Slovenian

Malagasy

Proverbs

30

1Besede Agurja, Jakejevega sina; proroški govor. Govoril je mož Itielu, Itielu in Ukalu:
1[Ny tenin'i Agora] Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:[Na: Ny tenin'i Agora, zanak'i Jake, avy any Masa]
2Res, nespameten sem, bolj nego drugi, in umnosti človeške nimam,
2Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka ny biby aho]
3in nisem se učil modrosti in spoznanja Najsvetejšega nimam.
3Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.
4Kdo je šel gori v nebesa in zopet stopil doli? kdo je zbral veter v pesteh svojih? kdo je zvezal vode v oblačilo? kdo je določil vse meje zemlje? katero je ime njegovo in katero sina njegovega ime? Povej, če veš?
4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
5Vsak govor Božji je prečiščen: on je ščit njim, ki pribegajo k njemu.
5Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
6Ne pridevaj besedam njegovim, da te ne ustrahuje in te ne zasači v laži.
6Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
7Dvojega te prosim, ne odrekaj mi tega, dokler živim:
7Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
8Ničemurnost in besedo lažnivo odpravi daleč od mene; ne uboštva, ne bogastva mi ne dajaj, hrani me s kruhom, kolikor mi je potreba,
8Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
9da se ne presitim in, zatajivši Te, ne rečem: Kdo je GOSPOD? ali da ne obubožam in ne kradem in zlo ne rabim imena Boga svojega.
9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.
10Ne črni hlapca pred gospodom njegovim, da te ne bo klel in ne boš trpel za krivdo svojo.
10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11Je rod, ki kolne očeta svojega in matere svoje ne blagoslavlja.
11Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
12Je rod, ki je čist v svojih očeh, dasi ni opran nesnage svoje.
12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
13Je rod – o kako visoko gledajo njegove oči in trepalnice njegove se povzdigujejo!
13Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
14Je rod, čigar zobje so meči in kočniki njegovi noži, da požre uboge z zemlje in potrebne izmed ljudi.
14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.
15Pijavka ima dve hčeri: Daj, daj! Troje je nenasitno, in četvero, ki nikdar ne reče: Dovolj!
15Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
16Grob in maternica neplodna, zemlja, ki se ne napoji vode, in ogenj, ki ne pravi: Dovolj.
16Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]
17Oko, ki zasmehuje očeta in zameta pokorščino materi – izkljujejo krokarji potočni in požro mladi orli.
17Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.
18Troje mi je prečudno, in četvero, česar ne umejem:
18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
19pot orla pod nebom, pot kače na skali, pot ladje na morju globokem in moža pot k dekletu.
19Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.
20Enako je pot ženske, ki prešeštvuje! Ona jé, potem si obriše usta in pravi: Nisem storila krivice.
20Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21Pod trojim se giblje zemlja in pod četverim, česar ne more prenašati:
21Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
22pod hlapcem, ko postane kralj, in pod malopridnežem, ko ima zadosti kruha,
22Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
23pod zoprno žensko, ko se omoži, in pod deklo, ko se za dedinjo naredi gospodinji svoji.
23Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.[Heb. ankahalaina][Na: mandimby]
24To četvero je majhno na zemlji, ali modrejše od modrijanov:
24Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:
25mravlje, ljudstvo slabotno, vendar znašajo po leti hrano svojo:
25Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
26skalni jazbeci, ljudstvo nejako, vendar si delajo v skalovju hiše svoje;
26Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
27kobilice nimajo kralja, vendar gredó redoma skupaj;
27Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28kuščarica, ki jo lahko primeš z rokami, a biva v palačah kraljevih.
28Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.[Na: azonao samborin-tanana]
29To troje ima lepo hojo, in četvero lepo stopa:
29Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30lev, junak med živalmi, ki se nikomur ne umakne;
30Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
31z opasanim ledjem konj, tudi kozel, in kralj, pri katerem je sklicana vojska.
31Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina. [Heb. voafehy kibo][Na: otronin'ny vahoakany]
32Če si bil neumen, povzdigujoč sebe, ali si kaj slabega mislil, položi roko na usta!Kajti stiskanje mleka da maslo in nos stiskan izpusti kri: draženje pa rodi prepir.
32Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
33Kajti stiskanje mleka da maslo in nos stiskan izpusti kri: draženje pa rodi prepir.
33Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.