1Besede Propovednika, sinu Davidovega, kralja v Jeruzalemu.
1[Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2Ničemurnost nečimurna! pravi Propovednik; ničemurnost ničemurna, vse je ničemurno!
2Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
3Kaj ima dobička človek od vsega truda svojega, s katerim se trudi pod solncem?
3Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
4Rod mineva, rod prihaja, a zemlja vedno ostaja.
4Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5In solnce vzhaja in solnce zahaja in hiti k mestu svojemu, odkoder izhaja.
5Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
6Veter gre proti poldnevu in se obrača proti polnoči in kroži in kroži, in krožitve svoje vedno ponavlja veter.
6Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7Vse reke teko v morje, in morje se ne prepolni; v kraj, kamor teko reke, tja vedno in vedno teko.
7Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
8Vse stvari so trudapolne: človek ne more tega dopovedati; oko se ne nasiti gledanja, ne uho poslušanja.
8Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[Heb. Feno fahasasarana][Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain'ny olona lazaina]
9Kar je bilo, bode zopet, in kar se je storilo, se bo zopet storilo, in nič novega ni pod solncem.
9Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.
10Je li kaj, o čemer pravijo: Glej, to je novo? Zdavnaj je že bilo v vekih, ki so bili pred nami.
10Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
11Ni spomina prejšnjih rodov, in prihodnjim, ki še bodo, tudi ne bo spomina pri tistih, ki pozneje nastanejo.
11Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
12Jaz, Propovednik, sem bil kralj nad Izraelom v Jeruzalemu.
12[Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
13In obrnil sem srce svoje v to, da bi z modrostjo preiskoval in zasledoval vse, kar se godi pod nebom: težko opravilo, ki ga je naložil Bog sinom človeškim, da se ž njim ukvarjajo.
13ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.
14Videl sem vse dejanje, ki se godi pod solncem, in glej, vse je ničemurnost in lovljenje vetra.
14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
15Kar je krivo, se ne more zravnati, in česar ni, se ne more šteti.
15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]
16Govoril sem v srcu svojem in rekel: Glej, dobil sem veliko modrost in prekosil vse, ki so bili pred menoj v Jeruzalemu, in srce moje je videlo obilost modrosti in spoznanja.
16Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17In obrnil sem srce svoje v to, da spoznam modrost in da spoznam nespamet in neumnost: spoznal sem, da je tudi to lovljenje vetra.Zakaj pri mnogi modrosti je mnogo nejevolje, in kdor množi znanje, množi bolečino.
17Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
18Zakaj pri mnogi modrosti je mnogo nejevolje, in kdor množi znanje, množi bolečino.
18satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.