1V tretjem letu Hosea pa, sinu Elovega, kralja Izraelovega, je zakraljeval Ezekija, sin Ahaza, kralja Judovega.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely] Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
2Petindvajset let mu je bilo, ko je zavladal, in kraljeval je devetindvajset let v Jeruzalemu. Matere njegove ime pa je bilo Abi, hči Zaharijeva.
2Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
3On je delal, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kakor je delal David, oče njegov.
3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
4On je odpravil višave in strl stebre in posekal Ašere in razdrobil bronasto kačo, ki jo je bil Mojzes naredil; zakaj do tega časa so ji žgali kadilo sinovi Izraelovi; in imenoval jo je Nehuštan [T. j. troha brona.].
4Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.[Nehostana = Ilay varahina]
5On je upal v GOSPODA, Boga Izraelovega, da ni bilo za njim njemu podobnega med vsemi kralji Judovimi, tudi ne med tistimi, ki so bili pred njim.
5Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
6Kajti oklepal se je GOSPODA, ni se umaknil, hodeč za njim, temuč izpolnjeval je zapovedi njegove, ki jih je bil GOSPOD zapovedal Mojzesu.
6Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
7In GOSPOD je bil ž njim: kamor koli se je obrnil, je uspešno ravnal. Uprl se je tudi kralju asirskemu in mu ni služil.
7Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy.[Na: hita ho hendry]
8On je udaril Filistejce tja do Gaze in njeno pokrajino od čuvajevega stolpa do utrjenega mesta.
8Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
9Zgodi se pa v četrtem letu kralja Ezekija, ki je bilo sedmo leto Hosea, sinu Ela, kralja Izraelovega, da pride Salmaneser, kralj asirski, gori zoper Samarijo in jo oblega.
9Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10In dobili so jo ob koncu tretjega leta; v šestem letu Ezekija, ki je bilo deveto leto Hosea, kralja Izraelovega, je bila dobljena Samarija.
10Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria.
11In kralj asirski je odpeljal Izraelce v Asirijo in jih naselil v Halahu in Haborju, ob reki Gozanu, in v mestih Medov,
11Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana,
12zato ker niso poslušali glasu GOSPODA, Boga svojega, in so prelomili njegovo zavezo, vse, kar je zapovedal Mojzes, služabnik GOSPODOV, ne hoteč tega ne slišati, ne delati.
12Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
13A v štirinajstem letu kralja Ezekija pride Senaherib, kralj asirski, gori zoper vsa utrjena mesta na Judovem ter jih pridobi.
13[Ny niadian'i Sankeriba tamin'i Hezekia] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
14In Ezekija, kralj Judov, pošlje h kralju asirskemu v Lahis in sporoči: Pregrešil sem se! Kreni od mene; kar mi naložiš, hočem nositi. In kralj asirski določi Ezekiju, kralju Judovemu, tristo talentov srebra in trideset talentov zlata.
14Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
15In Ezekija mu je dal vse srebro, ki se je našlo v hiši GOSPODOVI in v zakladih kraljeve hiše.
15Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka.
16V tem času je Ezekija odrezal zlato od durnic hiše GOSPODOVE in od podbojev, ki jih je bil sam dal prevleči, in ga je dal kralju asirskemu.
16Tamin'izany andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
17In kralj asirski je poslal iz Lahisa Tartana in Rabsarisa in Rabsaka h kralju Ezekiju proti Jeruzalemu z mnogoštevilno vojsko. In šli so gori in dospeli pred Jeruzalem. In ko so prišli gori, se ustavijo pri vodovodu zgornjega ribnika, ki je ob poti valjalčeve njive,
17Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
18in kličejo kralja. Tedaj pridejo ven k njim Eljakim, sin Hilkijev, ki je bil nad dvorcem, in Sebna pisar in Joah, sin Asafov, letopisec.
18Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
19In Rabsak jim reče: Povejte vendar Ezekiju: Tako pravi kralj veliki, kralj asirski: Kakšno upanje je to, na katero se zanašaš?
19Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianao?
20Praviš: Dosti je sveta in moči za vojskovanje – a prazna beseda je to. V koga torej upaš, da si se mi uprl?
20Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
21Glej, se li mar zanašaš na palico iz nalomljenega trsta, na Egipt? katera se mu, kadar se kdo nasloni nanjo, zadere v roko in jo prebode. Tako je Faraon, egiptovski kralj, vsem, ki stavijo upanje vanj.
21Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
22Ako mi pa porečete: V GOSPODA, Boga svojega, upamo – ni li on tisti, čigar višave in oltarje je Ezekija odpravil in je velel Judi in Jeruzalemu: Molite pred tem oltarjem v Jeruzalemu!
22Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23Sedaj torej, pravim, stavi z gospodom mojim, s kraljem asirskim: dam ti dvakrat tisoč konj, ako boš imel jezdecev, da jih posadiš nanje!
23Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
24Kako bi mogel zavrniti le enega voditelja izmed najmanjših služabnikov gospoda mojega? A ti se zanašaš na Egipt zaradi voz in konjikov!
24Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
25Sem li mar sedaj brez GOSPODA prišel gori zoper ta kraj, da ga pogubim? GOSPOD mi je velel: Idi gori zoper to deželo in pogubi jo!
25Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
26Tedaj reče Eljakim, sin Hilkijev, in Sebna in Joah Rabsaku: Govóri, prosim, hlapcem svojim po sirsko, saj razumemo; in ne govori nam po judovsko, ker sliši ljudstvo, ki je na zidovju.
26Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.[Heb. Aramiana]
27Ali Rabsak jim reče: Me je li h gospodu tvojemu in k tebi poslal gospod moj, da naj govorim besede te? Ali ne k onim možem, ki sede po zidovju, da jedo blato svoje in pijo vodo svojo z vami vred?
27Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? [Heb. ny tainy][Heb. ny amaniny]
28Rabsak torej se ustopi in zavpije z glasom velikim po judovsko in govori takole: Čujte besede velikega kralja, kralja asirskega!
28Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria:
29Tako pravi kralj: Naj vas ne prekani Ezekija, kajti ne bo vas mogel oteti iz roke njegove!
29Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tanako izy tsy akory.
30In ne pregovóri vas Ezekija, da bi upali v GOSPODA, govoreč: Gotovo nas otme GOSPOD, in to mesto ne bo dano kralju asirskemu v roko!
30Ary aza mety hampahatokin'i Hezetia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
31Ne poslušajte Ezekija; kajti tako pravi kralj asirski: Pogodite se z menoj za mir in pridite k meni; tako jejte vsak svoje trte sad in svoje smokve sad in pijte vsak svojega vodnjaka vodo,
31Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
32dokler ne pridem in vas vzamem v deželo, podobno vaši deželi, v deželo, kjer je obilo žita in vina, kruha in vinogradov, oljk in medú, da boste živeli in ne umrli. Ne poslušajte Ezekija, ko vas zapeljuje, govoreč: GOSPOD nas otme.
32mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
33Ali je rešil kateri bogov drugih narodov deželo svojo iz roke kralja asirskega?
33Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
34Kje so bogovi Hamata in Arpada? kje so bogovi Sefarvaima, Hene in Ive? so li mar rešili Samarijo iz moje roke?
34Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
35Kateri so med vsemi bogovi teh dežel, ki so deželo svojo oteli iz roke moje? da bi GOSPOD otel Jeruzalem iz roke moje!
35Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
36Ljudstvo je pa molčalo, in niso mu odgovorili ničesar, zakaj kraljev ukaz je velel: Ne odgovarjajte mu!Pride torej Eljakim, Hilkijev sin, ki je bil nad dvorcem, in Sebna, pisar, in Joah, Asafov sin, letopisec, k Ezekiju z raztrgano obleko, in naznanijo mu besede Rabsakove.
36Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
37Pride torej Eljakim, Hilkijev sin, ki je bil nad dvorcem, in Sebna, pisar, in Joah, Asafov sin, letopisec, k Ezekiju z raztrgano obleko, in naznanijo mu besede Rabsakove.
37Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.