1David pa sešteje ljudstvo, ki je bilo pri njem, in mu postavi poveljnike nad tisoč in poveljnike nad sto.
1Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.
2In David odpošlje ljudstvo, tretjino pod roko Joabovo, tretjino pod roko Abisaja, sina Zervije, brata Joabovega, in tretjino pod roko Itaja Gatovca. In kralj reče ljudstvu: Tudi jaz pojdem vsekakor z vami!
2Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin'i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin'i Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin'Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
3A ljudstvo reče: Ne pojdeš! Zakaj če pobegnemo, jim ne bode mar za nas; tudi če nas polovica pogine, ne bodo marali za nas; temuč ti si kakor nas deset tisoč. Zatorej je bolje, da boš pripravljen priskočiti nam v pomoč iz mesta.
3Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
4Kralj jim reče: Kar se vam zdi najboljše, storim. In kralj se ustopi pri vratih, in vse ljudstvo gre ven po sto in po tisoč.
4Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.
5In kralj zapove Joabu in Abisaju in Itaju, rekoč: Milo mi ravnajte z mladeničem, z Absalomom! In vse ljudstvo je slišalo, ko je kralj zapovedoval vsem poveljnikom za Absaloma.
5Ary ny mpanjaka nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma.
6Šlo je torej ljudstvo na polje v boj proti Izraelu, in bitka se je začela v Efraimskem gozdu.
6Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin'ny Isiraely, ka rafitra tao amin'ny alan'i Efraima ny ady;
7In ljudstvo Izraelovo je bilo ondi poraženo pred hlapci Davidovimi, in bil je tam velik poboj tisti dan, ker je padlo dvajset tisoč mož.
7ary resy tao ny lehilahy amin'ny Isiraely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
8Zakaj boj se je ondi razširil po vsej deželi, in gozd je požrl več ljudstva tisti dan, nego jih je pobil meč.
8Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin'ny ala androtrizay dia be noho ny matin'ny sabatra.
9Primeri se pa, da sreča Absalom hlapce Davidove. In Absalom je jezdil na mezgu svojem, in mezg je prišel pod debele veje košatega hrasta, in Absalomu je obtičala glava na hrastu, da je visel med nebom in zemljo, kajti mezg je izpod njega zdirjal.
9Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
10In neki mož vidi to in oznani Joabu in reče: Glej, videl sem Absaloma, da visi na hrastu.
10Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma.
11Joab pa veli možu, ki mu je povedal: Glej, ako si ga videl, zakaj ga nisi ondi pobil na zemljo? In jaz bi ti bil dal deset srebrnikov in pas.
11Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
12Mož pa odvrne Joabu: Da si mi odštel tisoč srebrnikov na roko, ne bi bil hotel iztegniti roke zoper sina kraljevega; zakaj kralj je pred našimi ušesi zapovedal tebi in Abisaju in Itaju, rekoč: Pazite, da se nihče ne dotakne mladeniča Absaloma!
12Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo.
13Sicer pa, ako bi bil storil kaj žalega zoper življenje njegovo (kajti nič ne ostane kralju skrito), ti sam bi stal zoper mene.
13Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.[Na: ho nahafoy ahy]
14Nato reče Joab: Ne bom tu časa tratil s teboj! In vzame tri sulice v roko in jih zasadi Absalomu v srce, ko je še živel viseč na hrastu.
14Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo terebinta izy.
15In deset mladeničev, oprod Joabovih, stopi okoli Absaloma in ga bijejo in umore.
15Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian'i Joaba, nanodidina an'i Absaloma ka namely azy ho faty.
16In Joab zatrobi v trobento, in ljudstvo se vrne, da ne podi več Izraela; zakaj Joab je zadržal ljudstvo.
16Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran'i Joaba izy.
17In vzamejo Absaloma ter ga vržejo v veliko jamo v gozdu in nanosijo nanj velik kup kamenja. In ves Izrael je bežal, vsak v šator svoj.
17Dia nalain'ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin'ny lainy avy.
18Absalom pa si je bil še za življenja svojega oskrbel in postavil spomenik, ki je v Kraljevi dolini; zakaj dejal je: Nimam sina, da se ohrani imena mojega spomin! In imenoval je tisti spomenik z imenom svojim, in imenuje se Absalomov spomenik do današnjega dne.
18Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan'ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran'ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an'i Absaloma no anarany mandraka androany.
19Ahimaaz pa, sin Zadokov, reče: Dovoli, da tečem in sporočim kralju, da mu je GOSPOD storil pravico in ga otel iz roke njegovih sovražnikov.
19[Ny nandrenesan'i Davida ny nahafatesan'i Absaloma sy ny hamafin'ny alahelony azy] Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony.
20A Joab mu veli: Danes nisi poročevalec dobrega! Drugi dan lahko sporočiš blago vest, a danes nimaš kaj dobrega oznaniti, ker je kraljev sin mrtev.
20Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
21Potem veli Joab Kušitu: Pojdi, povej kralju, kar si videl! In Kušit se prikloni Joabu in teče.
21Ary hoy Joaba tamin'ilay Kosita: Andeha, ambarao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan'i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
22Tedaj reče Ahimaaz, sin Zadokov, zopet Joabu: Bodisi kakorkoli, dovoli, da tečem tudi jaz za Kušitom! Joab pa reče: Čemu hočeš tja teči, sin moj! Saj nimaš poročila, ki bi zanje dobil pohvalo.
22Fa Ahimaza, zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
23On reče: Bodisi kakorkoli, potečem! In mu veli: Teci! In teče Ahimaaz po ravnini in prehiti Kušita.
23Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita.
24David pa je sedel med dvojimi vrati. In stražar stopi na streho od vrat, na obzidju, povzdigne oči in gleda; in glej, mož teče sam.
24Ary Davida nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
25In stražar zakliče in oznani kralju. Kralj pa reče: Ako je sam, je dobro oznanilo v njegovih ustih. Ko pa ta prihaja bliže in bliže,
25Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
26zagleda stražar drugega moža tekočega, in zakliče vratarju in reče: Glej, mož teče sam! Kralj pa veli: Tudi ta ima dobro oznanilo.
26Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
27In stražar reče: Zdi se mi, da tek prvega je kakor tek Ahimaaza, sina Zadokovega. In kralj veli: Dober mož je in prihaja z dobrim poročilom.
27Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
28In Ahimaaz zakliče in reče kralju: Mir! Potem se pokloni pred kraljem z obrazom do tal in pravi: Hvaljen bodi GOSPOD, Bog tvoj, ki nam je izdal može, ki so vzdignili roko svojo zoper gospoda mojega, kralja.
28Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko.
29In kralj vpraša: Je li dobro mladeniču Absalomu? Ahimaaz pa odgovori: Ko je Joab pošiljal kraljevega hlapca, mene, hlapca tvojega, sem videl velik hrup, pa ne vem, kaj je bilo.
29Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
30Kralj veli: Stopi strani in stoj tu! In stopi tja in obstoji.
30Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.
31Glej, v tem pride Kušit in reče: Vesela vest gospodu mojemu kralju! Zakaj GOSPOD ti je danes pravico storil in te otel iz roke vseh, ki so se vzdignili zoper tebe.
31Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao.Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
32Kralj pa vpraša Kušita: Je li dobro z mladeničem Absalomom? In Kušit odvrne: Zgodi se naj kakor temu mladeniču sovražnikom gospoda mojega kralja in vsem, ki se vzdigujejo zoper tebe, da ti store hudo!In kralju se zelo užali in stopi v hram nad vrati in joče; in grede govori: O sin moj Absalom, sin moj, sin moj Absalom! Ah, da bi bil jaz umrl zate! O Absalom, sin moj, sin moj!
32Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
33In kralju se zelo užali in stopi v hram nad vrati in joče; in grede govori: O sin moj Absalom, sin moj, sin moj Absalom! Ah, da bi bil jaz umrl zate! O Absalom, sin moj, sin moj!