Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

28

1Ahaz je bil dvajset let star, ko je začel vladati, in vladal je šestnajst let v Jeruzalemu; in ni delal, kar bi bilo prav v očeh GOSPODOVIH, kakor David, oče njegov,
1[Ny nanjakan'i Ahaza] Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,
2temuč hodil je po poti kraljev Izraelovih, in je tudi napravil ulite podobe za Baale.
2fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.
3Vrhutega je žgal kadilo v dolini sina Hinomovega in otroke svoje je peljal kot daritev skozi ogenj, po gnusobah poganov, ki jih je pregnal GOSPOD izpred sinov Izraelovih.
3Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
4In daroval je in žgal kadilo na višavah in po hribih in pod vsakim zelenim drevesom.
4Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
5Zato ga je GOSPOD, njegov Bog, dal v roko kralju Sircev; in porazili so ga ter veliko množico njegovih odpeljali kot ujetnike in jih privedli v Damask. Bil je tudi izdan v roko kralja Izraelovega, ki mu je pripravil velik poraz.
5Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
6Zakaj Pekah, sin Remalijev, je pobil iz Judovih sto in dvajset tisoč v enem dne, zgolj junaških mož, ker so bili zapustili GOSPODA, Boga očetov svojih.
6Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
7In Zihri, mogočen mož v Efraimu, je ubil Maaseja, sina kraljevega, in Azrikama, načelnika palače, in Elkana, drugega za kraljem.
7Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
8In sinovi Izraelovi so odpeljali ujetih iz bratov svojih dvesto tisoč žen, sinov in hčera, ter so pobrali od njih veliko plena in prinesli plen v Samarijo.
8Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
9Bil je pa tam prorok GOSPODOV, po imenu Oded; ta pride naproti vojski, ki je prihajala v Samarijo, in jim reče: Glejte, ker se je GOSPOD, očetov vaših Bog, razsrdil nad Judovimi, jih vam je dal v roko, in vi ste jih tako grozovito pomorili, da sega do neba.
9Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
10In sedaj še mislite teptati otroke Judove in jeruzalemske, da vam bodo sužnji in sužnice! Niste li pa tudi sami dosti krivi proti GOSPODU, Bogu svojemu?
10Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?
11Zato me sedaj poslušajte in pošljite nazaj ujetnike, ki ste jih ujeli iz bratov svojih; zakaj srd GOSPODOV je vzplamtel zoper vas.
11Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin'ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah.
12Tedaj vstanejo nekateri poglavarji Efraimovih sinov, Azarija, sin Johananov, Berekija, sin Mesimelotov, in Jehizkija, sin Salumov, in Amasa, sin Hadlajev, zoper tiste, ki so prišli iz vojske,
12Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria, zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma, ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
13in jim vele: Ne smete dovesti sem tistih ujetnikov; zakaj da bi spravili nad nas krivdo proti GOSPODU, nameravate to, da se pomnože grehi in krivde naše! in naša krivda je že dosti velika, in srd Božji plamti zoper Izraela.
13nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
14Nato so oboroženci ostavili ujetnike in plen pred knezi in pred vsem zborom.
14Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
15In oni možje, ki so bili po imenu imenovani, se vzdignejo in vzamejo ujetnike v svojo skrb ter ogrnejo gole med njimi z oblačili iz plena, in ko so jih oblekli in obuli ter jim dali jesti in piti in jih pomazilili ter posadili slabe izmed njih na osle, so jih peljali v Jeriho, palmovo mesto, k njih bratom; potem se vrnejo v Samarijo.
15ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.[palma]
16Tisti čas pošlje kralj Ahaz h kraljem v Asiriji, da bi mu pomagali.
16famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
17Zakaj Edomci so zopet bili prišli in porazili Judo in odpeljali ujetnikov.
17Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
18Filistejci so tudi naskočili mesta v ravnini in na južni strani Judovi ter dobili Betsemes, Ajalon, Gederot, Soko in njemu podložne vasi in Timno s podložnimi vasmi in Gimzo ž njenimi vasmi ter so se v njih nastanili.
18Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.[Heb. sefela]
19Zakaj GOSPOD je poniževal Judo zavoljo, Ahaza, kralja Izraelovega, ker je razuzdano ravnal v Judi in se je povsem izneveril GOSPODU.
19Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.
20In Tilgat-pilneser, kralj asirski, je prišel k njemu in ga je stiskal, a utrdil ga ni.
20Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
21Kajti Ahaz je oropal GOSPODOVO hišo in kraljevo in hiše poglavarjev ter dal rop kralju asirskemu, a nič mu ni koristilo.
21Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
22In ob času stiske svoje se je še bolj izneveril GOSPODU, on, tisti kralj Ahaz.
22Ary tamin'ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin'i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
23Zakaj daroval je bogovom Damaščanov, ki so ga porazili, in je dejal: Ker jim bogovi kraljev asirskih pomagajo, jim hočem darovati, da mi tudi pomagajo. A bili so v pogubo njemu in vsemu Izraelu.
23Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
24In Ahaz je zbral posode hiše Božje in je razbil posode hiše Božje; in zaprl je duri v hiši GOSPODOVI ter si je napravil oltarje po vseh kotih v Jeruzalemu.
24Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
25In v vsakem posameznem mestu Judovem je naredil višave, da bi se kadilo drugim bogovom, in dražil v jezo GOSPODA, Boga očetov svojih.
25Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
26Druge zgodbe njegove pa in vse poti njegove, prve in poslednje, glej, zapisane so v knjigi kraljev Judovih in Izraelovih.In legel je Ahaz k očetom svojim, in pokopali so ga v mestu, v Jeruzalemu, kajti niso ga prinesli v grobe kraljev Izraelovih. In Ezekija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
26Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
27In legel je Ahaz k očetom svojim, in pokopali so ga v mestu, v Jeruzalemu, kajti niso ga prinesli v grobe kraljev Izraelovih. In Ezekija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
27Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.