1In bila je lakota tri leta v dnevih Davidovih, leto za letom; in David je iskal obličja GOSPODOVEGA. In GOSPOD je dejal: Zaradi Savla je to in zaradi krvi, prelite od hiše njegove, ker je pomoril Gibeončane.
1[Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan']
2In kralj pokliče Gibeončane in govori ž njimi. (Gibeončani pa niso bili izmed sinov Izraelovih, ampak iz ostanka Amorejcev, in sinovi Izraelovi so jim prisegli mir. Toda Savel jih je poskušal iztrebiti v svoji gorečnosti za sinove Izraelove in Judove.)
2Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda),
3In David reče Gibeončanom: Kaj naj storim za vas? In s čim naj storim poravnavo, da boste blagoslovili dediščino GOSPODOVO?
3ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah?
4In Gibeončani mu reko: Ni nam za srebro ali za zlato v zadevi med nami in med Savlom in hišo njegovo, niti za to, da se kdo umori v Izraelu. In jim reče: Kar porečete, storim za vas.
4Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
5In reko kralju: Tistega moža, ki nas je pokončeval in ki je izmišljal zoper nas, da bi bili potrebljeni, da nas ne bo v nobenem kraju Izraelovem,
5Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra
6naj se nam da sedem iz sinov njegovih, in obesimo jih GOSPODU v Gibei Savlovi, v mestu izvoljenca GOSPODOVEGA. In kralj reče: Dam vam jih.
6no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
7Ali kralj je prizanesel Mefibosetu, sinu Jonatana, sina Savlovega, zaradi prisege GOSPODOVE, ki je bila med njima, med Davidom in Jonatanom, sinom Savlovim.
7Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly.
8Vzame pa kralj dva sinova Ricpe, hčere Ajeve, ki ju je rodila Savlu, Armonija in Mefiboseta, in pet sinov Mihale, hčere Savlove, ki jih je rodila Adrielu, sinu Barzilaja Meholačana,
8Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, izay naterany tamin'i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak'i Mikala, zanakavavin'i Saoly, izay naterany tamin'i Adriela, zanak'i Barzilay Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19]
9in jih da Gibeončanom v roke, in obesijo jih na gori pred GOSPODOM, in poginilo je teh sedem skupaj; in bili so usmrčeni ob žetvi, v prvih dneh, ko se je začela ječmenova žetev.
9dia natolony teo an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
10A Ricpa, hči Ajeva, vzame raševnik in si ga razgrne na skali, od začetka žetve dotlej, ko je voda kapljala z neba na obešence, in ni dopustila ptičem nebeškim, da sedejo nanje po dne, ne zverinam poljskim po noči.
10Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
11In povedali so Davidu, kaj je storila Ricpa, hči Ajeva, priležnica Savlova.
11Ary nambara tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly.
12In David odide in vzame kosti Savlove in kosti Jonatana, sinu njegovega, od meščanov v Jabesu v Gileadu, ki so jih bili ukradli z ulic v Betsanu, kjer so ju Filistejci obesili v dan, ko so umorili Savla na Gilboi;
12Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa.
13in prinese odondod kosti Savlove in kosti Jonatana, sina njegovega. Zbrali so tudi kosti tistih, ki so bili obešeni.
13Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo.
14In pokopali so kosti Savlove in Jonatana, sina njegovega, v pokrajini Benjaminovi v Zeli, v grobu Kisa, očeta njegovega, in storili so vse, kar je kralj zapovedal. In potem se je dal Bog izprositi za deželo.
14Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany.
15In Filistejci so zopet začeli vojno z Izraelom. In David gre doli in služabniki njegovi ž njim in se bojujejo zoper Filistejce. In David je bil utrujen,
15[Ny herim-pon'ny mpiadin'i Davida raha niady tamin'ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.
16in Isbibenob, ki je bil iz sinov velikana, čigar sulica je tehtala tristo seklov brona, in je bil opasan z novim mečem, je nameraval ubiti Davida.
16Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.
17Ali Abisaj, sin Zervijin, mu je prišel v pomoč in je udaril Filistejca ter ga ubil. Tedaj so prisegli Davidu možje njegovi, rekoč: Nikdar več ne pojdeš z nami v boj, da ne ugasneš svetila Izraelu.
17Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely.
18In zgodi se potem, da je bila zopet vojna s Filistejci v Gobu; tedaj je Sibekaj Husajec ubil Safa, ki je bil iz sinov velikanov.
18Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin'ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an'i Safa, izay isan'ny taranaky ny Refaita.
19In zopet je bila vojna s Filistejci v Gobu, in Elhanan, sin Jaare-orgimov, Betlehemčan, je ubil brata Goliata Gatovca, čigar suličišče je bilo kakor tkalsko vratilo.
19Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5]
20In zopet je bila vojna v Gatu, kjer je bil mož velike postave, ki je imel na vsaki roki šest in na vsaki nogi šest prstov, štiriindvajset po številu; tudi ta se je bil rodil velikanu.
20Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.
21Ko pa je ta sramoto kidal na Izraela, ga je ubil Jonatan, sin Simeja, brata Davidovega.Ti štirje so se rodili velikanu v Gatu, in padli so po roki Davidovi in po roki služabnikov njegovih.
21Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin'i Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.
22Ti štirje so se rodili velikanu v Gatu, in padli so po roki Davidovi in po roki služabnikov njegovih.
22Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.