Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

27

1Jotam je bil petindvajset let star, ko je zakraljeval, in vladal je šestnajst let v Jeruzalemu; in materi njegovi je bilo ime Jerusa, hči Zadokova.
1[Atỳ nanjakan'i Jotama] Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
2In delal je, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kar je bil delal Uzija, oče njegov, samo da ni šel v tempelj GOSPODOV. A ljudstvo je še ravnalo popačeno.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
3On je sezidal gorenja vrata pri hiši GOSPODOVI, tudi na zidu Ofelovem je zidal veliko.
3Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.
4Dalje je sezidal mesta na Judovem gorovju, in v gozdih je zgradil gradove in stolpe.
4Ary nanao tanàna teny amin'ny tany havoan'i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an'ala koa izy.
5Bojeval se je tudi s kraljem sinov Amonovih in ga je premagal. In sinovi Amonovi so mu tisto leto dali sto talentov srebra in deset tisoč mer pšenice in deset tisoč ječmena. Toliko so mu dali sinovi Amonovi v drugem in v tretjem letu.
5Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
6Tako je postal Jotam mogočen, ker je uravnal poti svoji pred GOSPODOM, svojim Bogom.
6Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
7Kar pa je več praviti o Jotamu, o vseh vojskah in vseh potih njegovih, glej, zapisano je v knjigi kraljev Izraelovih in Judovih.
7Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
8Petindvajset let je bil star, ko je zakraljeval, in vladal je šestnajst let v Jeruzalemu.In legel je Jotam k očetom svojim, in pokopali so ga v mestu Davidovem, in Ahaz, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
8Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
9In legel je Jotam k očetom svojim, in pokopali so ga v mestu Davidovem, in Ahaz, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
9Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.