1Ko te pripelje GOSPOD, tvoj Bog, v deželo, v katero greš, da jo posedeš, in zatre mnoge narode pred teboj, Hetejce, Girgasejce, Amorejce, Kanaance, Ferizejce, Hevejce in Jebusejce, sedem narodov, večjih in močnejših, nego si ti,
1[Ny amin'ny handringanana ny Kananita] Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
2in ko ti jih izroči GOSPOD, tvoj Bog, in jih poraziš: tedaj jih pokončaš s prokletjem; ne skleni zaveze ž njimi, tudi se jih ne usmili.
2ary rehefa voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
3Ne skleni svaštva ž njimi: svoje hčere ne daj njegovemu sinu, niti njegove hčere ne vzemi sinu svojemu.
3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy.
4Zakaj one bodo zapeljale sinove tvoje, da bi služili tujim bogovom; tako se vname GOSPODOV srd zoper vas in vas hitro pokonča.
4Fa hampiala ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
5Ampak takole ravnajte ž njimi: poderite njih oltarje, zdrobite njih poslikane stebre in posekajte njih Ašere in njih izrezane podobe sežgite z ognjem.
5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo.
6Zakaj ti si sveto ljudstvo GOSPODU, Bogu svojemu; tebe si je izvolil GOSPOD, tvoj Bog, da mu boš ljudstvo lastnine izmed vseh ljudstev, kar jih je na površju zemlje.
6Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
7Ni se k vam GOSPOD nagnil v ljubezni in vas izvolil, ker je vas več bilo nego kateregasibodi ljudstva, saj si najmanjše med vsemi ljudstvi;
7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
8marveč ker vas GOSPOD ljubi in hoče ohraniti prisego, ki jo je prisegel vašim očetom, vas je izpeljal z mogočno roko in odrešil iz hiše sužnosti, iz roke Faraona, kralja egiptovskega.
8fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
9Vedi torej, da GOSPOD, tvoj Bog, sam je Bog, zvesti Bog mogočni, ki hrani zavezo in milost do tisoč rodov tistim, ki ga ljubijo in drže njegove zapovedi,
9Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,
10ki pa povrne svojim sovražilcem v lice, da jih pogubi; ne odlaša sovražilcu svojemu, kar v lice mu povrača.
10ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
11Hrani torej zapoved, postave in sodbe, ki ti jih danes zapovedujem, da jih izpolnjuj.
11Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12In zgodi se, ko boste poslušali te sodbe, jih hranili in izpolnjevali, da ti ohrani GOSPOD zavezo in milost, ki jo je s prisego obljubil tvojim očetom;
12Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin'ny razanao;
13ljubil te bo in te blagoslovil in razmnoževal; blagoslovil bo sad tvojega telesa in tvoje zemlje sad, žito, vino in olje tvoje, prirejo goved tvojih in drobnice tvoje, v deželi, ki jo je tebi dati prisegel tvojim očetom.
13dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao.
14Blagoslovljen boš mimo vseh ljudstev; ne bode med vami nerodovitnega in nerodovitne, tudi ne med tvojo živino.
14Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
15GOSPOD odvrne od tebe vsako bolezen in ne da, da bi te zadela katera kužnih egiptovskih bolezni, ki jih poznaš, ampak pošlje jih nad tvoje sovražilce.
15Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16In uničiš vsa ljudstva, katera ti izroči GOSPOD, tvoj Bog; oko tvoje naj jim ne prizanaša; tudi ne služi njih bogovom, zakaj to bi ti bilo v zanko.
16Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17Ako pa porečeš v srcu svojem: Močnejši po številu so ti narodi od mene, kako naj jih preženem?
17Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18nič se jih ne boj; dobro pomni, kar je storil GOSPOD, tvoj Bog, Faraonu in vsemu Egiptu:
18dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
19pomni velike izkušnje, ki so jih videle tvoje oči, in znamenja in čudeže in mogočno roko in ramo iztegnjeno, s katerimi te je izpeljal GOSPOD, tvoj Bog: enako stori GOSPOD, tvoj Bog, vsem narodom, katerih se bojiš.
19dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
20Tudi sršene pošlje GOSPOD, tvoj Bog, mednje, da poginejo še tisti, ki so preostali in ki so se poskrili pred teboj.
20Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
21Ne straši se jih, zakaj GOSPOD, tvoj Bog, je sredi tebe, mogočni Bog, veliki in grozni.
21Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22GOSPOD pa, tvoj Bog, zatre one narode pred teboj malo po malo; ne moreš jih mahoma pokončati, da se ne pomnože zoper tebe zveri na polju.
22Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
23A GOSPOD, tvoj Bog, ti jih izroči in napravi veliko zmešnjavo med njimi, dokler ne bodo iztrebljeni.
23Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
24Njih kralje ti da v pest, in storiš, da izgine njih ime izpod neba. Nihče se ti ne more ustavljati, dokler jih ne potareš.
24Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
25Podobe njih bogov sežgite z ognjem; srebra in zlata, ki je na njih, ne poželi, tudi si ga ne vzemi, da ne bi se s tem zapletel v zanko: zakaj to je gnusoba GOSPODU, tvojemu Bogu.In take gnusobe ne nosi v svojo hišo, da ne boš izročen prokletju, kakor je ona: nad vse mrzka in gnusna ti bodi, kajti prokleta je.
25Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany.Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
26In take gnusobe ne nosi v svojo hišo, da ne boš izročen prokletju, kakor je ona: nad vse mrzka in gnusna ti bodi, kajti prokleta je.
26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.