Slovenian

Malagasy

2 Samuel

16

1In ko je David postopil malo dalje od vrha, glej, Ziba, hlapec Mefibosetov, mu pride naproti z dvema osedlanima osloma in na njiju pelje dvesto hlebov kruha in sto gruč suhih grozdov in stotino posušenih sadov in meh vina.
1[] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.[Na: siny hoditra]
2In kralj vpraša Ziba: Kaj hočeš s tem? In Ziba reče: Osla sta za kraljevo družino, da bo na njiju jezdila, kruh pa in sadje za jed mladeničem, in vino, da bodo pili tisti, ki opešajo v puščavi.
2Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra.
3In kralj vpraša: Kje pa je tvojega gospodarja sin? In Ziba reče kralju: Glej, ostal je v Jeruzalemu; zakaj dejal je: Danes mi povrne hiša Izraelova mojega očeta kraljestvo.
3Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.
4Nato veli kralj Zibu: Glej, vse, kar ima Mefiboset, bodi tvoje! In Ziba reče: Poklanjam se! Da najdem milost v tvojih očeh, gospod moj, kralj!
4Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
5In ko pride kralj David v Bahurim, glej, izide odondod mož iz rodovine hiše Savlove, po imenu Simej, sin Gerov; izide in grede preklinja.
5Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana.
6In kamene je lučal na Davida in na vse hlapce kralja Davida; in vse ljudstvo Davidovo in vsi junaki so mu bili ob desnici in ob levici.
6Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany.
7In tako je govoril Simej, ko je preklinjal: Pojdi, pojdi, krvoločnik in mož Belijalov!
7Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
8GOSPOD ti je povrnil vso kri hiše Savlove, na čigar mestu si zakraljeval, in GOSPOD je dal kraljestvo v roko Absalomu, sinu tvojemu, in glej, tičiš v nesreči svoji, ker si krvoločnik.
8Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
9Tedaj reče Abisaj, sin Zervijin, kralju: Zakaj bi smel ta mrtvi pes preklinjati gospoda mojega, kralja? Dovoli, da stopim tja in mu odsekam glavo!
9Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
10Kralj pa reče: Kaj imam z vama opraviti, sinova Zervijina? Ko preklinja in ko mu je rekel GOSPOD: Prekolni Davida! kdo pa sme reči: Zakaj tako delaš?
10Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
11še reče David Abisaju in vsem hlapcem svojim: Poglej, sin moj, ki je prišel iz osrčja mojega, mi streže po življenju, koliko bolj ta Benjaminec! Pustite ga, naj kolne; zakaj GOSPOD mu je velel.
11Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
12Morda pogleda GOSPOD mojo revo in mi poplača GOSPOD z dobrim za to, da me kolne danes.
12Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)]
13Tako je šel David svojim potom z ljudmi svojimi; Simej pa je šel ob strani gore njemu nasproti in je grede preklinjal in lučal kamene na Davida in metal prah.
13Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
14Ko pa je kralj in ves ljud, ki je bil pri njem, dospel utrujen tja, se je okrepčal ondi.
14Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy]
15Absalom pa in vse ljudstvo, vsi možje Izraelovi, so bili prišli v Jeruzalem, in Ahitofel ž njim.
15[Ny nataon'i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan'i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
16In ko pride Husaj Arkičan, prijatelj Davidov, k Absalomu, reče Absalomu: Živel kralj! Živel kralj!
16Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
17Absalom pa reče Husaju: To li je milost tvoja s prijateljem tvojim? Zakaj nisi šel s prijateljem svojim?
17Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao?
18Husaj pa odgovori Absalomu: Nikar, temuč kogar je izvolil GOSPOD in to ljudstvo in vsi možje Izraelovi, njegov bodem in pri njem ostanem!
18Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
19In drugič, komu naj bi služil? Ne li pred obličjem sinu njegovega? Kakor sem bil sluga pred očetom tvojim, tako bodem pred teboj.
19Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
20In Absalom veli Ahitofelu: Svetuj, kaj nam je storiti?
20Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
21Ahitofel reče Absalomu: Pojdi k priležnicam očeta svojega, ki jih je pustil, da čuvajo hišo; tako bo ves Izrael slišal, da si se omrzil očetu svojemu, in bodo roke vseh, ki so pri tebi, tem močnejše.
21Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao.
22Nato razpno Absalomu šator na strehi, in Absalom je šel k priležnicam očeta svojega pred očmi vsega Izraela.Svet Ahitofelov pa, ki ga je dajal v tistem času, je bil, kakor da bi kdo vprašal besedo Božjo: tako se je štelo vse svetovanje Ahitofelovo i pri Davidu i pri Absalomu.
22Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.
23Svet Ahitofelov pa, ki ga je dajal v tistem času, je bil, kakor da bi kdo vprašal besedo Božjo: tako se je štelo vse svetovanje Ahitofelovo i pri Davidu i pri Absalomu.
23Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.