1V tistih dneh zboli Ezekija na smrt. In pride k njemu Izaija, sin Amozov, prorok, ter mu reče: Tako pravi GOSPOD: Oporóči za hišo svojo, kajti v kratkem umreš in ne boš živel.
1[Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2Tedaj obrne Ezekija obličje v steno in moli h GOSPODU, govoreč:
2Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
3Ah, GOSPOD, spomni se, prosim, da sem neprestano hodil pred teboj v resnici in z nerazdeljenim srcem ter delal, kar je dobro v tvojih očeh. In plakal je Ezekija, silno plakal.
3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4In zgodi se, ko ni bil Izaija še prešel sredine mesta, da pride beseda GOSPODOVA do njega, veleč:
4Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja]
5Vrni se in reci Ezekiju, vojvodi ljudstva mojega: Tako pravi GOSPOD, Bog očeta tvojega Davida: Čul sem molitev tvojo, solze tvoje sem videl. Glej, ozdravim te; tretji dan pojdeš gori v hišo GOSPODOVO.
5Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
6In pridenem tvojim dnem petnajst let in iz roke asirskega kralja otmem tebe in to mesto, in branil bom to mesto zaradi sebe in zaradi Davida, hlapca svojega.
6Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
7In Izaija veli: Prinesite gručo smokev! In jo prineso ter polože na ulje, in je ozdravel.
7Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
8Rekel je pa Ezekija Izaiju: Kaj je znamenje, da me GOSPOD ozdravi in da pojdem tretji dan gori v hišo GOSPODOVO?
8Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso?
9In Izaija reče: To ti bodi znamenje od GOSPODA, da bo storil GOSPOD, kar je govoril: Naj li gre senca deset stopinj naprej ali naj gre deset stopinj nazaj?
9Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo? [Heb. ambaratonga]
10Ezekija reče: Lahko se senca pomakne deset stopinj naprej; nočem tega, temuč naj se vrne senca deset stopinj nazaj!
10Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
11In Izaija prorok je klical h GOSPODU; in on je storil, da je šla senca po stopinjah, po katerih je bila šla doli na sončni uri Ahazovi, za deset stopinj nazaj.
11Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
12V tistem času je poslal Berodak Baladan, sin Baladanov, kralj babilonski, pismo in dar Ezekiju; slišal je namreč, da je bil Ezekija bolan.
12Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13In Ezekija jih je zaslišal in jim je razkazal vso hišo dragocenosti svojih, srebro in zlato in dišave in najboljše olje in vso orožnico svojo in vse, kar se je našlo v zakladih njegovih; ničesar ni bilo v hiši njegovi, ne v vsej oblasti njegovi, da bi jim ne bil Ezekija pokazal.
13Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]
14Tedaj pride Izaija prorok h kralju Ezekiju ter mu reče: Kaj so rekli oni možje? in odkod so prišli k tebi? Ezekija pa reče: Iz daljne dežele so prišli k meni, iz Babilona.
14Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15In vpraša: Kaj so videli v hiši tvoji? Ezekija odgovori: Karkoli je v hiši moji, so videli; ničesar ni bilo, da bi jim ne bil pokazal, v zakladih mojih.
15Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
16Nato reče Izaija Ezekiju: Čuj besedo GOSPODOVO!
16Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
17Glej, dnevi pridejo, ko se odnese vse, kar je v hiši tvoji in kar so shranili očetje tvoji do tega dne, v Babilon; nič ne bo ostalo, pravi GOSPOD.
17Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
18Tudi sinov tvojih, ki pridejo iz tebe, ki jih boš rodil, vzemo, da bodo dvorniki v gradu kralja babilonskega.
18Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.[Heb. ionoka]
19In Ezekija reče Izaiju: Dobra je beseda GOSPODOVA, ki si jo govoril. Še reče: Ni li tako? samo da bode mir in stanovitnost v dnevih mojih!
19Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
20A druge zgodbe Ezekijeve in vsa moč njegova in kako je napravil ribnik in vodovod in napeljal vodo v mesto, ali ni zapisano v knjigi letopisov kraljev Judovih?In Ezekija je legel k očetom svojim, in Manasej, sin njegov, je kraljeval na mestu njegovem.
20Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
21In Ezekija je legel k očetom svojim, in Manasej, sin njegov, je kraljeval na mestu njegovem.
21Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy