1Ko pa je videla Atalija, mati Ahazijeva, da je njen sin mrtev, vstane in pogubi vse seme kraljevo.
1[Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.
2Ali Joseba, hči kralja Jorama, sestra Ahazijeva, vzame Joasa, sina Ahazijevega, in ga ukrade izmed kraljevih sinov, ki so jih morili, in potisne njega in njegovo pestunjo v spalnico; in skrili so ga pred Atalijo, da ni bil umorjen.
2Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
3In bil je ž njo skrit v hiši GOSPODOVI šest let. Atalija pa je gospodovala deželi.
3Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.
4A v sedmem letu pošlje Jojada in pokliče poveljnike nad sto Karejcev in stražarjev, ter jih pelje k sebi v hišo GOSPODOVO; in sklene zavezo ž njimi in vzame od njih prisego v hiši GOSPODOVI ter jim pokaže sina kraljevega.
4Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.[Heb. Kariana]
5In jim zapove, rekoč: To je reč, ki jo boste storili: tretjina vas, ki prihajate noter ob sobotah, bodite na straži v hiši kraljevi;
5Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka;
6tretjina pa bodi pri Surskih vratih in tretjina bodi pri vratih vzadaj za stražarji; tako boste stregli v hišni straži, v obrano.
6ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.
7A tista dva oddelka iz vas, vsi, ki odhajate ob sobotah, boste stregli v straži hiše GOSPODOVE pri kralju.
7Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon'i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.
8In obkrožite kralja vseokrog, vsakdo držeč svoje orožje v roki; in kdor bi se vrinil v vaše vrste, bodi umorjen; in bodete pri kralju, ko pojde ven in ko pojde noter.
8Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
9In poveljniki nad sto so storili vse, kakor jim je zapovedal Jojada duhovnik: vsak vzame k sebi može svoje, tiste, ki so imeli priti služit v soboto, s tistimi, ki jim je bilo oditi v soboto, in pridejo k Jojadu duhovniku.
9Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary nankany amin'i Joiada mpisorona.
10In duhovnik izroči poveljnikom nad sto sulice in ščite, ki jih je imel kralj David in so bili v hiši GOSPODOVI.
10Ary ny kapiteny nomen'ilay mpisorona ny lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao an-tranon'i Jehovah.
11In stražarji so stali, vsak mož z orožjem v roki, od desne strani hiše do leve strani hiše, poleg oltarja in hiše, okoli kralja.
11Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
12Potem pripelje ven sina kraljevega in dene nanj krono in mu da pričevanje; in ga postavijo za kralja ter ga pomazilijo, in ploskajo z rokami in govore: Živel kralj!
12Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka![Dia ny Didy Folo]
13Ko pa je Atalija slišala glas straže in ljudstva, pride k ljudstvu v hišo GOSPODOVO.
13Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.
14In pogleda, in glej, kralj stoji ob stebru, kakor je bila navada, in poveljniki in trobente pri njem, in vse ljudstvo dežele se veseli, in trobijo v trobente. Tedaj raztrga Atalija oblačila svoja in zavpije: Zarota, zarota!
14Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
15Jojada duhovnik pa zapove poveljnikom nad sto, ki so bili vojski na čelu, in jim reče: Odpeljite jo ven med vrstami, in kdor bi šel za njo, ubijte ga z mečem; kajti duhovnik je rekel: Ne sme umreti v hiši GOSPODOVI!
15Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.
16In polože roke nanjo; in šla je po poti, koder hodijo konji v hišo kraljevo, in ondi so jo umorili.
16Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
17Tedaj sklene Jojada zavezo med GOSPODOM in kraljem in ljudstvom, da bodo ljudstvo GOSPODOVO, enako tudi med kraljem in ljudstvom.
17Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
18In vse ljudstvo dežele je šlo v hišo Baalovo in so jo porušili; oltarje in podobe njegove pa so strli v kosce in Matana, duhovnika Baalovega, so umorili pred oltarji. In duhovnik je postavil nadzornike pri hiši GOSPODOVI.
18Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.
19In vzame poveljnike nad sto in Karejce in stražarje in vse ljudstvo dežele, in privedejo kralja doli od hiše GOSPODOVE in pridejo skozi vrata straže k hiši kraljevi. In sedel je na kraljev prestol.
19Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy.Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
20In vse ljudstvo dežele se je veselilo, in mesto je imelo mir. Atalijo pa so bili umorili z mečem pri kraljevi hiši.Joas je bil sedem let star, ko je zakraljeval.
20Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
21Joas je bil sedem let star, ko je zakraljeval.