1Dalje reče Ahitofel Absalomu: Dovoli, da si izberem dvanajst tisoč mož in vstanem ter hitim za Davidom še nocoj.
1Ary hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an'i Davida anio alina;
2In planem nanj, dokler je truden in slab, ter ga prestrašim; in ko vse ljudstvo, ki je pri njem, zbeži, udarim kralja samega,
2ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
3vse ljudstvo pa pripeljem nazaj k tebi. Ko pogine mož, ki ga iščeš, se vsi povrnejo k tebi, in pride vsemu ljudstvu mir.
3dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4To se je zdelo dobro Absalomu in vsem starejšinam Izraelovim.
4Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.
5Tedaj reče Absalom: Pokliči, prosim, še Husaja Arkičana, in zaslišimo, kaj on pravi.
5Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6Ko pride Husaj k Absalomu, mu pove Absalom, rekoč: Tako in tako je svetoval Ahitofel. Ali naj storimo po besedah njegovih? Ako ne, govóri ti!
6Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7In Husaj reče Absalomu: Ni dober svet, ki ga je dal Ahitofel takrat.
7Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity.
8Še reče Husaj: Poznaš očeta svojega in ljudi njegove, da so junaki in srdite narave kakor medvedka na polju, ko so ji mladiče vzeli; oče tvoj je tudi vojščak in ne bo nočeval pri ljudstvu.
8Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina.
9Glej, lahko se je skril v kako jamo ali kam drugam; in ako se zgodi, da padejo nekateri iz njih kar s početka, kdorkoli zasliši, poreče: Poboj je bil med ljudstvom, ki je šlo za Absalomom.
9Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma,
10Tako pa upade srce vsakomur, tudi če je kdo sicer hraber in ima srce kakor lev; zakaj ves Izrael ve, da je junak oče tvoj in tisti, ki so pri njem, da so vrli vojščaki.
10ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
11Ali jaz svetujem, da spraviš k sebi vsega Izraela od Dana do Bersebe, ki ga je po množini kakor peska ob morju, in ti sam pojdi v boj.
11Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika.
12In tako ga naskočimo v kakem kraju, kjer ga zalotimo, in ga zalezemo, kakor rosa pade na zemljo, da ne preostane od njega in od vseh njegovih niti eden mož.
12Dia ho tonga ao aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy.
13Ako pa bi se umaknil v kako mesto, naj ves Izrael potegne vrvi okrog tistega mesta in ga povlečemo v potok, da se ne najde ne kamenček od njega.
13Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.
14Tedaj reko Absalom in vsi možje Izraelovi: Svet Husaja Arkičana je boljši nego svet Ahitofelov. Zakaj GOSPOD je tako obrnil, da je bil ovržen dobri svet Ahitofelov, zato, da spravi GOSPOD nesrečo nad Absaloma.
14Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.
15Husaj pa reče Zadoku in Abiatarju, duhovnikoma: Tako in tako je svetoval Ahitofel Absalomu in starejšinam Izraelovim, in takole sem svetoval jaz.
15Dia hoy Hosay tamin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy.
16Zatorej pošljita hitro k Davidu in mu sporočita: Ne ostani to noč pri brodih ob puščavi, temuč vsekakor pojdi na ono stran, da ne bo požrt kralj z ljudstvom, ki je pri njem.
16Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.[Na: tani-hay]
17Jonatan pa in Ahimaaz sta stala pri studencu Rogelu, in dekla je hodila in jima poročala; zakaj nista se smela prikazati, da hodita v mesto. In šla sta ter oznanila kralju Davidu.
17Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin'i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy.
18A neki deček ju zagleda in pove Absalomu; odideta torej hitro in stopita v hišo nekega moža v Bahurimu, ki je imel vodnjak na dvorišču; in spustita se vanj.
18Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.
19In žena vzame odejo in jo razgrne čez vodnjakovo odprtino in jo posuje z raztolčenim žitom, da se nič ne spozna.
19Ary nalain'ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.
20Ko pa pridejo Absalomovi hlapci k ženi v hišo in vprašajo: Kje sta Ahimaaz in Jonatan? odgovori žena: Šla sta čez potoček! In ju iščejo; ko pa ju ne morejo najti, se vrnejo v Jeruzalem.
20Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
21In ko so odšli, stopita onadva gori iz vodnjaka ter gresta in naznanita kralju Davidu in mu rečeta: Vstanite, hitro pojdite čez vodo; kajti tako je svetoval zoper vas Ahitofel.
21Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo.
22Tedaj vstane David in vse ljudstvo, ki je bilo pri njem, in prebredejo Jordan. Ko se je zjutraj svitalo, niso pogrešili ne enega, ki bi ne bil prišel čez Jordan.
22Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka ,azy, ka nita an'i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.
23Ko pa je videl Ahitofel, da ne delajo, kakor je bil svetoval, osedla osla ter vstane in odide domov v mesto svoje in uredi hišo svojo ter se obesi, in je umrl in je bil pokopan v grobu očeta svojega.
23Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy.
24David pa je dospel v Mahanaim. In Absalom je šel čez Jordan, on in vsi možje Izraelovi ž njim.
24[Ny nandresena an'i Absaloma, sy ny nahafatesany] Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an'i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay nanaraka azy.
25In Absalom je postavil Amasa nad vojsko namesto Joaba. Bil pa je Amasa sin moža, čigar ime je bilo Jitra Izraelit, ki je bil šel k Abigaili, hčeri Nahasovi, sestri Zervije, matere Joabove.
25Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.[Na: Ismaelita; izahao 1 Tan. ii. 17]
26Izrael z Absalomom pa se je utaboril v Gileadski deželi.
26Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin'ny tany Gileada.
27In ko je David prišel v Mahanaim, so prinesli Sobi, sin Nahasov iz Rabe sinov Amonovih, in Mahir, sin Amielov iz Lodebarja, in Barzilaj Gileadčan iz Rogelima
27Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
28postelje, medenice, lončene posode, pšenice, ječmena, moke, opraženega zrnja, boba, leče, praže,medu, masla, ovac in sira za živež Davidu in ljudstvu, ki je bilo pri njem; zakaj dejali so: Ljudstvo je lačno, trudno in žejno v puščavi.
28Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy [erva lenta]sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.[Na: rononomandrin'omby]
29medu, masla, ovac in sira za živež Davidu in ljudstvu, ki je bilo pri njem; zakaj dejali so: Ljudstvo je lačno, trudno in žejno v puščavi.
29sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.[Na: rononomandrin'omby]