1In zgodi se v dneh Ahasvera (to je tisti Ahasver, ki je kraljeval od Indije do Etiopije nad sto in sedemindvajsetimi pokrajinami),
1[Ny fanasana lehibe nataon'i Ahasoerosy, ary ny nanesorana an'i Vasty vadiny] Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2v tistih dneh, ko je sedel kralj Ahasver na kraljestva svojega prestolu, ki je bil v gradu Susanskem,
2dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3v tretjem letu vladanja svojega, da je napravil gostovanje vsem knezom in hlapcem svojim: vojaštvo Perzije in Medije, plemenitniki in pokrajinski poglavarji so bili zbrani pred njim,
3tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
4ko jim je dal videti bogastvo slavnega kraljestva svojega in dragoceno sijajnost veličastva svojega mnogo dni, namreč sto in osemdeset dni.
4ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
5In ko so se dopolnili ti dnevi, je kralj naredil gostovanje vsemu ljudstvu, ki je bilo navzočno v Susanu v gradu, velikim in malim, sedem dni, na dvorišču ob vrtu pri kraljevi palači.
5Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
6Beli in škrlatnomodri bombaževi zastori so bili razobešeni z vrvicami iz bele tenčice in škrlata na srebrnih obročkih in na marmornih stebrih; počivalnice iz zlata in srebra so stale na tleh, vloženih z zelenim in belim marmorjem in z bisernjakom in s črnim marmorjem.
6ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
7In piti so jim dajali iz zlatih posod, in posode so bile vselej druge in druge, in kraljevega vina je bilo obilo po kraljevi darežljivosti.
7Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.
8In pitje je bilo po redu, ne da bi bil kdo silil; zakaj tako je kralj naročil vsem upravnikom hiše svoje, da naj vsakemu store, kakor mu je všeč.
8Ary ny nisotroan'ny olona dia araka ny tenin'andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny olona araka izay sitrapony avy.
9Tudi kraljica Vasti je napravila gostovanje ženam v kraljevi hiši, ki je bila kralja Ahasvera.
9Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.
10In sedmi dan, ko je bil kralj dobre volje od vina, je velel Mehumanu, Biztu, Harbonu, Bigtu, Abagtu, Zetarju in Karkasu, sedmim komornikom, ki so služili pred kraljem Ahasverom,
10Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka, [Heb. ionoka]
11naj predenj pripeljejo kraljico Vasto s kraljevsko krono, da bi pokazal ljudstvom in knezom nje lepoto, zakaj lepa je bila.
11ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
12Ali kraljica Vasti ni hotela priti po kraljevi besedi, ki so jo sporočili komorniki. Zato se kralj razsrdi in jeza se razvname v njem.
12Fa Vasty, vadin'ny mpanjaka, nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.[Heb. ionoka]
13Tedaj veli kralj modrijanom, ki so bili vešči časom (kajti tako se je reševala vsaka stvar kraljeva vpričo vseh, ki so znali zakon in pravo;
13Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14in njemu najbližji so bili Karsena, Setar, Admata, Tarsis, Meres, Marsena in Memukan, sedmero vojvod Perzije in Medije, ki so gledali obličje kraljevo in na prvem mestu sedeli v kraljestvu):
14ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin'i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka nipetraka tamin'ny fitoerana aloha teo amin'ny fanjakana):
15Kaj je storiti po zakonu kraljici Vasti, ker ni izvršila povelja kralja Ahasvera, ki so ga sporočili komorniki?
15Ahoana no hanaovana an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin'ny tsindranolahy izy? [Heb. ionoka]
16In Memukan odgovori pred kraljem in vojvodami: Kraljica Vasti se ni pregrešila samo zoper kralja, ampak tudi zoper vse kneze in zoper vsa ljudstva, kar jih je v vseh pokrajinah kralja Ahasvera.
16Dia namaly Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin'ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka;
17Kajti to dejanje kraljice se raznese do vseh žen in bodo prezirale svoje može, ko se bo pravilo: Kralj Ahasver je velel kraljici Vasti, naj pride predenj, ali ni prišla!
17fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18In še danes bodo kneginje v Perziji in Mediji, ki so slišale o kraljičinem dejanju, pravile isto vsem kraljevim knezom; odtod bode dosti zaničevanja in srda.
18Ary na dia amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19Ako se zdi kralju dobro, naj izide njegovo povelje in bodi zapisano v postave Peržanov in Medov nepremenljivo: Da ne sme Vasti priti več pred kralja Ahasvera. In kralj naj da njeno kraljevo dostojanstvo drugi, ki je boljša nego ona.
19Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20In ko se zasliši kraljev razglas, ki ga izda, po vsej kraljevini njegovi (kajti je velika), bodo spoštovale vse žene svoje može, od velikega do malega.
20Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21Ta nasvet se je videl dober kralju in knezom; in kralj je storil po besedi Memukanovi:kajti poslal je liste v vse kraljeve pokrajine, v vsako pokrajino po njenem pismu in vsakemu ljudstvu po njegovem jeziku, da naj bode vsak mož v hiši svoji gospodar in govori po jeziku ljudstva svojega.
21Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka,ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
22kajti poslal je liste v vse kraljeve pokrajine, v vsako pokrajino po njenem pismu in vsakemu ljudstvu po njegovem jeziku, da naj bode vsak mož v hiši svoji gospodar in govori po jeziku ljudstva svojega.
22ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.