Slovenian

Malagasy

2 Kings

10

1Ahab pa je imel sedemdeset sinov v Samariji. In Jehu napiše liste in pošlje v Samarijo jezreelskim poglavarjem, namreč starejšinam in vzgojevalcem sinov Ahabovih, s tem besedilom:
1[Ny namongorana ny taranak'i Ahaba sy ny rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i Bala, sy ny nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba nanao hoe:
2Precej, ko prejmete ta list, ker so vašega gospoda sinovi pri vas in imate tudi vozove in konje, utrjeno mesto in orožje,
2Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
3poglejte torej, kateri je najboljši in najpripravnejši izmed sinov gospoda vašega, in ga posadite na očeta njegovega prestol ter se bojujte za hišo gospoda svojega!
3dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin'ny zanakalahin'ny tomponareo, ary apetraho amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an'ny mpianakavin'ny tomponareo.
4Oni pa se silno zboje in reko: Glejte, dva kralja nista mogla stati pred njim, kako naj mi stojimo?
4Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
5In načelnik dvorca in mestni glavar in starejšine in vzgojevalci sinov pošljejo k Jehuju in sporoče: Hlapci smo tvoji in storimo vse, kar nam ukažeš. Ne postavimo nikogar za kralja. Stóri, kar se ti zdi prav!
5Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
6Tedaj jim napiše list v drugič s temi besedami: Ako ste na moji strani in hočete poslušati moj glas, vzemite glave tistih mož, sinov svojega gospoda, in pridite k meni v Jezreel jutri ob tem času! Bili so pa sinovi kraljevi, sedemdeset oseb, pri prvakih mesta, ki so jih vzgajali.
6Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
7Ko so torej prejeli ta list, vzamejo kraljeve sinove in jih pobijejo, vseh sedemdesetero mož, in denejo njih glave v koše ter jih pošljejo k njemu v Jezreel.
7Ary nony efa tonga tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i Jeho tany Jezirela.
8In pride sporočnik ter mu naznani, rekoč: Prinesli so sinov kraljevih glave. On veli: Denite jih na dva kupa ob vhodu v vrata do jutra!
8Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.
9Zjutraj pa, ko pride ven, se ustopi in reče vsemu ljudstvu: Pravični ste! Glejte, jaz sem napravil zaroto zoper gospodarja svojega in ga umoril. A kdo je pobil vse te?
9Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
10Vedite torej, da nič ne pade na zemljo iz besed GOSPODOVIH, ki jih je govoril GOSPOD o hiši Ahabovi; zakaj GOSPOD je storil, kar je bil napovedal po hlapcu svojemu Eliju.
10Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.
11Tako je pobil Jehu vse, ki so ostali od hiše Ahabove v Jezreelu, in vse prvake njegove in zaupnike in duhovnike njegove, da mu ni ostal ne eden.
11Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
12In vstane in odide in gre v Samarijo. In ko je bil pri strižnici pastirjev ob potu,
12Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian'ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,[Na: Bet-ekda]
13sreča Jehu brate Ahazija, kralja Judovega, ter vpraša: Kdo ste? Odgovore: Bratje smo Ahazijevi in gremo doli pozdravljat sinove kraljeve in kraljice sinove.
13dia nifanena amin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin'i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.
14In veli: Zgrabite jih žive! In zgrabili so jih žive in jih pomorili pri vodnjaku strižnice, dvainštirideset mož; ne enega od njih ni pustil.
14Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
15In ko gre odtod dalje, naleti na Jonadaba, sina Rehabovega, ki mu je šel naproti, in ga pozdravi in mu reče: Je li tvoje srce pošteno, kakor je moje srce proti tvojemu? In Jonadab odgovori: Je. Ako je, veli, podaj mi roko. In poda mu roko, in on ga vzame k sebi na voz
15Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
16in reče: Pojdi z menoj in poglej gorečnost mojo za GOSPODA! In so ga peljali na vozu njegovem.
16Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.
17In ko pride Jehu v Samarijo, pobije vse, kar jih je ostalo od Ahabovih v Samariji, da ga je dočista pogubil po besedi GOSPODOVI, ki jo je bil govoril Eliju.
17Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.
18In Jehu skliče vse ljudstvo in jim reče: Ahab je malo služil Baalu, Jehu pa mu hoče bolj služiti.
18Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
19Zato mi sedaj skličite vse proroke Baalove, vse častilce in vse duhovnike njegove, da nikogar ne manjka, zakaj veliko daritev prinesem Baalu. Kogarkoli pogrešimo, ta ne bo živel. Ali Jehu je to storil zvito, da bi pokončal častilce Baalove.
19Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
20In Jehu veli: Posvetite praznično zborovanje za Baala! In so ga oklicali.
20Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry andro izy.[Heb. Manamasina][Heb. nanamasina]
21Jehu pošlje tudi po vsem Izraelu, in vsi častilci Baalovi pridejo, da ni bilo moža, ki ne bi bil prišel. In šli so v hišo Baalovo, in hiša Baalova se je napolnila od konca do kraja.
21Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
22In veli njemu, ki je bil nad oblačilnico: Prinesi oblačila vsem častilcem Baalovim! In prinese jim ven oblačila.
22Dia hoy Jeho tamin'ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
23In Jehu stopi z Jonadabom, sinom Rehabovim, v hišo Baalovo, in reče častilcem Baalovim: Preiščite in poglejte, da ne bo nikogar med vami izmed služabnikov GOSPODOVIH, temuč da bodo Baalovi častilci sami!
23Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
24In gredo noter darovat klalščine in žgalščine. Jehu pa si je postavil osemdeset mož zunaj; in jim reče: Ako kdo pobegne iz teh mož, ki vam jih izročam, življenje tistega, kdor ga pusti, bode za življenje njegovo.
24Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
25In zgodi se, ko so končali darovanje žgalščine, da veli Jehu stražarjem in poveljnikom: Stopite noter in pobijte jih, da nihče ne uide! In jih udarijo z ostrino meča; in stražarji in poveljniki jih pomečejo ven. Nato gredo v mesto hiše Baalove
25Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
26in prineso ven poslikane stebre, ki so bili v hiši Baalovi, ter jih sežgo.
26Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.
27In starejo steber Baalov in zrušijo hišo Baalovo ter narede iz nje stranišče do tega dne.
27Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
28Tako je Jehu potrebil Baala iz Izraela.
28Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.
29Toda od grehov Jeroboama, sina Nebatovega, ki je ž njimi zapeljeval v greh Izraela, ni odstopil Jehu, da bi ne hodil za zlatima teletoma, ki sta bili v Betelu in v Danu.
29Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30In GOSPOD je rekel Jehuju: Ker si dobro izvršil, kar je prav v mojih očeh, in si storil hiši Ahabovi po vsem, kar mi je bilo v srcu, bodo sedeli tvoji sinovi do četrtega roda na prestolu Izraelovem.
30Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.
31Ali Jehu ni ohranil tega da bi bil živel po postavi GOSPODA, Boga Izraelovega, z vsem srcem svojim: ni odstopil od grehov Jeroboamovih, ki je ž njimi zapeljeval v greh Izraela.
31Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
32V tistih dneh je začel GOSPOD prikrajševati Izraela; kajti Hazael jih je porazil po vseh mejah Izraelovih:
32Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra
33ob Jordanu proti vzhodu vso deželo Gileadsko, Gadske, Rubenske in Manasejce, od Aroerja, ki je pri potoku Arnonu, Gileadsko in tudi Basansko deželo.
33hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
34A druge zgodbe Jehujeve in vse, kar je storil, in vsa moč njegova, ni li pisano v knjigi letopisov kraljev Izraelovih?
34Ary ny tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
35In Jehu je legel k očetom svojim, in pokopali so ga v Samariji. In Joahaz, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.Dni pa, kar jih je vladal Jehu Izraelu v Samariji, je bilo osemindvajset let.
35Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
36Dni pa, kar jih je vladal Jehu Izraelu v Samariji, je bilo osemindvajset let.
36Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.