Slovenian

Malagasy

Daniel

2

1In v drugem letu kraljevanja Nebukadnezarjevega je imel Nebukadnezar sanje; in duh njegov se vznemiri in spanje ga mine.
1[Ny nofin'i Nebokadnezara, sy ny nilazan'i Daniela ny hevitr'izany] Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2Tedaj veli kralj, naj pokličejo pismouke in rotilce in čarodeje in Kaldejce, da povedo kralju sanje njegove. Pridejo torej in se postavijo pred kraljem.
2Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.
3In kralj jim reče: Imel sem sanje in duh moj je vznemirjen, da bi se zavedel tistih sanj.
3Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4Nato ogovore Kaldejci kralja po sirski [Ali: aramejski.]: Kralj, žívi vekomaj! Povej nam, hlapcem svojim sanje, pa ti oznanimo razlago.
4Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
5Kralj odgovori in reče Kaldejcem: Stvar je pri meni gotova: ako mi ne oznanite sanj in njih razlage, boste na kosce razsekani in hiše vam bodo izprevrnjene v gnojišča;
5Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
6ako pa razodenete sanje in jih razložite, prejmete od mene darove, plačilo in veliko čast. Zato mi oznanite sanje in njih razlago!
6Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
7Odgovore drugič in reko: Kralj naj pove hlapcem svojim sanje, pa oznanimo razlago.
7Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
8Kralj odgovori in reče: Za gotovo vem, da hočete pridobiti časa, ker vidite, da je pri meni trden sklep:
8Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
9Če mi ne oznanite sanj, ostane za vas le ena sodba; zakaj namenili ste se govoriti lažnive in mamljive besede pred menoj, dokler se ne premeni čas. Zatorej mi povejte sanje, in vedel bom, da mi morete oznaniti njih razlago.
9Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro]
10Kaldejci odgovore pred kraljem in reko: Ni človeka na zemlji, ki bi mogel razodeti stvar kraljevo; kajti noben kralj, še tako velik in mogočen, ni nikdar zahteval take stvari od katerega koli pismouka ali rotilca ali Kaldejca.
10Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin']
11Saj stvar, ki jo kralj zahteva, je pretežka; in nikogar ni drugega, ki bi jo pred kraljem mogel razodeti, razen bogov, katerih domovanje ni pri mesu!
11Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
12Zaradi tega se kralj raztogoti in bridko srdit zapove, naj pomoré vse modrijane v Babilonu.
12Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
13In povelje je izšlo, in začeli so moriti modrijane; in iščejo Daniela in tovariše njegove, da jih usmrté.
13Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
14Tedaj odgovori Daniel previdno in modro Ariohu, glavarju telesne straže kraljeve, ki je šel morit modrijane babilonske;
14Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;
15izpregovori in reče Ariohu, mogočniku kraljevemu: Zakaj tako prenaglo kraljevo povelje? Tedaj razloži Arioh Danielu stvar.
15eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny.
16Nato stopi Daniel noter in si izprosi od kralja, da mu dovoli rok, ob katerem mu oznani razlago.
16Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
17Potem gre Daniel v hišo in razloži stvar tovarišem svojim Hananiju, Misaelu in Azariju:
17Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
18da si izprosijo od Boga nebes usmiljenje zastran te skrivnosti, da bi ne poginili Daniel in tovariši njegovi z drugimi babilonskimi modrijani vred.
18mba hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
19Nato je bila Danielu v ponočni prikazni razodeta tista skrivnost. In Daniel je hvalil Boga nebes.
19Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
20Daniel izpregovori in reče: Hvaljeno bodi ime Božje od vekomaj do vekomaj! Zakaj njegova je modrost in moč;
20Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
21in on izpreminja čase in ure, on odstavlja kralje in postavlja kralje, modrost daje modrim in razumnim razumnost,
21Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]
22razodeva globoke in skrite stvari; on ve, kar je v temi, in pri njem je zgolj svetloba.
22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
23Tebe, o Bog očetov mojih, zahvaljujem in slavim, da si mi dal modrost in moč in si mi sedaj oznanil, česar smo te prosili: zakaj ti si nam oznanil stvar kraljevo.
23Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
24Zategadelj je šel Daniel noter k Ariohu, ki ga je bil kralj postavil, da pomori babilonske modrijane; vstopi in mu reče takole: Ne móri modrijanov babilonskih; pelji me pred kralja, in oznanim kralju razlago.
24Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25Tedaj pripelje Arioh Daniela hitro pred kralja in mu reče takole: Našel sem moža med ujetniki z Judovega, ki bo povedal kralju razlago.
25Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
26Kralj odgovori in reče Danielu, ki mu je bilo ime Beltsazar: Si li tisti, ki mi moreš povedati sanje, kakor sem jih videl, in njih razlago?
26Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
27Daniel izpregovori pred kraljem in reče: Skrivnosti, za katero je kralj vpraševal, ne morejo kralju oznaniti modrijani, rotilci, pismouki in čarodeji.
27Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
28Ali Bog je v nebesih, ki razodeva skrivnosti, in on je oznanil kralju Nebukadnezarju, kar se zgodi v poslednjih dneh. Tvoje sanje in prikazni tvoje glave na ležišču tvojem so bile te:
28kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
29Tebi, o kralj, je bilo v mislih na ležišču tvojem, kaj se bo godilo po tem času; in on, ki razodeva skrivnosti, ti je oznanil, kaj se zgodi.
29Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
30Kar se pa tiče mene, ta skrivnost se mi ni razodela vsled modrosti, ki bi v meni bila mimo vseh živečih, temuč zategadelj, da se kralju oznani razlaga in ti zveš srca svojega misli.
30Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31Ti, o kralj, si videl, in glej: podoba velika. Ta podoba, ogromna in prelepe svetlosti, je stala proti tebi in bila je videti grozna.
31Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
32Te podobe glava je bila iz čistega zlata, prsi in rami njeni iz srebra, trebuh njen in ledje iz brona,
32Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
33stegna njena iz železa, noge njene nekaj iz železa in nekaj iz ila.
33ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34Gledal si, dokler se ni kamen odtrgal brez rok in je udaril podobo na njene noge, železne in ilovnate, ter jih je razdrobil.
34Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35Tedaj je hkratu bilo razdrobljeno železo, il, bron, srebro in zlato, in bilo je kakor pleve na gumnu po leti: veter je odnesel vse, da temu ni bilo najti sledu. Kamen pa, ki je bil udaril podobo, je postal velika gora in je napolnil vso zemljo.
35Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja]
36To so tiste sanje; njih razlago pa hočemo povedati pred kraljem:
36Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
37Ti, o kralj, si kralj kraljev, ki mu je dal Bog nebes kraljestvo, moč in oblast in slavo;
37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38in kjerkoli bivajo sinovi človeški, poljske zveri in ptice nebeške, tebi jih je dal v roko in tebe postavil za vladarja njim vsem – ti si tista glava iz zlata.
38ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
39A za teboj nastopi drugo kraljestvo, slabše od tvojega, in potem tretje kraljestvo iz brona, ki bo gospodovalo vsej zemlji.
39Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
40In četrto kraljestvo bode močno kakor železo; prav kakor železo zdrobi in razbije vse, tako bo ono, enako razruševalnemu železu, zdrobilo in razrušilo vse tisto.
40Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41In da si videl noge in prste deloma iz lončarjevega ila in deloma iz železa, pomeni, da bode razdeljeno kraljestvo; ali bode v njem nekaj trdnosti železa, kajti videl si železo zmešano z ilovino.
41Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42In kakor prsti na nogah, deloma iz železa in deloma iz ila, tako bode kraljestvo deloma močno, deloma razdrobljivo.
42Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43Da si pa videl železo zmešano z ilovino, pomeni, da se bodo med seboj mešali z ženitvijo, pa se vendar ne bodo držali drug drugega, kakor se železo ne more zmešati z ilom.
43Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
44A v dneh teh kraljev ustanovi Bog nebes kraljestvo, ki vekomaj ne bo razdejano in njegovo gospostvo se ne prepusti nobenemu drugemu ljudstvu; vsa ona kraljestva pa zdrobi in uniči, a samo bo stalo na veke:
44Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
45prav kakor si videl, da se je raz goro odtrgal kamen brez človeških rok in je zdrobil železo, bron, il, srebro in zlato. Véliki Bog je oznanil kralju, kaj se zgodi po tem času; in resnične so tiste sanje in njih razlaga zanesljiva.
45Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
46Tedaj pade kralj Nebukadnezar na obraz in se pokloni Danielu in zapove, naj mu darujejo jedilno daritev in kadilo.
46Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
47Kralj odgovori Danielu in reče: V resnici vaš Bog je Bog bogov in kraljem Gospod in razodevalec skrivnosti, ker si mogel razodeti to skrivnost.
47Ny mpanjaka namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
48Potem je poveličal kralj Daniela in mu dal mnogo velikih darov ter ga postavil za vladarja nad vso pokrajino Babilonsko in za prvega načelnika vsem modrijanom v Babilonu.Daniel pa je prosil kralja, in ta je poveril poslovodstvo pokrajine Babilonske Sadrahu, Mesahu in Abednegu; a Daniel je bil na dvoru kraljevem.
48Ary tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben'ny mpanapaka ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.
49Daniel pa je prosil kralja, in ta je poveril poslovodstvo pokrajine Babilonske Sadrahu, Mesahu in Abednegu; a Daniel je bil na dvoru kraljevem.
49Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.