1In prigodi se, da je bil ondi mož Belijalov, po imenu Seba, sin Bikrijev, Benjaminec; ta zatrobi v trobento in reče: Ni nam deleža pri Davidu, ne dediščine pri sinu Jesejevem. Vsak v šator svoj, o Izrael!
1Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak'i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin'i Davida na lova amin'ny zanak'i Jese; samia mody any amin'ny lainy avy, ry Isiraely ô.
2Tedaj se vsi možje Izraelovi vzdignejo, da ne bi šli za Davidom, ter odidejo za Sebom, Bikrijevim sinom; ali možje Judovi so se držali kralja svojega od Jordana do Jeruzalema.
2Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
3In David pride v hišo svojo v Jeruzalemu. In vzame kralj tistih deset žen priležnic, ki jih je bil popustil, da čuvajo hišo, in jih da v varstvo, ter jih je oskrboval z živežem, a ni hodil k njim. Tako so bile zaprte do dne smrti svoje, živeč v vdovstvu.
3Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
4Nato veli kralj Amasu: Skliči mi može Judove na tretji dan, tudi sam pridi sem!
4Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5In Amasa odide sklicat Judovce, a se zamudi, da ni prišel ob določenem času.
5Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
6Tedaj reče David Abisaju: Sedaj nam bo Seba, sin Bikrijev, več škodoval nego Absalom. Vzemi gospoda svojega hlapce in híti za njim, da si ne pridobi utrjenih mest ter nam uskoči izpred oči.
6Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
7šli so torej za njim možje Joabovi in Keretejci in Peletejci in vsi junaki; šli so iz Jeruzalema, da zasledujejo Seba, sina Bikrijevega.
7Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.[Heb. Keretita sy Peletita]
8Ko so bili pri tistem velikem kamenu, ki je v Gibeonu, jim pride Amasa naproti. Joab pa je bil oblečen v vojaško suknjo in čeznjo prepasan s pasom in na njem je visel meč v nožnici ob bedru njegovem, in ko je postopil, se je meč iztaknil.
8Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
9In Joab reče Amasu: Se ti li dobro godi, brat moj? In Joab prime z desnico Amasa za brado, da ga poljubi.
9Ary hoy Joaba tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
10Amasa pa ni opazil meča, ki je bil v roki Joabovi, in on ga je ž njim pobodel pod rebra, da so se mu čreva izsula na zemljo, in ni ga pobodel v drugič; in je umrl. A Joab in Abisaj, brat njegov, sta se gnala za Sebom, sinom Bikrijevim.
10Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
11In eden iz Joabovih hlapcev stopi poleg Amasa in reče: Kdor ljubi Joaba in kdor je za Davida, naj gre za Joabom!
11Ary ny zatovon'i Joaba anankiray nijanona teo anilan'ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin'i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an'i Joaba.
12Amasa pa se je valjal v krvi svoji sredi ceste. In ko je videl mož, da se ustavlja vse ljudstvo, odnese Amasa s ceste na polje ter vrže nanj oblačilo, videč, da se ustavi, kdorkoli gre mimo.
12Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
13Ko je torej bil odpravljen s ceste, je šlo vse ljudstvo naprej za Joabom, da pode Seba, sina Bikrijevega.
13Ary nony nafindrany niala teo amin'ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
14Ta pa je bil šel skozi vse rodove Izraelove do Abela in Betmaaka in skozi ves kraj Berimcev; in zbrali so se in šli tudi za njim.
14Ary izy nandeha namaky ny firenen'Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an'ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
15Oni pa so prišli ter ga oblegli v Abel-Betmaaki in so napravili nasip okoli mesta, da je stal proti zidovju; in vse ljudstvo, ki je bilo z Joabom, je podkopalo zid, da bi ga podrli.
15Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.
16Tedaj zakliče modra žena iz mesta: Čujte, čujte! Recite Joabu: Pristopi sem, da govorim s teboj!
16Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
17In on se ji približa. Žena pa vpraša: Si li ti Joab? Odgovori: Sem. Tedaj mu reče: Čuj besede dekle svoje! On reče: Poslušam.
17Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
18Tedaj govori ona, rekoč: V starih časih so rekali: Povprašajte za svet v Abelu! In s tem so končali vsako stvar.
18Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin'ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
19Jaz sem eno iz miroljubnih in zvestih mest v Izraelu, in ti hočeš ugonobiti mesto in mater v Izraelu? Zakaj hočeš požreti dediščino GOSPODOVO?
19Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?
20In Joab odgovori in reče: Nikakor ne, nikakor ne, da bi jaz požiral ali razdeval!
20Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
21Stvar ni taka, ampak mož z Efraimskega gorovja, Seba, sin Bikrijev, po imenu, je vzdignil roko svojo zoper kralja, zoper Davida. Izročite njega samega, in odidem od mesta. In žena reče Joabu: Glej, glava njegova se ti bo vrgla čez zid.
21Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany, zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
22Nato gre žena in govori vsemu ljudstvu v modrosti svoji. In odsekajo glavo Sebu, sinu Bikrijevemu, in jo vržejo ven Joabu. In zatrobi na trobento, in razidejo se od mesta, vsak v mesto svoje. Joab pa se vrne v Jeruzalem h kralju.
22Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin'ny tanàna ny olona samy ho any amin'ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
23Bil pa je Joab nad vso vojsko Izraelovo, in Benaja, sin Jojadov, je bil nad Keretejci in Peletejci;
23[Ny mpanao raharaham-panjakan'i Davida] Ary Joaba no komandin'ny miaramila rehetra tamin'ny Isiraely; ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; [Heb. Keretita sy Peletita]
24in Adoram je bil nad robotniki, in Josafat, sin Ahiludov, je bil deželni letopisec,
24ary Adorama no komandin'ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
25in Seva je bil pisar, Zadok in Abiatar pa sta bila duhovnika,tudi Ira Jairski je bil prvi dvornik Davidu.
25ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.[Na: mpisorona]
26tudi Ira Jairski je bil prvi dvornik Davidu.
26ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.[Na: mpisorona]