Slovenian

Malagasy

2 Kings

17

1V dvanajstem letu Ahaza, kralja na Judovem, je zakraljeval Hosea, sin Elov, nad Izraelom v Samariji, in vladal je devet let.
1[Ny nanjakan'i Hosea, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely, ary ny fototry ny nahatonga izany] Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, pa ne kakor kralji Izraelovi, ki so bili pred njim.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.
3Zoper njega je prišel Salmaneser, kralj asirski, in Hosea mu je postal podložnik in mu dajal davek.
3Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.[Heb. fanomezana]
4Ko pa je asirski kralj izvedel, da je Hosea napravil zaroto, ker je poslal sporočnikov do Soa, egiptovskega kralja, in ni prinašal davka asirskemu kralju kakor navadno leto za letom, ga je ujel in zvezanega poslal v ječo.
4Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
5Tedaj je šel asirski kralj gori po vsej deželi in prispel proti Samariji ter jo je oblegal tri leta.
5Dia niakatra ny mpanjakan'i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
6V devetem letu Hosea je kralj asirski dobil Samarijo in odpeljal Izraela v Asirijo in jih je naselil v Halahi in v Haborju, ob reki Gozanu, in v mestih Medov.
6Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
7To pa se je zgodilo, ker so grešili sinovi Izraelovi zoper GOSPODA, svojega Boga, ki jih je bil odpeljal iz Egipta, izpod oblasti Faraona, kralja egiptovskega, in ker so se bali drugih bogov
7Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
8in živeli po postavah poganov, ki jih je bil GOSPOD pregnal pred sinovi Izraelovimi, in po postavah kraljev Izraelovih, ki so jih naredili.
8ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
9In sinovi Izraelovi so skrivaj počenjali stvari, ki niso bile prave, zoper GOSPODA, Boga svojega, in so si zidali višave po vseh mestih svojih, od čuvajevega stolpa do utrjenega mesta.
9Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
10In postavljali so stebre s podobami in Ašere na vsakem visokem hribu in pod vsakim zelenim drevesom,
10Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy;
11in tam so žgali kadilo po vseh višavah kakor poganski narodi, ki jih je bil GOSPOD pregnal izpred njih obličja, in delali so hudobne reči, da bi dražili GOSPODA v jezo.
11ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an'i Jehovah.
12In služili so malikom, o čemer jim je rekel GOSPOD: Ne storíte take reči!
12Fa nanompo sampy, izay nandraran'i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13In ko je GOSPOD pričal proti Izraelu in proti Judi po vseh prorokih in vseh vidcih, govoreč: Obrnite se od hudih poti svojih in izpolnjujte zapovedi in postave moje soglasno z vsem zakonom, ki sem ga zapovedal očetom vašim in ki sem vam ga pošiljal po hlapcih svojih prorokih!
13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
14vendar niso poslušali, ampak zatrdili so svoj zatilnik, da je bil enak zatilniku njih očetov, ki niso verovali v GOSPODA, Boga svojega.
14Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i Jehovah Andriamaniny.
15In zaničevali so postave njegove in zavezo njegovo, ki jo je sklenil ž njih očeti, in pričevanja njegova, ki jih je pričal zoper nje, in hodeč za ničemurnostjo, so postali ničemurni in so sledili za pogani, ki so bivali okrog njih, za katere jim je GOSPOD ukazal, da naj ne delajo njim enako.
15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin'ny razany mbamin'ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran'i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
16In so zapustili vse zapovedi GOSPODA, Boga svojega, in si napravili ulite podobe, zlasti dve teleti, in naredili Ašero in so molili vso vojsko nebeško in služili Baalu.
16Ary nahafoy ny didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
17In so darovali svoje sinove in svoje hčere, vodeč jih skozi ogenj, in se pečali z vedeževanjem in čaranjem in se prodali, da bi delali, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, da bi ga dražili v jezo.
17Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
18In razjezil se je GOSPOD silno nad Izraelom in ga je odpravil izpred svojih oči, da ni ostal nihče nego sam rod Judov.
18Koa dia tezitra indrindra tamin'ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
19Pa tudi Juda ni izpolnjeval zapovedi GOSPODA, Boga svojega, temuč živel je po postavah Izraelovih, ki so si jih naredili.
19Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon'ny Isiraely koa.
20Zato je GOSPOD zavrgel vse seme Izraelovo, in jih je stiskal in jih dal plenilcem v roke, dokler jih ni pognal izpred obličja svojega.
20Dia narian'i Jehovah ny taranak'Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan'ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21Kajti odtrgal je Izraela od hiše Davidove, in postavili so za kralja Jeroboama, sina Nebatovega; in Jeroboam je odtegnil Izraela, da ni šel za GOSPODOM, in je povzročil, da so hudo grešili.
21Fa nendahany niala tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i Jeroboama, zanak'i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an'i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
22In sinovi Izraelovi so hodili v vseh grehih Jeroboama, ki jih je storil, in niso odstopili od njih,
22Ary ny Zanak'Isiraely nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon'i Jeroboama, fa tsy niala tamin'izany izy
23dokler ni GOSPOD odpravil Izraela izpred obličja svojega, kakor je bil govoril po vseh svojih hlapcih prorokih. Tako je bil Izrael preseljen iz svoje dežele v Asirijo, do tega dne.
23Mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
24Kralj asirski pa je pripeljal ljudi iz Babela in iz Kute in iz Ave, iz Hamata in Sefarvaima in jih je razstavil po mestih samarijskih namesto sinov Izraelovih. In prilastili so si Samarijo ter prebivali v njenih mestih.
24[Ny nametrahana olona hafa firenena tao amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny fivavahan'ireny] Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.
25A v začetku, ko so prebivali ondi, se niso bali GOSPODA; zato je GOSPOD poslal mednje leve, ki so jih morili.
25Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.
26Zatorej sporoče kralju asirskemu, rekoč: Narodi, ki si jih preselil in razstavil po mestih samarijskih, ne poznajo pravic deželnega Boga, zato je poslal leve mednje; in glej, ti jih more, ker ne poznajo pravic deželnega Boga.
26Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.
27Tedaj zapove kralj asirski, rekoč: Peljite tja enega izmed duhovnikov, ki ste jih odondod privedli; ta naj gre in se ondi nastani in jih uči pravice Boga tiste dežele.
27Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
28Nato pride eden duhovnikov, katere so odpeljali iz Samarije, in se nastani v Betelu ter jih uči, kako naj se boje GOSPODA.
28Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
29Ali vsak narod je naredil svojega boga, in postavili so jih v hiše višav, ki so jih bili Samarijani napravili, vsak narod po mestih svojih, v katerih so prebivali.
29Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
30Babelski možje so namreč naredili Sukot-benota, možje iz Kuta pa so naredili Nergala, možje iz Hamata Asima,
30Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an'i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;
31Avljani pa so naredili Nibhaza in Tartaka, a Sefarvaimci so sežigali svoje otroke v ognju Adrameleku in Anameleku, bogovoma Sefarvaimov.
31ary ny Avita nanao an'i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo ho an'i Adrameleka Anameleka, andriamanitr'i Sefarvaima.
32Vendar so se bali GOSPODA in si postavili izmed sebe duhovnike višavam, ki so darovali zanje v hišah po višavah.
32Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33GOSPODA so se sicer bali, a služili so tudi svojim bogovom po navadi narodov, izmed katerih so bili sem priseljeni.
33Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon'ny firenena izay efa nangalana azy avy.
34In do današnjega dne se ravnajo po prvotni navadi: GOSPODA se ne boje; tudi ne delajo po svojih postavah in naredbah, pa tudi ne po postavi in zapovedi, ki jo je GOSPOD zapovedal sinovom Jakoba, ki mu je dal ime Izrael,
34Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35s katerim je GOSPOD sklenil zavezo, in jim je zapovedal, govoreč: Ne bojte se drugih bogov, tudi se jim ne klanjajte, ne služite jim in ne darujte jim;
35Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
36ampak GOSPODA, ki vas je z veliko močjo in z iztegnjeno ramo odpeljal iz Egiptovske dežele, njega se bojte, njemu se poklanjajte in njemu darujte;
36Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
37in pazite na postave in naredbe, zakon in zapoved, ki vam jih je predpisal, da jih izpolnjujete vse svoje žive dni, in ne bojte se drugih bogov;
37Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38in zaveze, ki sem jo sklenil z vami, ne zabite, tudi se ne bojte drugih bogov,
38Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo;
39marveč bojte se GOSPODA, Boga svojega, in on vas otme iz roke vseh sovražnikov vaših.
39Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo rehetra.
40Toda niso poslušali, temuč so delali po svoji prvotni navadi.Tako so se ti narodi sicer bali GOSPODA, toda služili so svojim izrezanim podobam; enako delajo tudi njih otroci in njih otrok otroci do tega dne, kakor so delali njih očetje.
40Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.
41Tako so se ti narodi sicer bali GOSPODA, toda služili so svojim izrezanim podobam; enako delajo tudi njih otroci in njih otrok otroci do tega dne, kakor so delali njih očetje.
41Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.