Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

31

1In ko je bilo vse to opravljeno, so šli vsi Izraelci, ki so bili navzočni, v mesta Judova in so strli poslikane stebre ter posekali Ašere in razvalili višave in oltarje po vsem Judovem in Benjaminovem, tudi po Efraimovem in Manasejevem, da so jih vse zatrli. Tedaj so se vrnili vsi sinovi Izraelovi, vsak na svoj dom, v svoje mesto.
1[Ny nandravan'ny olona ny zavatra momba ny sampy, sy ny nandaminan'i Hezekia ny fanompoam-pivavahana] Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.
2Ezekija pa je postavil oddelke duhovnikov in levitov po njih vrstah, vsakega pri službi njegovi, oboje, duhovnike in levite, za darovanje žgalščin in mirovnih daritev, da bi služili in zahvaljevali in hvalili med vrati tabora GOSPODOVEGA.
2Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.
3In kralj je dal del svojega imetja za žgalščine, da se darujejo zjutraj in zvečer, ob sobotah in mlajih in ob določenih praznikih, kakor je pisano v zakonu Mojzesovem.
3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.
4Zapovedal je tudi ljudstvu, ki prebiva v Jeruzalemu, naj dajo deleže duhovnikom in levitom, da bi se mogli marljivo pečati s postavo GOSPODOVO.
4Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.
5In ko se je to razglasilo, brž so sinovi Izraelovi dali obilo prvin žita, vina, olja in medu in vse poljščine, in prinašali so desetino vsega v obilici.
5Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
6In sinovi Izraelovi in Judovi, ki so prebivali v Judovih mestih, so tudi pripeljali desetino goved in drobnice in desetino posvečenih reči, ki so bile posvečene GOSPODU, njih Bogu, in so jih pokladali na kupe.
6Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
7V tretjem mesecu so začeli skladati kupe in v sedmem mesecu so jih dovršili.
7Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.
8In Ezekija in knezi so prišli in, videč kupe, so hvalili GOSPODA in ljudstvo njegovo, Izraela.
8Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
9In Ezekija je vprašal duhovnike in levite o teh kupih.
9Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.
10In Azarija, prvi duhovnik, iz hiše Zadokove, mu odgovori in reče: Odkar so začeli nositi darila v hišo GOSPODOVO, smo jedli in dosti imeli in obilo je še ostalo, zakaj GOSPOD je blagoslovil ljudstvo svoje; in ta velika zaloga je preostala.
10Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
11Tedaj Ezekija zapove, naj pripravijo shramb v hiši GOSPODOVI; in so jih pripravili.
11Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.
12In vanje denejo zvesto darila in desetine in posvečene reči. In višji nadzornik temu je bil Konanija, levit, in Simej, brat njegov, je bil drugi;
12Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
13Jehiel pa in Azazija, Nahat, Asahel, Jerimot, Jozabad, Eliel, Ismahija, Mahat in Benaja so bili nadzorniki pod roko Konanija in Simeja, brata njegovega, po naredbi kralja Ezekija in Azarija, poglavarja hiše Božje.
13Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
14In Kore, sin Jimnov, levit, vratar na vzhodnih vratih, je bil nad prostovoljnimi darovi Bogu, da razdeljuje darila GOSPODOVA in presvete reči.
14Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.
15In pod njim so bili Eden, Miniamin, Jesua, Semaja, Amarija in Sekanija po duhovniških mestih, katerim je bilo poverjeno, da dajo deleže svojim bratom po njih oddelkih, malim enako kakor velikim
15Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
16(razen tistih od njih svojcev, triletnih in starejših, ki so bili zapisani v rodopis moških), vsem, ki so hodili v hišo GOSPODOVO, kakor je zahtevala vsakdanja dolžnost, na službo po svojih opravilih, po svojih oddelkih,
16afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon'i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
17enako tistim, ki so bili zapisani v rodopis duhovnikov po svojih očetovinah, kakor tudi levitom, dvajsetletnim in starejšim, z ozirom na njih službe, po njih oddelkih,
17Ary ny amin'ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
18in tistim, ki so bili zapisani v rodopise od vseh njih otročičev, njih žen, njih sinov in hčerá, po vsej občini. Kajti v svoji zvestobi so se posvetili, da bodo sveti.
18Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin'ny zavatra masina.
19Tudi za sinove Aronove, duhovnike, po njivah v okraju njih mest, so bili v vsakem posameznem mestu postavljeni možje, po imenu določeni, da dajo vsakemu moškemu med duhovniki in vsakemu v rodopis zapisanemu levitu deleže.
19Ary ho an'ny mpisorona, taranak'i Arona, koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
20In takisto je naredil Ezekija po vsem Judovem. In delal je, kar je bilo dobro in prav in zvesto pred GOSPODOM, Bogom njegovim.In vse svoje delo, ki ga je začel v službi hiše Božje in po postavi in zapovedi, da bi iskal svojega Boga, je delal iz vsega srca svojega, in šlo mu je po sreči.
20Ary toy izany no nataon'i Hezekia eran'i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy
21In vse svoje delo, ki ga je začel v službi hiše Božje in po postavi in zapovedi, da bi iskal svojega Boga, je delal iz vsega srca svojega, in šlo mu je po sreči.
21Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy