Slovenian

Malagasy

2 Kings

19

1In ko je to slišal kralj Ezekija, si je raztrgal oblačila in pokril se je z raševino in šel v hišo GOSPODOVO.
1[Ny amin'ny namonjena an'i Jerosalema, sy ny nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba, mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2In pošlje Eljakima, načelnika dvorca, in Sebna, pisarja, ter starejšine duhovnikov, pokrite z raševino, k proroku Izaiju, sinu Amozovemu.
2Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
3In ti mu reko: Tako pravi Ezekija: Dan stiske in strahovanja in zasramovanja je ta dan; kajti otroci so prišli do poroda, a moči ni za porod.
3Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4Morda bo slišal GOSPOD, Bog tvoj, vse besede Rabsakove, s katerimi ga je poslal kralj asirski, gospod njegov, sramotit Boga živega, in bo kaznoval besede, ki jih je slišal GOSPOD, Bog tvoj. Zato povzdigni molitev za ostanke, kar jih še je.
4Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
5Ko so torej prišli hlapci Ezekija kralja k Izaiju,
5Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6jim reče Izaija: Tako povejte gospodu svojemu: Tako pravi GOSPOD: Ne boj se zaradi tistih besed, ki si jih slišal, ki so me ž njimi preklinjali hlapci kralja asirskega!
6Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7Glej, jaz mu vdahnem duha, da bo slišal glas in se vrnil v deželo svojo, in storim, da pade od meča v deželi svoji.
7Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8In ko se vrne Rabsak, najde kralja asirskega v boju zoper Libno; slišal je bil namreč, da se je umaknil od Lahisa.
8Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9V tem zasliši, da pravijo o Tirhaku, kralju v Etiopiji: Glej, prišel se je vojskovat zoper tebe! In pošlje zopet sporočnikov k Ezekiju z ukazom:
9Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe:
10Tako govorite Ezekiju, kralju Judovemu, in recite: Naj te ne vara Bog tvoj, ki staviš nanj upanje, govoreč: Jeruzalem ne bo dan v roko kralja asirskega.
10Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11Glej, sam si slišal, kaj so storili kralji asirski vsem drugim deželam, pokončavši jih docela, in ti bi se otel?
11Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12Ali so bogovi narodov oteli tiste, ki so jih pogubili očetje moji, Gozana in Harana in Rezefa in sinove Edena, ki so bili v Telasarju?
12Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara?
13Kje je kralj hamatski in kralj arpadski in kralj mesta Sefarvaima in Hene in Ive?
13Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14In ko Ezekija prejme pismo iz roke sporočnikov in ga prebere, gre gori v hišo GOSPODOVO in ga razgrne pred GOSPODOM.
14Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15In molil je Ezekija pred GOSPODOM, govoreč: O GOSPOD, Bog Izraelov, ki stoluješ nad kerubi, ti si Bog, ti edini vsem kraljestvom na zemlji, ti si ustvaril nebesa in zemljo!
15Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
16Nagni uho svoje, GOSPOD, in poslušaj, odpri oči svoje, GOSPOD, in poglej! In poslušaj besede Senaheriba, s katerimi ga je poslal sramotit Boga živega!
16Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona.
17Res je, GOSPOD, opustošili so kralji asirski one narode in njih dežele
17Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
18in so pometali njih bogove v ogenj, zakaj niso bili bogovi, ampak rok človeških delo, les in kamen; zato so jih pogubili.
18ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
19Sedaj torej, GOSPOD, Bog naš, reši nas, prosim, iz roke njegove, da naj spoznajo vsa kraljestva na zemlji, da si ti GOSPOD Bog, ti edini.
19Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
20Tedaj pošlje Izaija, sin Amozov, k Ezekiju in sporoči: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Kar si molil k meni spričo Senaheriba, kralja asirskega, sem slišal.
20Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
21To je beseda, ki jo je govoril GOSPOD o njem: Zaničuje te, zasmehuje te devica, hči sionska, za teboj maje glavo hči jeruzalemska.
21Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
22Koga si sramotil in preklinjal? in zoper koga si zagnal svoj glas in ošabno povzdignil svoje oči? Zoper Svetnika Izraelovega!
22Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
23Po poslancih svojih si sramotil GOSPODA, ko si govoril: Z množico svojih voz sem prišel na vrh gorá, do najvišje strani Libanona; in posekam visoke cedre njegove in najboljše ciprese njegove; vstopim tudi v najdaljnejše prenočišče njegovo, v gaj na vrtu njegovem.
23Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka.
24Jaz sem kopal in izpil tuje vodnjake, in s stopalom nog svojih hočem posušiti vse egiptovske reke.
24Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Na: ranon'ny firenena hafa][Heb. Mazora]
25A nisi li slišal, da sem jaz to napravljal od zdavnaj in snoval od starih časov? Sedaj sem storil, da je prišlo to, da rušiš utrjena mesta v kupe razvalin.
25Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
26Zato so bili njih prebivalci slabotnih rok, prestrašeni in zbegani; bili so kakor trava na polju in kakor zelenjava mehka, kakor trava na strehah in kakor žito posmojeno, preden gre v latje.
26Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
27In sejo tvojo in odhod in prihod tvoj poznam, tudi divjanje tvoje zoper mene.
27Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
28Ker divjanje tvoje zoper mene in lahkoživstvo tvoje je prišlo do mojih ušes, zato denem svoj obroček v tvoj nos in uzdo svojo med ustnice tvoje, in povedem te nazaj po tistem potu, po katerem si prišel. –
28Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
29In to ti bodi v znamenje: to leto boste jedli, kar samo zraste, drugo leto pa, kar po tem priraste, v tretjem letu sejte in ženjite in sadite vinograde ter jejte njih sad.
29Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
30In kar se od hiše Judove ohrani, kar preostane, bo zopet poganjalo korenine spodaj in rodilo sad zgoraj.
30Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
31Zakaj iz Jeruzalema izide ostanek in s Sionske gore tisti, ki se bodo rešili; gorečnost GOSPODA nad vojskami stori to.
31Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
32Zatorej pravi tako GOSPOD zastran kralja asirskega: Ne pride v to mesto in pšice ne ustreli sem, tudi ščita mu ne bo stavil nasproti, ne nanašal nasipov zoper njega.
32Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
33Po istem potu, po katerem je prišel, se vrne, v to mesto pa ne pride, govori GOSPOD.
33Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
34Zakaj branil bom to mesto, da ga rešim, zaradi sebe in zaradi Davida, hlapca svojega.
34Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
35In zgodi se to noč, da izide angel GOSPODOV ter jih pobije v asirskem ostrogu sto petinosemdeset tisoč; in ko so vstali zjutraj, glej, bili so vsi tisti trupla mrtvih.
35Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
36Senaherib torej, kralj asirski, se vzdigne in odide in se vrne in ostane v Ninivah.Tam je bilo, ko se je klanjal v hiši Nisroka, boga svojega, da ga Adramelek in Sarezer, sina njegova, udarita z mečem in pobegneta v deželo Araratsko. In kraljeval je sin njegov Esar-hadon namesto njega.
36Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
37Tam je bilo, ko se je klanjal v hiši Nisroka, boga svojega, da ga Adramelek in Sarezer, sina njegova, udarita z mečem in pobegneta v deželo Araratsko. In kraljeval je sin njegov Esar-hadon namesto njega.
37Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.