1Manasej je bil dvanajst let star, ko je zavladal, in vladal je petinpetdeset let v Jeruzalemu. Materi njegovi pa je bilo ime Hefziba.
1[Ny nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
2In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, po gnusobah narodov, ki jih je GOSPOD izgnal pred sinovi Izraelovimi.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3Zakaj zgradil je zopet višave, ki jih je bil zrušil njegov oče Ezekija, in je postavil oltarje Baalu in napravil Ašero, kakor je storil Ahab, kralj Izraelov, in poklanjal se vsej vojski nebeški in služil zvezdam.
3Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
4In sezidal je oltarje v hiši GOSPODOVI, o kateri je bil rekel GOSPOD: V Jeruzalemu postavim ime svoje.
4sady nanao alitara tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
5Sezidal je tudi oltarje vsej vojski nebeški na obeh dvoriščih pri hiši GOSPODOVI.
5Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy.
6In svojega sina je daroval, da je šel skozi ogenj, in se je pečal z vedeževanjem in zaklinjanjem in podpiral rotilce duhov in čarodejnike: delal je mnogo hudega v očeh GOSPODOVIH, da bi ga dražil v jezo.
6Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7Postavil je tudi rezano podobo Ašere, ki jo je bil naredil, v hiši, o kateri je GOSPOD rekel Davidu in Salomonu, sinu njegovemu: V tej hiši in v Jeruzalemu, ki sem ga izvolil iz vseh rodov Izraelovih, postavim ime svoje za vekomaj;
7Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
8tudi ne pustim več, da bi šle noge Izraelove z zemlje, ki sem jo dal njih očetom, ako bodo le pazili, da delajo po vsem, kar sem jim ukazal, in po vsej postavi, ki jim jo je zapovedal hlapec moj Mojzes.
8Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
9Ali niso poslušali; in Manasej jih je zapeljeval, da delajo, kar je hudo, bolj nego narodi, ki jih je GOSPOD potrebil pred sinovi Izraelovimi.
9Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa, izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
10Tedaj je govoril GOSPOD po svojih hlapcih, prorokih, in dejal:
10Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
11Ker je storil Manasej, kralj Judov, vse te gnusobe in delal krivično bolj, nego karkoli so delali Amorejci, ki so živeli pred njim, in je napeljal Judo, da tudi greši ž njegovimi maliki:
11Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,
12zatorej pravi tako GOSPOD, Bog Izraelov: Glej, jaz pripravim takšno nesrečo nad Jeruzalem in nad Judo, da mu bode, kdorkoli bo o tem slišal, zvenelo po obeh ušesih.
12dia izao kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
13In potegnem čez Jeruzalem mersko vrvico samarijsko in grezilo hiše Ahabove, in izpraznim Jeruzalem, kakor če kdo obriše skledo: obrišejo in povezne.
13Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
14In zavržem ostanek dediščine svoje in jih izdam v roko njih sovražnikov, in bodo v rop in v plen vsem sovražnikom svojim,
14Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra izy,
15ker so delali, kar je zlo v mojih očeh, in so me dražili v jezo od dne, ko so odšli njih očetje iz Egipta, do sedaj.
15satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
16In Manasej je tudi prelil veliko nedolžne krvi, dokler ni ž njo napolnil Jeruzalema od enega konca do drugega, razen svojega greha, s katerim je zapeljeval Judo v greh, da so delali, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH.
16Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
17Druge zgodbe pa Manasejeve in vse, kar je storil, in greh, s katerim je grešil, ni li zapisano v knjigi letopisov kraljev Judovih?
17Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
18In Manasej je legel k očetom svojim in je bil pokopan na vrtu hiše svoje, na vrtu Uzovem. In zakraljeval je sin njegov Amon namesto njega.
18Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
19Dvaindvajset let je bil star Amon, ko je zakraljeval, in vladal je dve leti v Jeruzalemu; in materi njegovi je bilo ime Mesulemeta, hči Haruzova iz Jotbe.
19Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.
20In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, kakor je bil delal oče njegov Manasej.
20Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
21In hodil je po vsej poti, po kateri je hodil oče njegov, služeč malikom, ki jim je služil njegov oče, in klanjajoč se jim;
21Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
22GOSPODA pa, Boga očetov svojih, je opustil, in ni hodil po poti GOSPODOVI.
22Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.
23In služabniki Amonovi so sklenili zaroto zoper njega in so kralja usmrtili v hiši njegovi.
23Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
24A ljudstvo dežele je pobilo vse, ki so se bili zarotili zoper njega; in ljudstvo dežele je postavilo Josija, sina njegovega, za kralja na mestu njegovem.
24Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.
25Kar je pa več praviti o Amonu, kar je storil, ni li zapisano v knjigi letopisov kraljev Judovih?In pokopali so ga v grobu njegovem na vrtu Uzovem. In Josija, sin njegov, je zavladal na mestu njegovem.
25Ary ny tantaran'i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
26In pokopali so ga v grobu njegovem na vrtu Uzovem. In Josija, sin njegov, je zavladal na mestu njegovem.
26Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.