1To so postave in sodbe, na katere vam je paziti, da jih izpolnjujete v deželi, ki ti jo je dal GOSPOD, Bog tvojih očetov, da jo posedete, vse dni, dokler boste živeli na zemlji.
1[Ny amin'ny handravana izay zavatra momba ny fivavahana amin'ny sampy, ary ny amin'ny hivavahana amin'Andriamanitra ao amin'izay tany fidiny] IZAO no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.
2Ugonobite docela vse kraje, v katerih so narodi, ki jih dobite v last, služili svojim bogovom, na visokih gorah, na hribih in pod vsakim zelenim drevesom;
2Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
3in zrušite njih oltarje in zdrobite njih poslikane stebre in z ognjem požgite njih Ašere in podobe njih bogov posekajte, tudi njih ime potrebite iz teh krajev.
3Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.
4Ne delajte pa tako GOSPODU, svojemu Bogu,
4Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
5temuč iščite njegovo prebivališče na mestu, ki si ga izvoli GOSPOD, vaš Bog, izmed vseh rodov vaših, da ustanovi ondi ime svoje. In tja prihajajte,
5Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
6tja tudi prinašajte žgalščine in klalščine in desetine svoje in podvig iz rok svojih in obljube svoje in prostovoljna darila in prvorojeno govedi in drobnice svoje,
6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo;
7in tam jejte pred GOSPODOM, svojim Bogom, ter veselite se vi in vaše rodbine vsega pridelka svojih rok, ki ti ga je blagoslovil GOSPOD, tvoj Bog.
7ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
8Ne delajte tako, kakor delamo mi danes tu, vsakdo, karkoli se mu vidi prav:
8Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
9zakaj zdaj še niste prišli v pokoj in v dediščino, ki ti jo da GOSPOD, tvoj Bog.
9Fa ianareo tsy mbola tonga any amin'ny fitsaharana sy ny lova izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
10Toda ko preidete Jordan in boste prebivali v deželi, ki vam jo pripravlja v dediščino GOSPOD, vaš Bog, in ko vam da pokoj pred vsemi vašimi sovražniki naokrog, da boste prebivali brez skrbi,
10Fa rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka monina any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan'ady amin'ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
11tedaj bodi tako: na mesto, ki si ga izvoli GOSPOD, vaš Bog, da bi ondi prebivalo njegovo ime, tja prinašajte vse, kar vam zapovedujem: žgalne in klalne daritve in desetine svoje in podvig iz rok svojih in vso izbiro obljub, ki jih obetate GOSPODU;
11dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin'i Jehovah.
12in veselite se pred GOSPODOM, svojim Bogom, vi in vaši sinovi in hčere in vaši hlapci in dekle in levit, ki je v vašem mestu, ker on nima deleža, ne dediščine kakor vi.
12Dia hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
13Varuj se, da ne daruješ žgalnih daritev svojih na katerembodi mestu, ki ga ugledaš,
13Mitandrema mba tsy haterinao eny amin'izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
14temuč na mestu, ki ga GOSPOD izvoli v enem tvojih rodov, ondi daruj žgalščine in ondi izvršuj vse, kar ti zapovedujem.
14fa eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah ihany amin'ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
15Vendar pa smeš po vsej želji duše svoje klati in jesti meso v vseh svojih mestih, po blagoslovu GOSPODA, svojega Boga, ki ti ga je dodelil; čisti in nečisti naj jé od tega, kakor od srne in od jelena.
15Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin'ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
16Samo krvi ne jejte, na zemljo jo izlijte kakor vodo.
16Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano.
17Ne smeš jesti v svojih mestih desetine žita in vina in olja svojega, ne prvostorjenega govedi in drobnice svoje, ne vseh obljub, ki jih obljubiš, ne prostovoljnih daril, ne podviga rok svojih;
17Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
18ampak uživaj jih pred GOSPODOM, svojim Bogom, na mestu, ki si ga izvoli GOSPOD, tvoj Bog, ti in sin tvoj in hči tvoja, hlapec tvoj in dekla tvoja in levit, ki je v tvojem mestu, in veséli se pred GOSPODOM, svojim Bogom, vsega pridelka svojih rok.
18Fa eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra hanin'ny tananao.
19Varuj se, da ne zapustiš levita vse dni, dokler živiš na zemlji svoji.
19Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin'ny andro rehetra hiainanao amin'ny taninao.
20Ko razširi GOSPOD, tvoj Bog, tvoje meje, kakor ti je obljubil, in porečeš: Hočem jesti meso, ker poželi tvoja duša jesti meso, po vsej želji svoje duše smeš jesti meso.
20Raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin'ny fanahinao ianao.
21Ako bode daleč od tebe mesto, ki si ga izvoli GOSPOD, tvoj Bog, da tja umesti svoje ime, tedaj smeš klati od govedi in drobnice, ki ti jo je dal GOSPOD, kakor sem ti velel, in jesti v mestu svojem po vsej želji duše svoje.
21Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin'ny fanahinao izany.
22Kakor ješ srno in jelena, tako jej od tega; nečisti in čisti naj enako jesta.
22Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
23Samo v tem bodi neupogljiv, da ne ješ krvi, zakaj kri je duša, in ne smeš jesti duše z mesom.
23Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin'ny hena ianao.
24Ne jej je torej, na zemljo jo izlij kakor vodo.
24Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin'ny tany toy ny rano izy;
25Ne jej je, da bi se dobro godilo tebi in tvojim otrokom za teboj, ko boš delal, kar je prav v očeh GOSPODOVIH.
25eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
26Samo svete reči svoje, kar jih imaš, in obljube svoje vzemi in pridi na mesto, ki si ga izbere GOSPOD;
26Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah.
27in daruj žgalne daritve svoje, meso in kri, na oltarju GOSPODA, svojega Boga; in kri tvojih žrtev naj se izlije na oltar GOSPODA, tvojega Boga, meso pa smeš užiti.
27Ary atero eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran'ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
28Hrani in poslušaj vse te besede, ki ti jih zapovedujem, da se bo dobro godilo tebi in tvojim otrokom za teboj do vekomaj, ko delaš, kar je dobro in prav v očeh GOSPODA, Boga tvojega.
28Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
29Ko iztrebi GOSPOD, tvoj Bog, narode pred teboj ondi, kamor greš, da posedeš njih last, in ko se jih polastiš in se naseliš v njih deželi,
29Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny,
30varuj se, da se ne zapleteš v zanko, posnemaje jih, potem ko bodo pokončani izpred tebe, ter da ne vprašaš po njih bogovih, govoreč: Kako so služili ti narodi svojim bogovom? tudi jaz hočem kakor oni delati.
30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.
31Ne delaj tako GOSPODU, svojemu Bogu, zakaj vse, kar je GOSPODU gnusoba, kar on sovraži, so delali svojim bogovom; saj so celo svoje sinove in hčere sežigali v ognju bogovom svojim.Na vse, karkoli vam zapovedujem, pazite, da izpolnjujete; ničesar ne pristavi in tudi ne vzemi od tega.
31Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny.
32Na vse, karkoli vam zapovedujem, pazite, da izpolnjujete; ničesar ne pristavi in tudi ne vzemi od tega.