1Ezekija je začel vladati v svojem petindvajsetem letu in je vladal devetindvajset let v Jeruzalemu; in materi njegovi je bilo ime Abija, hči Zaharijeva.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny nanadiovany ny tempoly, ary ny nitokanany azy indray] Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria.
2In delal je, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kar je bil delal David, oče njegov.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
3On je prvo leto vladanja svojega, v prvem mesecu, odprl duri hiše GOSPODOVE ter jih popravil.
3Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.
4In velel je priti duhovnikom in levitom, in ko jih zbere na široki ulici ob vzhodu,
4Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.
5jim reče: Poslušajte me, leviti! Posvetite se zdaj in posvetite hišo GOSPODA, Boga očetov svojih, in odpravite nečednost iz svetinje.
5Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
6Zakaj očetje naši so se izneverili in delali, kar je hudo v očeh GOSPODA, našega Boga, in so ga zapustili; in okrenili so obraz od prebivališča GOSPODOVEGA in so mu hrbet obrnili.
6Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah.
7Zaklenili so tudi duri do veže in pogasili svetilnice ter niso žgali kadila, ne darovali nobene žgalščine v svetišču Bogu Izraelovemu.
7Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely.
8Odtod je prišel srd GOSPODOV nad Judo in Jeruzalem, in izdal jih je, da jih peste, zatirajo in nad njimi žvižgajo, kakor vidite na svoje oči.
8Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao. [Na: fampangovitana]
9Kajti, glejte, očetje naši so padli po meču in sinovi naši in hčere in žene naše so v ujetništvu zavoljo tega.
9Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
10Sedaj pa sem se na menil v srcu svojem skleniti zavezo z GOSPODOM, Bogom Izraelovim, da bi se odvrnila togota jeze njegove od nas.
10Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
11Sinovi moji, ne bodite zdaj leni, zakaj vas je GOSPOD izvolil, da imate stati v službi pred njim ter da mu bodete strežaji in kadilci.
11Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
12Tedaj vstanejo leviti: Mahat, sin Amasajev, in Joel, sin Azarijev, iz sinov Kahatovcev; in izmed sinov Merarijevih Kis, sin Abdijev, in Azarija, sin Jehalelelov, in iz Gersonovcev Joah, sin Zimov, in Eden, sin Joahov;
12Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa;
13in iz sinov Elizafanovih Simri in Jegiel, in iz sinov Asafovih Zeharija in Matanija,
13ary tamin'ny taranak'i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin'ny taranak'i Asafa dia Zakaria sy Matania;
14in iz sinov Hemanovih Jehiel in Simej, in iz sinov Jedutunovih Semaja in Uziel.
14ary tamin'ny taranak'i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin'ny taranak'i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
15In zbero brate svoje in se posvete ter stopijo noter, kakor je velel kralj po besedah GOSPODOVIH, da očistijo hišo GOSPODOVO.
15Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba hanadio ny tranon'i Jehovah.
16In duhovniki stopijo v notranji del hiše GOSPODOVE, da bi očiščevali, in izneso vso nesnago, ki se je našla v templju GOSPODOVEM, na dvorišče hiše GOSPODOVE. Leviti pa jo nakladajo in nosijo ven k potoku Kidronu.
16Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
17Začeli so pa s posvečevanjem prvi dan prvega meseca, in osmi dan meseca so šli v vežo GOSPODOVO in posvečevali hišo GOSPODOVO osem dni; in šestnajsti dan prvega meseca so dokončali.
17Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana io dia niditra teo amin'ny lavarangana fidirana an'i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny havaloana izy; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany no nahavitany azy.
18In stopijo v palačo h kralju Ezekiju in reko: Očistili smo vso hišo GOSPODOVO in oltar žgalnih daritev z vsemi njegovimi pripravami in mizo razvrščenih kruhov z vsemi posodami njenimi.
18Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.
19Tudi vse posode, ki jih je bil kralj Ahaz, dokler je kraljeval, v zaničevanje spravil v verolomnosti svoji, smo pripravili in posvetili, in glej, pred GOSPODOVIM oltarjem so.
19Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.
20Tedaj vstane kralj Ezekija zgodaj zjutraj in zbere mestne poglavarje ter gre gori v hišo GOSPODOVO.
20Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah.
21In prineso sedem juncev in sedem ovnov in sedem jagnjet in sedem kozlov v daritev za greh za kraljestvo in za svetišče in za Judo. In veli duhovnikom, sinovom Aronovim, naj jih darujejo na oltarju GOSPODOVEM.
21Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.
22Tedaj zakoljejo goveda, in duhovniki so prejeli kri in kropili ž njo oltar; potem zakoljejo ovne in krope ž njih krvjo oltar; zakoljejo tudi jagnjeta in krope kri na oltar.
22Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.
23In pripeljejo kozle daritve za greh pred kralja in zbor, in oni polože roke nanje,
23Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
24in duhovniki jih zakoljejo in denejo njih kri v daritev za greh na oltar, da se izvrši poravnava za vsega Izraela; kajti za vsega Izraela, je velel kralj, bodi žgalna daritev in daritev za greh.
24dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
25In postavil je levite v hiši GOSPODOVI s cimbali, s psalmovimi citrami in s harfami po zapovedi Davida in Gada, kraljevega vidca, in Natana proroka; zakaj ta zapoved je bila od GOSPODA po prorokih njegovih.
25Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
26In leviti so stali z glasbili Davidovimi in duhovniki s trobentami.
26Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
27In Ezekija ukaže, naj darujejo žgalno daritev na oltarju. In ko se je pričelo darovanje žgalščine, se začne tudi petje GOSPODOVO in trobentanje vred z glasbili Davida, kralja Izraelovega.
27Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
28In ves zbor je molil, in pevci so peli in trobentači so trobili toliko časa, dokler se ni končala žgalna daritev.
28Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.
29In ko so končali darovanje, poklekne kralj in vsi, ki so bili pri njem, ter molijo.
29Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy.
30In kralj Ezekija in poglavarji so veleli levitom, naj pojo hvalnice GOSPODU z besedami Davida in Asafa vidca. In peli so hvalnice z veseljem in pripogibaje se molili.
30Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
31Nato izpregovori Ezekija in reče: Sedaj ste se posvetili GOSPODU, pristopite in prinesite klalne in zahvalne daritve v hišo GOSPODOVO! Tedaj prinese zbor klalne in zahvalne daritve, in vsi, kolikor jih je bilo radovoljnega srca, prineso žgalne daritve.
31Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. [Heb. namanareo ny tananareo]
32In število žgalnih daritev, ki jih je prinesel zbor, je bilo sedemdeset goved, sto ovnov in dvesto jagnjet: vse to v žgalno daritev GOSPODU.
32Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
33In posvečenih daril je bilo šeststo volov in tri tisoč ovac.
33Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman'osy telo arivo.
34Duhovnikov pa je bilo premalo, da niso mogli vseh žgalščin iz kože dejati; zato so jim pomagali njih bratje, leviti, dokler ni bilo delo končano in dokler se niso posvetili duhovniki; kajti leviti so bili bolj pripravnega srca, da se posvetijo, nego duhovniki.
34Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
35Pa tudi žgalnih žrtev je bilo obilo s tolstino mirovnih daritev vred in s pitnimi darovi za vsako žgalščino. In tako je bila v red spravljena služba hiše GOSPODOVE.In Ezekija se je veselil z vsem ljudstvom tega, kar je Bog bil pripravil ljudstvu svojemu, zakaj povelje se je hitro izvršilo.
35Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
36In Ezekija se je veselil z vsem ljudstvom tega, kar je Bog bil pripravil ljudstvu svojemu, zakaj povelje se je hitro izvršilo.
36Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.