dia ny taranak'i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin'ny fitoerana masina, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitra izany.
19Tedaj se Uzija razjezi, držeč kadilnico v roki, da bi kadil; in ko izpušča jezo svojo proti duhovnikom, se mu izrinejo gobe po čelu vpričo duhovnikov v hiši GOSPODOVI, pred kadilnim oltarjem.
19Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
20In Azarija, prvi duhovnik, in vsi duhovniki se ozro nanj, in glej, gobav je po čelu! Tedaj ga hitro izženo odondod, da, sam je hitel ven, ker ga je udaril GOSPOD.
20Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
21In kralj Uzija je bil gobav do dne smrti svoje in prebival je v hiši posebe kot gobavec; zakaj izločen je bil od hiše GOSPODOVE. In Jotam, sin njegov, je bil nad kraljevim dvorom in je sodil ljudstvo dežele.
21Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
22A druga dejanja Uzijeva, prva in poslednja, je zapisal prorok Izaija, sin Amozov.In legel je Uzija k očetom svojim, in pokopali so ga na pogrebnem polju, ki je bilo kraljevsko, zakaj dejali so: Gobavec je! In Jotam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
22Ary ny tantaran'i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza;Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an'ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
23In legel je Uzija k očetom svojim, in pokopali so ga na pogrebnem polju, ki je bilo kraljevsko, zakaj dejali so: Gobavec je! In Jotam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
23Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an'ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.