Slovenian

Malagasy

Esther

3

1Po teh dogodbah je kralj Ahasver velikega storil Hamana, sina Hamedata, Agagejca, in ga je povišal ter postavil stol njegov nad vse kneze, ki so bili pri njem.
1[Ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay, sy ny hevitra nataony handringanana ny Jiosy] Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
2In vsi hlapci kraljevi, ki so bili ob kraljevih vratih, so pripogibali kolena in padali na tla pred Hamanom, kajti tako je bil kralj zapovedal za njega. Ali Mardohej ni pripogibal kolen in ni padal na tla pred njim.
2Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
3Tedaj reko kraljevi hlapci, ki so bili ob kraljevih vratih, Mardoheju: Zakaj prestopaš kraljevo zapoved?
3Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
4In ko so mu tako vsak dan govorili in jih on ni slušal, naznanijo to Hamanu, da bi videli, bodo li obstale besede Mardohejeve; zakaj bil je jim povedal, da je Jud.
4Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.
5In ko je videl Haman, da Mardohej ne pripogiba kolen in se mu ne klanja do tal, se je ves razsrdil.
5Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
6A zdelo se mu je premalo, da se loti Mardoheja samega; zakaj oznanili so mu, katerega ljudstva je Mardohej; zato je nameraval pokončati vse Jude, ki so bili po vsej kraljevini Ahasverovi, narod Mardohejev.
6Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
7V prvem mesecu, ki je mesec Nisan, v dvanajstem letu kralja Ahasvera, so vrgli pur, to je žreb, pred Hamanom, vrgli so ga od dne do dne, od meseca do meseca, in zadeli so dvanajsti mesec, ki je mesec Adar.
7Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro isan'andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany)
8In Haman reče kralju Ahasveru: Neko ljudstvo živi razkropljeno in zase ločeno med ljudstvi po vseh deželah kraljestva tvojega, in njega postave so drugačne nego vseh ljudstev, in po kraljevih postavah se ne ravna; zato ni kralju v prid, če ga trpi.
8Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
9Ako je kralju ugodno, piši, da naj ga pogube; in jaz odtehtam deset tisoč talentov srebra v roke tistim, ki oskrbujejo kraljeva opravila, da ga neso v kraljevo zakladnico.
9koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.
10Tedaj si sname kralj prstan z roke ter ga da Hamanu, sinu Hamedata, Agagejcu, nasprotniku Judov.
10Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.
11In kralj reče Hamanu: Srebro bodi dano tebi, tudi tisto ljudstvo, da se ž njim stori, kar se ti dobro vidi.
11Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
12Nato pokličejo kraljeve pisarje trinajsti dan v prvem mesecu, in napisalo se je po vsem, kakor je velel Haman, namestnikom kraljevim in oblastnikom, ki so bili nad vsako pokrajino, in knezom vsakega ljudstva, za vsako pokrajino po njeni pisavi in vsakemu ljudstvu v njegovem jeziku; v imenu kralju Ahasvera je bilo pisano in zapečateno s kraljevim prstanom.
12Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
13In listi so bili poslani po hitrih slih v vse kraljeve pokrajine, da naj pokončajo, pomore in pogube vse Jude, mlade in stare, otročiče in žene, enega dne, na trinajsti dan dvanajstega meseca, ki je mesec Adar, in naj zaplenijo njih imetje.
13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
14In da bi se povelje izdalo v vsaki posamezni pokrajini, so objavili vsebino lista vsem ljudstvom, da naj bodo pripravljeni na ta dan.Brzi sli so hitro šli po besedi kraljevi, ko je bilo povelje izdano v Susanu v palači. Kralj in Haman pa sta sedla, da pijeta, mesto Susan pa je bilo zbegano.
14Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.[Na: dia novakina tamin']Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
15Brzi sli so hitro šli po besedi kraljevi, ko je bilo povelje izdano v Susanu v palači. Kralj in Haman pa sta sedla, da pijeta, mesto Susan pa je bilo zbegano.
15Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.