Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

32

1Po teh dogodbah in po tej zvestobi je prišel Senaherib, kralj asirski, in je vdrl na Judovo in oblegal utrjena mesta, da bi jih pograbil zase.
1[Ny nanafihan'ny Asyriana an'i Joda tamin'ny andro nanjakan'i Hezerika sy ny niarovan'Andriamanitra azy] Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
2In ko vidi Ezekija, da je prišel Senaherib ter da se je namenil bojevati zoper Jeruzalem,
2Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
3se posvetuje s svojimi knezi in oblastniki, da bi zamašili studence, ki so bili zunaj mesta; in oni so mu pomagali.
3dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
4Zbere se torej veliko ljudi in zamaše vse studence in potok, ki teče po sredi dežele, rekoč: Čemu naj najdejo kralji asirski veliko vode, kadar pridejo?
4Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
5In Ezekija se ohrabri in popravi vse zidovje, ki je bilo luknjasto, ter zgradi stolpe na njem in še drugi zid odzunaj in utrdi Milo v mestu Davidovem in napravi veliko orožja in ščitov.
5Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.[Heb. fiarovana]
6In postavi vojne poveljnike nad ljudstvom in jih zbere k sebi v široko ulico ob mestnih vratih ter jim govori na srce takole:
6Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
7Bodite močni in srčni, ne bojte se in ne plašite se pred asirskim kraljem, ne pred vso to množico, ki je pri njem! Zakaj večji je z nami nego ž njim:
7Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
8ž njim je mesena roka, z nami pa je GOSPOD, naš Bog, da nam pomaga in za nas vodi boj. In ljudstvo se je zaneslo na besede Ezekija, kralja Judovega.
8Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.
9Potem pošlje Senaherib, kralj asirski, hlapce svoje v Jeruzalem (stal pa je pred Lahisom in vsa vojna moč njegova ž njim) k Ezekiju, kralju Judovemu, in k vsem Judovim, ki so bili v Jeruzalemu, in sporoči:
9Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
10Tako pravi Senaherib, kralj asirski: Na koga stavite upanje, da sedite v obleganem Jeruzalemu?
10Izao nolazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ?
11Vas li ne zapeljuje Ezekija, da vas izda v smrt z lakoto in žejo, govoreč: GOSPOD, Bog naš, nas otme iz roke kralja asirskega?
11Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
12Ni li on tisti Ezekija, ki je odpravil njegove višave in oltarje in velel Judi in Jeruzalemu: Pred edinim oltarjem molite in na njem žgite kadilo?
12Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra ?
13Ne veste li, kaj sem storil jaz in očetje moji vsem narodom po deželah? So li mar bili bogovi narodov po deželah kaj zmožni, da bi oteli deželo svojo iz moje roke?
13Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?
14Kateri je med vsemi bogovi tistih narodov, ki so jih pokončali očetje moji, ki je mogel oteti ljudstvo svoje iz moje roke, da bi vaš Bog vas mogel oteti iz moje roke?
14Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo? [Heb. natao herema]
15Naj vas torej sedaj ne prekani Ezekija, tudi se mu ne dajte pregovoriti in ne verujte mu! Zakaj ako ni mogel noben bog kateregakoli naroda ali kraljestva oteti ljudstva svojega iz moje in mojih očetov roke, kako bi li vas otel vaš Bog iz roke moje?
15Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?
16In še več so govorili hlapci njegovi zoper GOSPODA Boga in zoper hlapca njegovega Ezekija.
16Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
17Tudi liste je pisal, da bi kidal sramoto na GOSPODA, Izraelovega Boga, in zoper njega govoril, češ, kakor bogovi narodov po deželah niso svojega ljudstva oteli iz roke moje, tako tudi ne otme Ezekijev Bog iz moje roke ljudstva svojega.
17sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
18In glasno so vpili po judovsko proti ljudstvu iz Jeruzalema, ki je bilo na obzidju, da ga spravijo v strah in obup, da bi tako dobili mesto.
18Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
19In govorili so o Bogu Jeruzalema kakor o bogovih ljudstev po deželah, ki so človeških rok delo.
19Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany.
20Kralj Ezekija pa in prorok Izaija, sin Amozov, sta spričo tega molila in vpila v nebo.
20Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra.
21In GOSPOD je poslal angela, ki je pobil vse močne junake in vojvode in poveljnike v taboru kralja asirskega, da se je z očitno sramoto vrnil v deželo svojo. In ko je prišel v svojega boga hišo, sta ga ondi z mečem umorila, ki sta bila po rodu njegova.
21Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
22Tako je GOSPOD rešil Ezekija in prebivalce v Jeruzalemu roke Senaheriba, kralja asirskega, in roke vseh drugih in jih je vodil, da so bili varni z vseh strani.
22Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy.
23In mnogi so prinašali darila GOSPODU v Jeruzalem in dragocenosti Ezekiju, kralju Judovemu, tako da se je odslej povišal pred očmi vseh narodov.
23Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
24V tistih dneh zboli Ezekija na smrt. Tedaj je molil h GOSPODU, in on mu je govoril ter mu dal čudno znamenje.
24[Ny nahararian'i Hezekia sy ny nanaretany, ary ny hareny amam-boninahiny, sy ny nampietrena azy, ary ny nahafatesany] Tamin'izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin'i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
25Ali Ezekija ni povrnil dobrote, ki mu je bila dana. Zakaj njegovo srce se je prevzelo, in zato je prišel srd nad njega in nad Judo in Jeruzalem.
25Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan'ny fahatezerana izy mbamin'ny Joda sy Jerosalema.
26Ko pa se je Ezekija ponižal zato, ker se je bilo prevzelo srce njegovo, s prebivalci jeruzalemskimi vred, ni prišel srd GOSPODOV nadnje v dnevih Ezekijevih.
26Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
27In Ezekija je imel silno veliko bogastva in časti in si je oskrbel zakladnice za srebro in za zlato, za drage kamene in za dišave, za ščite in za vsakovrstno dragoceno orodje.
27Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
28Imel je tudi skladišča za pridelke žita, vina in olja, in hleve za vsakovrstno živino in tamare za drobnico.
28ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.
29Napravil si je tudi mesta in imel je veliko drobnice in govedi, kajti Bog mu je dal silno veliko imetja.
29Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman'osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy.
30On, Ezekija, je tudi bil tisti, ki je zamašil gorenji iztok Gihonske vode ter jo napeljal naravnost doli po zahodni strani mesta Davidovega. In Ezekija je imel srečo v vseh svojih podjetjih.
30Ary notampenan'io Hezekia io ny fivoahan'ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin'ny tany hidina mahitsy ho any andrefan'ny Tanànan'i Davida izany. Ary nambinina tamin'ny asany rehetra Hezekia.
31Toda ko so bili k njemu poslani vojvod babilonskih poslanci, da bi vprašali po čudnem znamenju, ki se je bilo zgodilo v deželi, ga je Bog zapustil, da ga je izkusil, da bi spoznal vse, kar je bilo v srcu njegovem.
31Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
32A druge zgodbe Ezekijeve in njegova pobožna dela, glej, zapisana so v prikazni Izaija proroka, sinu Amozovega, v knjigi kraljev Judovih in Izraelovih.In Ezekija je legel k očetom svojim, in pokopali so ga ob stopnicah, ki vodijo gori h grobovom sinov Davidovih; in ves Juda in prebivalci jeruzalemski so mu izkazali čast ob njegovi smrti. In Manase, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
32Ary ny tantaran'i Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin'ny fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
33In Ezekija je legel k očetom svojim, in pokopali so ga ob stopnicah, ki vodijo gori h grobovom sinov Davidovih; in ves Juda in prebivalci jeruzalemski so mu izkazali čast ob njegovi smrti. In Manase, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
33Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.