Slovenian

Malagasy

2 Samuel

14

1Joab pa, sin Zervijin, je zaznal, da se je srce kraljevo nagnilo k Absalomu.
1[Ny nodian'i Absaloma, sy ny nampihavanana ny rainy taminy] Ary Joaba, zanak'i Zeroia, nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an'i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra tamin']
2In pošlje Joab v Tekoo ter da pripeljati odondod modro ženo in ji veli: Delaj se, prosim, žalujočo in obleci žalno obleko in ne pomaži se z oljem, temuč bodi kakor žena, ki je že dolgo časa žalovala po mrtvem.
2Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
3Potem pojdi h kralju ter govóri na ta način ž njim! In Joab jo je poučil, kaj naj govori.
3dia mankanesa ao amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy.
4In ko žena iz Tekoe ogovori kralja, pade z obrazom na tla ter stori poklon in reče: Pomagaj mi, o kralj!
4Ary nony niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
5In kralj jo vpraša: Kaj ti je? In odgovori: Resnično, vdova sem, ker moj mož je mrtev.
5Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
6In dekla tvoja je imela dva sinova, in ta sta se med sabo sprla na polju, in ker ga ni bilo, ki bi bil branil, je udaril brat brata in ga ubil.
6Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
7In glej, vsa rodovina je vstala zoper deklo tvojo in pravijo: Daj sem tistega, ki je ubil brata svojega, da ga usmrtimo za dušo brata, ki ga je umoril, in uničimo tudi dediča! Tako hočejo ugasiti mojo iskro, ki je preostala, da ne ostane možu mojemu ne imena, ne potomca na zemlji.
7Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.
8Kralj pa veli ženi: Pojdi domov, in zapovem zate!
8Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.
9A žena iz Tekoe reče kralju: Gospod moj, kralj, na meni bodi ta pregreha in na mojega očeta hiši, kralj pa in prestol njegov bodi nedolžen!
9Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
10In kralj reče: Kdorkoli govori kaj zoper tebe, tega pripelji k meni, in ne sme se te več dotekniti.
10Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
11Ona reče: Naj se kralj spomni, prosim, GOSPODA, Boga svojega, da ne napravi krvni maščevalec še več pogube in ne iztrebijo sina mojega. On veli: Kakor res GOSPOD živi, še las ne pade sinu tvojemu na zemljo!
11Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
12Nato reče žena: Pove naj, prosim, dekla tvoja besedo gospodu svojemu, kralju. On veli: Govóri!
12Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
13In žena reče: Zakaj si kaj takega mislil zoper ljudstvo Božje? Kajti s tem, kar je kralj rekel, se je sam obdolžil, ker noče kralj pripeljati domov izgnanca svojega.
13Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.
14Zakaj gotovo umremo vsi in smo kakor voda, razlita po zemlji, ki se ne more več zbrati; tudi Bog ne jemlje življenja, ampak snuje načrte, da ne ostane tisti, ki je izgnan, izgnan od njega.
14Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
15Da sem pa prišla govorit to gospodu svojemu, kralju, zgodilo se je, ker me je ljudstvo strašilo; in dekla tvoja je mislila: Govorila bom vsaj s kraljem, morebiti izpolni kralj prošnjo svoje dekle.
15Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.
16Kajti kralj usliši deklo svojo, da me otme iz roke moža, ki hoče zatreti mene in sina mojega z menoj iz dediščine Božje.
16Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova nomen'Andriamanitra.
17Zato si je rekla dekla tvoja: Beseda gospoda mojega, kralja, mi bodi v pomirjenje; zakaj kakor angel Božji je gospod moj, kralj, da razpozna dobro in hudo. In GOSPOD Bog tvoj bodi s teboj.
17Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
18Tedaj odgovori kralj in reče ženi: Ne taji mi, prosim, kar te bom vprašal. In žena reče: Govori naj, prosim, gospod moj, kralj.
18Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19Kralj pa vpraša: Ni li roka Joabova s teboj v vsem tem? In žena odgovori ter reče: Kakor res živi duša tvoja, gospod moj, kralj, ni ga človeka ne na desnici, ne na levici razen onega, ki ga je imenoval gospod moj, kralj: zakaj hlapec tvoj Joab mi je zapovedal in je položil vse te besede v usta dekle tvoje.
19Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao amin'izany rehetra izany?]
20Da se obrne lice te stvari, je hlapec tvoj Joab storil to; a gospod moj je moder, kakor je modrost angela Božjega, da zna za vse, kar se godi na zemlji.
20Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany.
21In kralj veli Joabu: Glej torej, storil sem to reč; zato pojdi in pripelji mladeniča Absaloma nazaj!
21Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
22In Joab pade z obrazom na tla in stori poklon in blagoslovi kralja in reče: Danes je spoznal hlapec tvoj, da sem našel milost v tvojih očeh, gospod moj, kralj, v tem, da je kralj izpolnil prošnjo hlapca svojega.
22Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.
23In vstane Joab in odide v Gesur in pripelje Absaloma v Jeruzalem.
23Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
24Kralj pa veli: Naj krene v hišo svojo, a mojega obličja naj ne vidi! In Absalom je krenil v hišo svojo, a kraljevega obličja ni videl.
24Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
25V vsem Izraelu pa ga ni bilo moža, ki bi se smel hvaliti zaradi lepote kakor Absalom: od stopala do temena ni bilo hibe na njem.
25Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
26In kadar si je dal striči glavo (to se je zgodilo vsako leto; ker so mu bili lasje pretežki, so jo morali striči), so tehtali lasje njegove glave dvesto seklov, po kraljevi tehtnici.
26Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
27In Absalomu so se rodili trije sinovi in ena hči, po imenu Tamara: ta je bila žena lepe postave.
27Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
28In Absalom je prebival v Jeruzalemu dve celi leti in ni videl kraljevega obličja.
28Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan'ny mpanjaka ihany izy.
29Tedaj pošlje Absalom po Joaba, da bi ga poslal h kralju, a ni hotel priti k njemu; in pošlje še enkrat, a ni hotel priti.
29Ary Absaloma dia naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
30Zatorej reče hlapcem svojim: Glejte, Joabova njiva je poleg moje in raste ječmen na njej: pojdite in jo zažgite. In Absalomovi hlapci so požgali njivo.
30Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
31Nato vstane Joab in pride na dom k Absalomu ter mu reče: Zakaj so požgali hlapci tvoji mojo njivo?
31Ary Joaba niainga nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo?
32In Absalom odgovori Joabu: Glej, poslal sem k tebi, veleč: Pridi sem, da te pošljem h kralju sporočit: Čemu sem prišel iz Gesurja? Bolje bi mi bilo, da bi bil še tam. Zdaj torej poskrbi, da vidim obličje kraljevo; ako je pa krivica na meni, naj me umori!Joab torej stopi h kralju in mu to pove. In ko ga pokliče, pride Absalom h kralju in se mu pokloni z obrazom do tal, in kralj poljubi Absaloma.
32Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
33Joab torej stopi h kralju in mu to pove. In ko ga pokliče, pride Absalom h kralju in se mu pokloni z obrazom do tal, in kralj poljubi Absaloma.
33Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.