Slovenian

Malagasy

Proverbs

31

1Besede Lemuela kralja; proroški govor, s katerim ga je poučevala mati njegova.
1[Ny amin'ny tokony ho toetry ny mpanjaka] Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.[Na: Ny teny ho an'][Na: Lemoela, mpanjakan'i Masa, dia ilay]
2Kaj naj ti svetujem, sin moj? kaj pač, sin telesa mojega, in kaj, sin obljub mojih?
2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3Ne dajaj ženskam moči svoje in potov svojih pogubnicam kraljev!
3Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka.[Heb. lalanao][Na: izay zavatra]
4Ne spodobi se kraljem, o Lemuel, ne kraljem, da pijo vino, ne knezom, da vprašujejo: Kje je pijača opojna?
4Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
5Da ne bi, ko so pili, pozabili postave in prevračali pravice komu, ki je v nadlogi.
5Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6Dajajte močne pijače njemu, ki pogiblje, in vina njim, ki so v bridkosti duše;
6Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;
7pije naj in pozabi uboštvo svoje in se nadloge svoje ne spominja več.
7Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8Odpri usta svoja za nemega, za pravdo vseh osirotelih.
8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny;
9Odpri usta svoja, sodi pravično, potezaj se za pravico siromaku in potrebnemu.
9Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
10Vrlo ženo kdo najde? kajti visoko presega bisere cena njena.
10[Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: mahay][Na: perla]
11Zaupa ji srce moža njenega, in dobička mu ne zmanjka.
11Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12Ona mu izkazuje dobro in ničesar hudega vse dni življenja svojega.
12Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.
13Skrbi za volno in lan, in veselo dela z rokami svojimi.
13Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.
14Podobna je ladjam trgovskim: oddaleč prinaša hrano svojo.
14Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.
15In vstaja, ko je še noč, ter deli jed družini svoji in delo deklam svojim.
15Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.
16Ogleda si njivo in jo pridobi, in z dobičkom rok svojih si zasadi vinograd.
16Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17Z močjo opazuje ledje svoje in roke svoje utrjuje.
17Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
18Izkuša, da dober je prislužek njen: ne ugasne svetilnica njena ponoči.
18Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19Roke svoje izteguje po preslici in prsti njeni držé vreteno.
19Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
20Dlan svojo odpira ubogemu in potrebnemu podaja roke.
20Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
21Ne boji se snega za družino svojo, kajti vsa družina njena se oblači s karmezinasto volno.
21Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.
22Odeje si pripravlja, tenčica in škrlat je oblačilo njeno.
22Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23Znan je pri vratih mož njen, ko zboruje s starejšinami dežele.
23Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
24Tenko platno dela in prodaja, tudi pas izroča trgovcu.
24Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.[Heb. Kananita]
25Moč in dostojnost je obleka njena in smeje se časom prihodnjim.
25Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26Usta svoja odpira modro in ljubezni uk ji je na jeziku.
26Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
27Družine svoje pota pregleduje in lenobe kruha ne jé.
27Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
28Sinovi njeni vstajajo ter jo blagrujejo, mož njen jo hvali enako:
28Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29„Mnoge hčere so vrlo ravnale, ti pa jih vse presegaš!“
29Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.[Na: nahavory harena]
30Lažniva je prijetnost in ničeva lepota: žena, ki se boji GOSPODA, njej veljaj hvala!Dajte ji od sadú njenih rok in pri vratih naj jo hvalijo dela njena!
30Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
31Dajte ji od sadú njenih rok in pri vratih naj jo hvalijo dela njena!
31Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.