Slovenian

Malagasy

2 Samuel

15

1A potem se zgodi, da si oskrbi Absalom voz in konj in petdeset mož, da bi tekali pred njim.
1[Ny niodinan'i Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
2In Absalom je vstajal zgodaj in postajal pri poti v vrata, in kadar je kdo imel pravdo, ki je imela priti pred kralja v razsodbo, ga je Absalom poklical k sebi in vprašal: Iz katerega mesta si? In odgovori: Hlapec tvoj je iz enega rodov Izraelovih.
2Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.
3Absalom mu pa reče: Glej, tvoja stvar je dobra in pravična; a ni ga postavljenega od kralja, ki bi te zaslišal.
3Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.
4Tudi je Absalom dejal: O da bi me postavili za sodnika v deželi, da pride k meni vsak, kdor ima pravdo ali tožbo, in jaz bi mu poskrbel za pravico!
4Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
5In če je kdo pristopil, da mu stori poklon, je iztegnil svojo roko ter ga zadržal in ga poljubil.
5Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
6In na ta način je delal Absalom vsem Izraelcem, ki so prihajali h kralju na sodbo, in tako je kradel zase srca mož Izraelovih.
6Ary toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
7In ko se mu je končalo štirideseto leto, reče Absalom kralju: Prosim, naj grem v Hebron in izvršim obljubo svojo, ki sem jo storil GOSPODU.
7Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah. [Na: (efa-taona)]
8Hlapec tvoj je namreč storil obljubo, ko je bival v Gesurju v Siriji, rekši: Ako me GOSPOD res pripelje spet v Jeruzalem, storim službo GOSPODU.
8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.
9In kralj mu veli: Pojdi v miru! Vstane torej in gre v Hebron.
9Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
10Poslal pa je bil Absalom oglednike po vseh rodovih Izraelovih s poveljem: Kadar začujete trombe glas, recite: Zakraljeval je Absalom v Hebronu!
10Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
11Z Absalomom pa je šlo iz Jeruzalema dvesto mož, ki so bili povabljeni in so šli v nedolžnosti svoji, ne da bi bili kaj vedeli za to reč.
11Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
12In Absalom pošlje po Ahitofela Gilonskega, svetnika Davidovega, naj pride iz mesta svojega, iz Gila, ko je klal daritve. In zarota se je jačila, ker se je ljudstvo bolj in bolj množilo pri Absalomu.
12Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.
13V tem pride glasnik in sporoči Davidu: Srce mož Izraelovih se je vdalo Absalomu.
13Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
14In David reče vsem hlapcem svojim, ki so bili pri njem v Jeruzalemu: Vstanite, bežímo! sicer nam ne bo rešitve pred Absalomom. Hitite, da gremo, da nas ne prenagli in dohiti in spravi nesrečo nad nas in udari mesto z ostrino meča.
14Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
15In kraljevi hlapci mu reko: Glej, hlapci tvoji store, karkoli izvoli gospod moj, kralj.
15Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
16In kralj gre iz mesta in vsa družina njegova za njim; samo deset žen, priležnic, je pustil doma, naj čuvajo hišo.
16Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.
17Gre torej kralj iz mesta in vse ljudstvo peš za njim, in ustavijo se pri Skrajni hiši.
17Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
18In vsi hlapci njegovi so šli mimo njega, tudi vsi Keretejci in Peletejci in vsi Gatovci, šeststo mož, ki so bili prišli v spremstvu njegovem iz Gata, so šli pred obličjem kraljevim.
18Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
19Tedaj reče kralj Itaju Gatovcu: Čemu greš tudi ti z nami? Vrni se in ostani pri kralju! Zakaj tujec si, pa tudi prognanec; vrni se v svoj kraj!
19Ary hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin'ny fonenanao.
20Šele včeraj si prišel, in danes že naj bi te pustil hoditi semtertja z nami, ker moram iti kamorkoli. Vrni se in pelji nazaj brate svoje; milost in resnica bodi s teboj!
20Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
21A Itaj odgovori kralju in reče: Kakor res GOSPOD živi in kakor živi gospod moj, kralj, gotovo, kjerkoli bode gospod moj, kralj, najsi gre za smrt ali za življenje, tam bode tudi hlapec tvoj!
21Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao.
22In David veli Itaju: Pridi in pojdi naprej! Šel je torej Itaj Gatovec naprej in vsi možje njegovi in vsi otročiči, ki so bili ž njim.
22Ary hoy Davida tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
23In vsa dežela je jokala z velikim glasom, in vse ljudstvo je šlo čez potok. In kralj preide čez potok Kidron, tudi vse ljudstvo preide, proti potu v puščavo.
23Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny lalana mankany an-efitra.
24In glej, Zadok je tudi prišel in vsi leviti ž njim, nesoč skrinjo zaveze Božje; in postavili so skrinjo Božjo, in Abiatar je šel gori, dokler ni prešlo vse ljudstvo, kar ga je šlo iz mesta.
24Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
25Kralj pa veli Zadoku: Nesi skrinjo Božjo nazaj v mesto! Ako najdem milost v očeh GOSPODOVIH, me privede nazaj in mi jo zopet da videti in njeno prebivališče;
25Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
26ako mi pa poreče takole: Nisi mi po volji – glej, tu sem, naj stori z mano, kakor se mu vidi prav.
26Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
27Še reče kralj Zadoku duhovniku: Nisi li videc? Vrni se v mesto v miru in dva sinova tvoja s teboj, Ahimaaz, sin tvoj, in Jonatan, sin Abiatarjev.
27Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin'ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak'i Abiatara.
28Glej, počakam pri brodih ob puščavi, da pride vest od vas in mi sporočite.
28Indro, izaho hijanonjanona eny amin'ny fitàna any amin'ny efitra mandra-pahatongan'izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.[Na: tani-hay]
29Zadok torej in Abiatar sta zopet odnesla skrinjo Božjo v Jeruzalem, in ostala sta tam.
29Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
30David pa je šel gori po pobočju Oljske gore in je grede jokal, in glavo je imel pokrito in je šel bos; in vse ljudstvo, ki je bilo pri njem, je šlo gori s pokritimi glavami in je gredoč jokalo.
30Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
31In nekdo oznani Davidu, rekoč: Ahitofel je med zarotniki z Absalomom. David pa reče: O GOSPOD, prosim, obrni svet Ahitofelov v neumnost!
31Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela.
32In zgodi se, ko dospe David na vrh, kjer so molili Boga, glej, Husaj Arkičan mu pride naproti in suknjo je imel raztrgano in glavo posuto s prstjo.
32Ary nony tonga teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
33In David mu reče: Ako pojdeš z menoj, mi bodeš v težavo;
33ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
34ako se pa povrneš v mesto in porečeš Absalomu: Hlapec tvoj hočem biti, o kralj; kakor sem bil doslej očeta tvojega hlapec, bodem zdaj tvoj hlapec, ovržeš meni v prid svet Ahitofelov.
34fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon'ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon'i Ahitofela.
35Ne bodeta li tam s teboj Zadok in Abiatar, duhovnika? Zatorej, karkoli začuješ iz hiše kraljeve, naznani Zadoku in Abiatarju, duhovnikoma!
35Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
36Glej, imata ondi pri sebi dva svoja sinova, Ahimaaza Zadokovega in Jonatana Abiatarjevega: po njiju mi sporočite, karkoli boste slišali.Odide torej Husaj, prijatelj Davidov, v mesto. In Absalom je prišel v Jeruzalem.
36Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.
37Odide torej Husaj, prijatelj Davidov, v mesto. In Absalom je prišel v Jeruzalem.
37Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.