Slovenian

Malagasy

Deuteronomy

8

1Vso zapoved, ki ti jo danes zapovedujem, hrani in izpolnjuj, da bi živeli in se množili ter šli v deželo in se je polastili, ki jo je prisegel GOSPOD vašim očetom.
1[Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny Isiraely sy ny nampanetreny tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona izy ka manadino an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
2In spominjaj se vsega pota, po katerem te je vodil GOSPOD, tvoj Bog, teh štirideset let po puščavi, da bi te ponižal in izkusil, da spozna, kaj je v tvojem srcu, ali boš držal njegove zapovedi ali ne.
2Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
3In poniževal te je in te vodil v lakoto; in živil te je z mano, ki je nisi poznal ne ti, ne očetje tvoji, da ti pokaže, da ne živi človek ob samem kruhu, temuč ob vsem, kar prihaja iz ust Božjih.
3Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
4Obleka se ni prestarala na tebi in noga ti ni otekla teh štirideset let.
4Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
5Spoznaj torej v srcu svojem, da te strahuje GOSPOD, tvoj Bog, kakor strahuje mož svojega sina.
5Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
6In drži zapovedi GOSPODA, Boga svojega, hodeč po njegovih potih in boječ se njega.
6Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.
7Zakaj GOSPOD, tvoj Bog, te pelje v dobro deželo, v deželo potokov, studencev in jezer, ki izvirajo po dolinah in gorah,
7Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
8v deželo, kjer je dosti pšenice in ječmena, vinske trte in smokovih dreves in margaranovih jabolk, v deželo, kjer je obilo oljk in medú,
8tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,
9v deželo, kjer ne boš jedel kruha po siromaško, kjer ti ničesar ne bo manjkalo; v deželo, katere kameni so železo in ki iz njenih gorá lahko koplješ rude.
9tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
10In ko boš jedel in se nasitil, hvali GOSPODA, Boga svojega, za to dobro deželo, ki ti jo je dal.
10Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
11Varuj se, da ne pozabiš GOSPODA, Boga svojega, da ne bi držal njegovih zapovedi, sodb in postav, ki ti jih danes zapovedujem;
11dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
12da se ti ne bo, ko boš jedel in se nasitil, sezidal lepih hiš in v njih prebival,
12fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
13ko se ti pomnoži goved in drobnica ter poobili srebro in zlato ter poveča vse imetje tvoje,
13ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,
14da se ti ne bo prevzelo srce in pozabiš GOSPODA, Boga svojega, ki te je odpeljal iz dežele Egiptovske, iz hiše sužnosti;
14dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana,
15ki te je vodil po puščavi, veliki in grozoviti, kjer so ognjene kače in škorpijoni, žejna tla, a vode nobene; ki ti je dal vodo iz kremenite skale,
15Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,
16ki te je živil v puščavi z mano, ki je niso poznali očetje tvoji, da te poniža in izkusi, da bi ti dobro storil v tvoji prihodnosti –
16Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
17in ti bi govoril v srcu svojem: Moja moč in mojih rok krepkost mi je pridobila tole bogastvo!
17ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
18Ampak spominjaj se GOSPODA, Boga svojega, zakaj on je, ki ti podeljuje moč, da pridobiš bogastvo, da potrdi, kakor danes, zavezo svojo, ki jo je prisegel tvojim očetom.
18fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.
19Ako pa pozabiš GOSPODA, svojega Boga, in boš hodil za tujimi bogovi in jim služil ter jih molil, pričam zoper vas danes, da gotovo poginete;kakor narodi, ki jih GOSPOD daje v pogubo pred vami, enako poginete vi, ker niste hoteli poslušati glasu GOSPODA, svojega Boga.
19Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
20kakor narodi, ki jih GOSPOD daje v pogubo pred vami, enako poginete vi, ker niste hoteli poslušati glasu GOSPODA, svojega Boga.
20tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.