Slovenian

Malagasy

Deuteronomy

13

1Ako vstane sredi tebe prorok ali kdor ima sanje in ti pokaže znamenje ali čudež
1Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
2in se zgodi tisto znamenje ali čudo, za katero ti je pravil, rekoč: Pojdimo za drugimi bogovi, katerih nisi poznal, in služimo jim!
2[Ny amin'ny fampijaliana izay mivavaka amin'ny sampy na mitaona ny sasany hivavaka aminy] Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
3ne poslušaj besed takega proroka ali tistega, ki ima sanje; zakaj GOSPOD, vaš Bog, vas izkuša, da se spozna, ali ljubite GOSPODA, svojega Boga, iz vsega srca svojega in iz vse duše svoje.
3sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
4Za GOSPODOM, svojim Bogom, hodite, njega se bojte, njegove zapovedi hranite in njegov glas poslušajte, njemu služite in njega se oklepajte.
4dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
5Tisti prorok pa ali tisti sanjač mora umreti, zato ker je svetoval odpad zoper GOSPODA, vašega Boga, ki vas je izpeljal iz dežele Egiptovske in vas odkupil iz hiše sužnosti, da bi te pahnil s pota, po katerem ti je zapovedal GOSPOD hoditi. Tako odpraviš hudo izmed sebe.
5Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
6Ako te izpodbuja na skrivnem tvoj brat, sin matere tvoje, ali tvoj sin, ali tvoja hči, ali žena, ki ti je v naročju, ali prijatelj, ki ti je kakor tvoje srce, govoreč: Pojdimo in služimo drugim bogovom, ki jih nisi poznal ne ti, ne očetje tvoji,
6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
7izmed bogov tistih ljudstev, ki so okoli tebe, bodisi blizu tebe ali daleč od tebe, od enega do drugega konca zemlje:
7Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
8ne vdaj se mu, tudi ga ne poslušaj, in naj se ga ne usmili oko tvoje, da bi mu prizanesel ali pa ga skrival,
8dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra),
9marveč umoriti ga moraš; tvoja roka bodi prva nad njim, da bo dan v smrt, in potem vsega ljudstva roka.
9dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
10S kamenjem ga posuješ, da umre, ker te je hotel odvrniti od GOSPODA, tvojega Boga, ki te je odpeljal iz dežele Egiptovske, iz hiše sužnosti:
10fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.
11da začuje to ves Izrael in se boji in nihče več ne počenja take hudobnosti sredi tebe.
11Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
12Ako zaslišiš, da kdo poreče o enem iz tvojih mest, ki ti jih GOSPOD, tvoj Bog, da v prebivanje:
12Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
13Neki možje, otroci Belijalovi [Belijal pomeni: ničvrednost, hudoba, poguba.], so prišli izmed naših in odvrnili prebivalce svojega mesta, govoreč: Pojdimo in služimo drugim bogovom, ki jih niste poznali;
13Raha mandre teny ianao ny amin'ny tanànanao anankiray izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:
14tedaj poišči, poizvedi in natanko izprašaj, in glej, resnično je in dokazano, da se je taka gnusoba storila sredi tebe:
14Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
15udari torej prebivalce tistega mesta z ostrino meča in s prokletjem ga pokončaj in vse, kar je v njem, tudi živino, z ostrino meča.
15dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,
16In ves plen iz njega zberi sredi njegovih ulic in sežgi z ognjem mesto in ves njegov plen dočista GOSPODU, svojemu Bogu; in grobljišče bodi vekomaj, nikoli več ne bodi sezidano.
16dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin'ny lelan-tsabatra.
17In od tega v prokletje izročenega naj se nič ne prime tvoje roke; da se obrne GOSPOD od togote svojega srda in ti izkaže usmiljenje in te pomiluje in te pomnoži, kakor je prisegel očetom tvojim,ker poslušaš glas GOSPODA, svojega Boga, da bi držal vse njegove zapovedi, ki ti jih jaz danes zapovedujem, delajoč, kar je prav v očeh GOSPODA, tvojega Boga.
17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan'ny kianja, ka doroy amin'ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
18ker poslušaš glas GOSPODA, svojega Boga, da bi držal vse njegove zapovedi, ki ti jih jaz danes zapovedujem, delajoč, kar je prav v očeh GOSPODA, tvojega Boga.
18Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin'ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin'ny razanao,raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.
19raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.