1Po teh dogodbah, ko se je pomiril srd kralja Ahasvera, se je spomnil Vaste in kar je bila storila in kar je bilo zanjo določeno.
1[Ny nifidianana an'i Estera ho vadin'i Ahasoerosy] Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
2Tedaj mu reko hlapci kraljevi, ki so mu stregli: Naj se kralju poiščejo mladenke, device, lepega obraza;
2Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
3in kralj naj postavi pooblaščence v vseh pokrajinah kraljevine svoje, da naj zbero vse lepe mladenke, device, v grad Susan v žensko hišo pod roko Hegaja, kraljevega komornika, varuha žen, in naj se jim dado potrebščine za očiščevanje;
3ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
4in katera devica se bo priljubila kralju, ta bodi kraljica namesto Vaste. Ta nasvet se je zdel dober kralju, in storil je tako.
4koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
5Bil je v gradu Susanu neki Jud, njega ime Mardohej, sin Jaira, sinu Simeja, sinu Kisa, Benjaminec,
5Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira, zanak'i Simey, zanak'i Kisy, avy tamin'ny taranak'i Benjamina,
6ki je bil odpeljan iz Jeruzalema z jetniki, kateri so bili na tuje odgnani z Jekonijem, kraljem Judovim, ki jih je peljal v ujetništvo Nebukadnezar, kralj babilonski.
6izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.
7Ta je redil Hadaso (ta je Estera), svojega strica hčer; zakaj ni imela ne očeta, ne matere. In ta mladenka je bila lepe postave in zalega obraza. In ko sta bila umrla njen oče in mati, si jo je Mardohej vzel za hčer.
7Ary izy nitaiza an'i Hadasa (Estera izany), zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin'i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
8In tako se zgodi, ko se je razglasila beseda kraljeva in njegova zapoved in ko so veliko deklic zbrali v grad Susan pod roko Hegajevo, da vzemo tudi Estero v kraljevo hišo pod varstvo Hegaja, varuha žen.
8Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
9In deklica mu je ugajala in našla milost pred njim. In podvizal se je, da ji da njene potrebščine za očiščevanje in njene deleže in sedem deklet, ki so bile zanjo izbrane iz kraljeve hiše; in prestavil jo je ž njenimi deklicami v najboljši kraj ženske hiše.
9Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
10Estera pa ni naznanila ljudstva svojega, ne rodovine svoje, zakaj Mardohej ji je bil zapovedal, naj tega ne pove.
10Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
11In Mardohej se je vsak dan izprehajal pred dvoriščem ženske hiše, da bi zvedel, ali se dobro vede Esteri in kaj se ž njo godi.
11Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran'i Estera sy izay anaovana azy.
12Ko pa je prišla vrsta posamezni deklici, da bi šla noter h kralju Ahasveru, potem ko so ji bili delali po določilu za žene dvanajst mesecev (kajti tako so se dopolnjevali dnevi njih očiščevanja, namreč šest mesecev z mirovim oljem in šest mesecev z dišavami in s čistilnimi mazili za ženske),
12Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy),
13tedaj je šla deklica h kralju; karkoli je želela, ji je bilo dano, da s tem odičena gre iz hiše ženske v hišo kraljevo.
13koa nony hiditra ao amin'ny mpanjaka ny zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny mpanjaka.
14Zvečer je šla in zjutraj se je vrnila v drugo žensko hišo pod roko Saasgaza, kraljevega komornika, ki je varoval priležnice; ni šla več h kralju, razen če si jo je kralj priljubil in je bila poklicana po imenu.
14Tamin'ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran'ny vehivavy, ho amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
15Ko pa je prišla vrsta na Estero, hčer Abihaila, strica Mardohejevega, ki si jo je bil vzel za hčer, ni zahtevala ničesar, samo kar je rekel Hegaj, komornik kraljev, varuh žen. In Estera si je pridobila milost v očeh vseh, ki so jo gledali.
15Ary rehefa tonga ny anjara-andron'i Estera, zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay, tsindranolahin' ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason'ny olona rehetra izay nijery azy.
16Estera je bila torej vzeta h kralju Ahasveru, v njegovo hišo kraljevo, v desetem mesecu, ki je mesec Tebet, v sedmem letu njegovega kraljevanja.
16Dia nentina ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.
17In kralj je ljubil Estero mimo vseh žen, in pridobila si je naklonjenost in milost v očeh njegovih bolj nego vse device, tako da ji je bil posadil kraljičino krono na glavo in jo storil za kraljico namesto Vaste.
17Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.
18Tedaj je kralj napravil veliko gostovanje vsem svojim knezom in hlapcem svojim, Esterine gostí; in napravil je praznovanje po pokrajinah in delil darove s kraljevo darežljivostjo.
18Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan'i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.
19In ko so v drugič zbirali device, je sedel Mardohej med kraljevimi vrati.
19Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mordekay.
20Estera pa še ni naznanila rodovine svoje, ne ljudstva svojega, kakor ji je bil zapovedal Mardohej; kajti Estera se je ravnala po povelju Mardohejevem, kakor ko je bila v njegovi odgoji.
20Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan'i Mordekay azy ihany; fa ny tenin'i Mordekay dia nankatoavin'i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
21V tistih dneh, ko je Mardohej sedel med kraljevimi vrati, sta se ujezila dva kraljeva komornika, Bigtan in Teres, iz tistih, ki so čuvali vrata, in sta mislila položiti roke na kralja Ahasvera.
21Tamin'izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy.
22To je zvedel Mardohej in povedal kraljici Esteri, Estera pa je naznanila kralju v imenu Mardohejevem.In ko se je stvar preiskala in dokazala, so oba obesili na drevje, in zapisano je bilo v knjigo letopisov pred kraljem.
22Ary fantatr'i Mordekay izany ka nambarany tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka; dia nambaran'i Estera tamin'ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain'i Mordekay azy.Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
23In ko se je stvar preiskala in dokazala, so oba obesili na drevje, in zapisano je bilo v knjigo letopisov pred kraljem.
23Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.