1Elizej prorok pa pokliče enega izmed proroških sinov in mu veli: Opaši si ledja in vzemi to oljenico v roko in pojdi v Ramot v Gileadu.
1[Ny nanosorana an'i Jeho ho mpanjaka, sy ny namonoan'i Jeho an'i Jorama sy Ahazia ary Jezebela] Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
2In ko dospeš tja, poglej, kje je Jehu, sin Josafata, sina Nimsijevega, in stopi noter in véli mu vstati izmed bratov svojih in ga pelji v notranjo izbo.
2ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
3Potem vzemi oljenico in mu jo izlij na glavo in reci: Tako pravi GOSPOD: Pomazilil sem te za kralja Izraelu. Nato odpri duri in beži, nič se ne múdi.
3ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
4Gre torej tisti mladenič, mlad prorok, v Ramot v Gileadu.
4Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.[Na: ilay zatovo mpaminany]
5In ko pride tja, glej, vojni poglavarji so sedeli; in reče: Besedo imam do tebe, o poglavar! In Jehu vpraša: Do katerega nas vseh? Odgovori: Do tebe, o poglavar!
5Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
6Tedaj vstane in stopi v hišo; on pa mu izlije olje na glavo in mu reče: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Pomazilil sem te za kralja ljudstvu GOSPODOVEMU Izraelu.
6Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
7In udaril boš hišo Ahaba, gospoda svojega, da maščujem kri hlapcev svojih prorokov in kri vseh hlapcev GOSPODOVIH nad Jezabelino roko.
7Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
8Kajti vsa hiša Ahabova pogine in pogubim od Ahabovih vsakega moškega, njega, ki je vklenjen, in njega, ki je prost v Izraelu.
8Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
9In naredim s hišo Ahabovo kakor s hišo Jeroboama, sina Nebatovega, in kakor s hišo Baasa sinu Ahijevega.
9Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
10In psi bodo žrli Jezabelo na Jezreelski zemlji, in nikogar ne bode, ki bi jo pokopal. – Nato odpre duri in pobegne:
10Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
11Tedaj pride Jehu ven k služabnikom svojega gospoda, in eden ga vpraša: Je li mir? Zakaj je prišel ta neumnik k tebi? On pa jim reče: Saj poznate moža in govor njegov!
11Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
12Oni reko: Lažeš; povej nam vendar! On reče: tako in tako je govoril z menoj in dejal: Tako pravi GOSPOD: Pomazilil sem te za kralja Izraelu.
12Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
13Nato pohité in vsak vzame oblačilo svoje in ga dene podenj vrhu stopnic, ter zatrobijo v trobento in reko: Jehu je kralj!
13Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
14Jehu torej, sin Josafata, sina Nimsijevega, je sklenil zaroto proti Joramu. (Joram pa je z vsem Izraelom stražil Ramot v Gileadu zaradi Hazaela, kralja sirskega.
14Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
15A kralj Joram se je bil vrnil, da bi si zdravil v Jezreelu rane, ki so mu jih zadeli Sirci, ko se je bojeval s Hazaelom, sirskim kraljem.) Jehu pa je dejal: Ako je vaša volja, nihče naj ne ubeži in ne gre iz mesta, da bi povedal v Jezreelu!
15Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
16In Jehu stopi na voz in se pelje v Jezreel, zakaj Joram je ležal ondi. Ahazija pa, kralj Judov, je prišel doli obiskat Jorama.
16Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
17In čuvaj, ki je stal na stolpu v Jezreelu, ugleda Jehujevo krdelo, da se bliža, in reče: Vidim neko krdelo. Tedaj veli Joram: Vzemi jezdeca in ga pošlji onim naproti, naj vpraša: Je li mir?
17Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
18In jezdec jim gre naproti in reče: Tako pravi kralj: Je li mir? Jehu pa odvrne: Kaj tebi do miru? Okreni se in hodi zadaj za menoj! In čuvaj to oznani, rekoč: Sel je prišel do njih, pa se ne vrača!
18Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
19Tedaj pošlje drugega jezdeca. Ta pride k njim in reče: Tako pravi kralj: Je li mir? Jehu odgovori: Kaj tebi do miru? Okreni se in hodi zadaj za menoj!
19Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
20In čuvaj to oznani, rekoč: Prišel je prav do njih, pa se ne vrača. Vožnja pa je kakor vožnja Jehuja, sina Nimsijevega; zakaj žene voz, kakor bi besnel.
20Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
21In Joram veli: Zaprezite! In zaprežejo mu voz. In Joram, kralj Izraelov, in Ahazija, kralj Judov, se peljeta ven, vsak na vozu svojem, Jehuju naproti. In ga srečata na zemljišču Nabota Jezreelčana.
21Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
22In ko Joram zagleda Jehuja, reče: Je li mir, Jehu? On pa odgovori: Kakšen mir, dokler je toliko nečistovanja in čarodejstva matere tvoje Jezabele!
22Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
23Tedaj se obrne Joram, da zbeži, in reče Ahaziju: Izdajstvo je, o Ahazija!
23Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
24A Jehu prime krepko za lok in ustreli Jorama med pleča, da mu je šla pšica ven skozi srce, in zgrudil se je na vozu svojem.
24Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
25Nato veli Jehu Bidkarju, svojemu vojvodi: Vzemi in vrzi ga na zemljišče Nabota Jezreelčana; zakaj spomni se, ko sva jaz in ti jezdila skupaj za Ahabom, očetom njegovim, da je GOSPOD izrekel to grožnjo zoper njega:
25Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
26Videl sem zares včeraj kri Nabotovo in kri sinov njegovih, govori GOSPOD; in poplačam ti na tem zemljišču, govori GOSPOD. Sedaj pa ga vzemi in vrzi na to zemljišče, po besedi GOSPODOVI.
26Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
27Ko pa je videl to Ahazija, kralj Judov, je zbežal po poti proti vrtni hiši. A Jehu se je gnal za njim in velel: Udarite tudi njega na vozu! In udarili so ga ob strmcu v Gur, ki je pri Ibleamu. In bežal je v Megido, in ondi je umrl.
27Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
28In hlapci njegovi so ga pripeljali na vozu v Jeruzalem in ga pokopali v grobu njegovem z njegovimi očeti v mestu Davidovem.
28Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.
29Ahazija pa je bil zakraljeval nad Judom v enajstem letu Jorama, sina Ahabovega.
29Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
30In ko pride Jehu v Jezreel in Jezabel zasliši o tem, si namaže z lepotico obličje in nališpa glavo in gleda skozi okno.
30Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.[Heb. antimony]
31In ko stopi Jehu v vrata, reče ona: Se li je dobro godilo Zimriju, morilcu gospoda svojega?
31Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
32On pa povzdigne obličje proti oknu in reče: Kdo je z menoj? kdo? In pogledajo nanj dva ali trije komorniki.
32Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
33In on veli: Vrzite jo doli! In vrgli so jo doli, in stena je bila poškropljena ž njeno krvjo in konji; in jo je poteptal.
33Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
34In ko je prišel noter, je jedel in pil, in je rekel: Poglejte vendar po tisti prokleti in pokopljite jo, ker kraljeva je hči.
34Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
35In ko so jo šli pokopat, niso našli drugega od nje nego čepinjo in noge in dlani njenih rok.
35Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
36Zato pridejo nazaj in mu povedo. On pa reče: Beseda GOSPODOVA je, ki jo je govoril po hlapcu svojem, Eliju Tisbljanu, rekoč: Na Jezreelski zemlji bodo psi žrli Jezabelino mesoin truplo Jezabelino bode kakor gnoj na površju polja, na Jezreelski zemlji, tako da ne bodo rekli: To je Jezabela!
36Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
37in truplo Jezabelino bode kakor gnoj na površju polja, na Jezreelski zemlji, tako da ne bodo rekli: To je Jezabela!
37Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.