Slovenian

Malagasy

Nehemiah

13

1Tisti čas se je čitalo pred ušesi ljudstva v knjigi Mojzesovi, in se je našlo pisano v njej, da ne sme Amonec in Moabec priti v zbor Božji vekomaj,
1Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
2zato ker niso prišli naproti sinovom Izraelovim s kruhom in z vodo, temuč so zoper nje najeli Balaama, da bi jih proklel; toda naš Bog je kletev preobrnil v blagoslov.
2satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
3In ko so slišali postavo, so ločili izmed Izraela vse mešano ljudstvo.
3Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
4Pred tem pa je duhovnik Eliasib, ki je bil postavljen nad shrambami hiše našega Boga, ker je bil po rodu zvezan s Tobijem,
4Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,
5pripravil njemu veliko shrambo, kamor so bili poprej polagali jedilne daritve, kadilo in posode in desetine žita, vina in olja, po zapovedi pristojne levitom, pevcem in vratarjem, tudi dari povzdignjenja za duhovnike.
5dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
6Ali ob vsem tem nisem bil v Jeruzalemu. Zakaj v dvaintridesetem letu Artakserksa, kralja babilonskega, sem šel h kralju; in čez nekoliko dni sem si izprosil dopust od kralja,
6Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
7in ko sem dospel v Jeruzalem, sem opazil zlo, ki ga je bil storil Eliasib Tobiju na voljo s tem, da mu je pripravil shrambo na dvorišču hiše Božje.
7ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
8In bilo mi je silno žal, in sem pometal vse stvari hiše Tobijeve iz shrambe.
8Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
9Nato sem ukazal, in očistili so shrambe, in sem zopet vanje znosil posode hiše Božje, jedilne daritve in kadilo.
9Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
10In zvedel sem, da niso dajali levitom njih deležev, in da so se zato umeknili leviti in pevci, ki so opravljali posel, vsak na svojo njivo.
10Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
11Tedaj sem okaral načelnike in sem dejal: Zakaj je zapuščena hiša Božja? In sklical sem one ter jih postavil na njih mesto.
11Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
12Tedaj je prinesel ves Juda desetino žita in vina in olja v založne shrambe.
12Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
13In za paznike nad zalogami sem postavil Selemija duhovnika in Zadoka pismouka in izmed levitov Pedaja in njim v pomoč Hanana, sina Zakurja, sinu Matanija; zakaj oni so bili šteti za zveste, in bilo jim je poverjeno, da delijo svojim bratom.
13Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
14Spominjaj se mi tega, o Bog moj, in ne izbriši mojih del usmiljenja, ki sem jih storil pri Boga svojega hiši in za postrežbo pri njej.
14Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.
15Tisti čas sem videl v Judeji, da so nekateri ob soboti tlačili tlačilnice in spravljali snopovje in ž njimi obkladali osle, pa tudi z vinom, z grozdjem in s smokvami in z vsakršnimi tovori, ki so jih prinašali v Jeruzalem ob sobotnem dnevi. In posvaril sem jih tisti dan, ko so prodajali živež.
15Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.
16Tudi so prebivali v mestu Tirci, ki so prinašali ribe in različno blago ter prodajali ob sobotah sinovom Judovim in v Jeruzalemu.
16Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;
17Tedaj sem okaral plemenitnike Judove in jim dejal: Kakšna je to huda razvada, ki jo imate, da oskrunjate sobotni dan?
17Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
18Niso li vaši očetje delali tudi tako, in ni li spravil Bog naš vseh teh nesreč nad nas in nad to mesto? In vi pripravljate še več srda nad Izraela s tem, da oskrunjate soboto!
18Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
19In ko se je začelo mračiti med vrati Jeruzalema pred soboto, velel sem, naj zapro duri, in naročil, da jih smejo odpreti šele po soboti; in nekatere svoje hlapce sem postavil, da bi se ne prinesla nobena butara v mesto ob sobotnem dnevi.
19Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro Sabata.
20Tedaj so kramarji in prodajalci raznovrstnega blaga ostali čez noč zunaj pred Jeruzalemom, enkrat ali dvakrat.
20Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;
21In okaral sem jih in jim dejal: Zakaj ostajate čez noč okoli obzidja? Ako še enkrat to storite, položim na vas roko! Od tega časa niso več prišli v soboto.
21dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.
22In ukazal sem levitom, naj se očistijo in pridejo stražit vrata, da bi se sobotni dan posvečeval. Tudi tega se mi spominjaj, o Bog moj, in prizanesi mi po veliki milosti svoji!
22Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny famindram-ponao.
23Tudi sem videl v tistem času Jude, ki so se poročili z ženami iz Asdoda, Amona in Moaba;
23Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;
24in njih otroci so polovico govorili asdotski in niso znali po judovsko, temuč govorili so po jeziku tega ali onega ljudstva.
24ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
25In sem jih karal in klel ter nekatere izmed njih sem tepel in jim ruval lase, in velel sem jim priseči pri Bogu, da ne bodo dajali hčer svojih njih sinovom, ne jemali njih hčer sinom svojim ali sami sebi.
25Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.
26Ni li grešil zaradi tujk Salomon, kralj Izraelov? In vendar mu ni bilo med mnogimi narodi enakega kralja, in ljub je bil svojemu Bogu, in Bog ga je postavil za kralja vsemu Izraelu: a celo njega so zapeljale tuje žene v greh!
26Tsy izany va no nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa firenena.
27In naj li poslušamo vas, ki delate tako veliko zlo in nezvesto ravnate zoper Boga svojega, ko se poročate z drugorodnimi ženami?
27Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
28In eden izmed sinov Jojada, sinu Eliasibovega, velikega duhovnika se je bil posvačil s Sanbalatom Horončanom; zato sem ga odgnal od sebe.
28Ary vinanton'i Sanbala Horonita ny anankiray amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
29Spominjaj se jih, o Bog moj, da so onečistili duhovništvo in zavezo duhovništva in levitov!
29Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana sy ny Levita.
30Tako sem jih očistil vsega tujega in postavil službena opravila duhovnikov in levitov, vsakega k svojemu poslu,in sem oskrbel, da se prinašajo drva ob določenih časih in prvine. Spominjaj se me, o Bog moj, meni v dobro!
30Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.
31in sem oskrbel, da se prinašajo drva ob določenih časih in prvine. Spominjaj se me, o Bog moj, meni v dobro!
31ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.