Slovenian

Malagasy

Daniel

3

1Nebukadnezar kralj je napravil podobo iz zlata, šestdeset komolcev visoko, šest komolcev široko; postavil jo je v ravnini Duri, v pokrajini Babilonski.
1[Ny nanipazana an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
2Nato je Nebukadnezar kralj poslal sklicat namestnike, deželne glavarje in oblastnike, višje sodnike, blagajnike, svetovalce, pravoznance in vse višje uradnike v pokrajinah, da pridejo k posvečevanju podobe, ki jo je bil postavil Nebukadnezar kralj.
2Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
3Zbero se torej namestniki, deželni glavarji in oblastniki, višji sodniki, blagajniki, svetovalci, pravoznanci in vsi višji uradniki v pokrajinah k posvečevanju podobe, ki jo je postavil Nebukadnezar kralj; in stali so pred podobo, ki jo je postavil Nebukadnezar.
3Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
4In glasnik je klical na vso moč: Vam se ukazuje, o ljudstva, narodi in jeziki:
4Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
5Brž ko zaslišite glas roga, piščali, citer, sambuke, strun, soglasnic in vsaktere godbe, padite in molite podobo zlato, ki jo je postavil Nebukadnezar kralj.
5Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
6Kdor pa ne pade in ne moli, zdajci bo vržen v gorečo, razbeljeno peč.
6ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
7Zatorej so padla, brž ko so slišali glas roga, piščali, citer, sambuke, strun in vsaktere godbe, vsa ljudstva, narodi in jeziki, poklanjajoč se podobi zlati, ki jo je postavil Nebukadnezar kralj.
7Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
8Zato pristopijo tisti čas kaldejski možje, ki tožijo Jude.
8Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.[Ar. nihinana ny nofon']
9Izpregovore in reko kralju Nebukadnezarju: Kralj, žívi vekomaj!
9Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
10Ti si, o kralj, izdal povelje, naj vsak, kdor zasliši glas roga, piščali, citer, sambuke, strun, soglasnic in katere koli godbe, pade in moli podobo zlato;
10Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;
11in kdor ne pade in ne moli, bodi vržen v gorečo, razbeljeno peč.
11fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
12So pa tu judovski možje, ki si jim poveril poslovodstvo pokrajine Babilonske: Sadrah, Mesah in Abednego; ti možje, o kralj, se ne menijo zate: tvojim bogovom ne služijo in podobe zlate, ki si jo postavil, ne molijo.
12Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
13Tedaj zapove Nebukadnezar, srdit in togoten, naj privedejo k njemu Sadraha, Mesaha in Abednega. In pripeljejo te može pred kralja.
13Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
14Nebukadnezar izpregovori ter jim reče: Je li z namenom, Sadrah, Mesah in Abednego, da ne služite mojim bogovom in ne molite podobe zlate, ki sem jo postavil?
14Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako?
15Sedaj pa, ako ste pripravljeni, kadar zaslišite glas roga, piščali, citer, sambuke, strun, soglasnic in vsaktere godbe, da padete in molite podobo, ki sem jo napravil, dobro; ako pa je ne boste molili, zdajci boste vrženi v gorečo, razbeljeno peč. In kdo je tisti bog, ki vas otme iz roke moje?
15Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
16Sadrah, Mesah in Abednego odgovore in reko kralju: Nebukadnezar, ni nam treba tebi odgovarjati v tej reči.
16Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
17Bodisi, da nas Bog naš, ki mu služimo, more oteti iz goreče, razbeljene peči – in on nas otme iz tvoje roke, o kralj!
17Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.
18bodisi da ne, znano bodi tebi, kralj, da ne bomo služili bogovom tvojim in podobe zlate, ki si jo postavil, ne bomo molili!
18Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
19Tedaj se Nebukadnezar napolni jeze in pogled njegovega obličja se izpremeni zoper Sadraha, Mesaha in Abednega. In izpregovori pa veli, naj razbelijo peč sedemkrat bolj nego sicer.
19Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
20In ukaže možem, najmočnejšim možem v vojski svoji, naj zvežejo Sadraha, Mesaha in Abednega ter jih vržejo v gorečo, razbeljeno peč.
20Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
21Zvežejo torej tiste može v njih spodnjih in vrhnjih suknjah in plaščih in v drugih njih oblačilih in jih vržejo v gorečo, razbeljeno peč.
21Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
22Vsled tega pa, ker je bilo kraljevo povelje naglo in peč nenavadno razgreta, je plamen umoril tiste može, ki so nesli gori Sadraha, Mesaha in Abednega.
22ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra]
23A ti trije možje, Sadrah, Mesah in Abednego, so padli zvezani v sredo goreče, razbeljene peči.
23Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
24Tedaj se prestraši Nebukadnezar kralj, hitro vstane in izpregovori ter reče svetovalcem svojim: Nismo li vrgli treh mož zvezanih v ogenj? Odgovore in reko kralju: Res je, o kralj!
24Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
25Odgovori in reče: Glejte, vidim štiri može razvezane, hodeče posredi ognja, in ni jim nič zlega; in četrti je videti kakor sin bogov.
25Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.
26Nato stopi Nebukadnezar pred isteje razbeljene peči, izpregovori in veli: Sadrah, Mesah in Abednego, Najvišjega Boga služabniki, pojdite ven in pridite sem! Tedaj pridejo Sadrah, Mesah in Abednego ven iz ognja.
26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
27In namestniki, deželni glavarji in oblastniki in svetovalci kraljevi so se zbrali in so videli, da ni imel ogenj nobene moči do njih teles: lasje na njih glavah niso bili osmojeni, tudi njih spodnje suknje se niso nič izpremenile in smod ognja jih ni bil prešinil.
27Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy.
28Nebukadnezar izpregovori in reče: Hvaljen bodi Bog Sadrahov, Mesahov in Abednegov, ki je poslal angela svojega in otel služabnike svoje, ki so upali vanj in prestopili povelje kraljevo in žrtvovali telesa svoja, da ne bi služili nobenemu bogu in ga ne molili razen le svojega Boga.
28Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
29Zatorej bodi moja zapoved: V vsakem ljudstvu, narodu ali jeziku, kdor bi izrekel kaj pregrešnega zoper Boga Sadrahovega, Mesahovega in Abednegovega, bodi na kosce razsekan in hiša mu bodi izprevrnjena v gnojišče; zato ker ni drugega boga, ki more tako rešiti kakor ta.Nato je kralj povišal Sadraha, Mesaha in Abednega v pokrajini Babilonski.
29Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
30Nato je kralj povišal Sadraha, Mesaha in Abednega v pokrajini Babilonski.
30Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
31[Ny nofy nananaran'Andriamanitra an'i Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan'izany nofy izany] Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
32Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
33Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.