1Ti pa so duhovniki in leviti, ki so šli gori z Zerubabelom, sinom Sealtielovim, in z Jesuom: Seraja, Jeremija, Ezra,
1Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
2Amarija, Maluk, Hatuš,
2Amaria, Maloka, Hatosy,
3Sekanija, Rehum, Meremot,
3Sekania, Rehoma, Meremota,
4Ido, Ginetoj, Abija,
4Ido, Ginetoy, Abia,
5Mijamin, Maadija, Bilga,
5Miamina, Madia, Bilga,
6Semaja, Jojarib, Jedaja,
6Semaia, Joiariba, Jedaia,
7Salu, Amok, Hilkija, Jedaja. Ti so bili poglavarji duhovnikov in njih bratov v dneh Jesujevih.
7Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan'ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i Jesoa.
8Dalje leviti: Jesua, Binuj, Kadmiel, Serebija, Juda in Matanija, ki je s svojimi brati vodil hvalopetje;
8Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian'ny fiderana.
9in Bakbukija in Uno, njih brata, sta jim bila nasproti, po svojih stražah.
9Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin'ireo, dia nifanandrify tamin'ny anjara-raharahany.
10In Jesua je rodil Jojakima, in Jojakim je rodil Eliasiba, Eliasib pa je rodil Jojada,
10Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada;
11Jojada pa je rodil Jonatana, Jonatan pa je rodil Jadua.
11ary Joiada niteraka an'i Jonatana; ary Jonatana niteraka an'i Jadoa.
12In v dnevih Jojakima so bili duhovniki, poglavarji očetovin: Serajeve je bil Meraja, Jeremijeve: Hananija,
12Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;
13Ezrove: Mesulam, Amarijeve: Johanan,
13ny avy tamin'i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin'i Amaria dia Johanana;
14Malukijeve: Jonatan; Sebanijeve: Jožef,
14ny avy tamin'i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin'i Sebania dia Josefa;
15Harimove: Adna, Merajotove: Helkaj,
15ny avy tamin'i Hadma dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota dia Helkay;
16Idove: Zeharija, Ginetonove: Mesulam,
16ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;
17Abijeve: Zihri, Miniaminove... Moadijeve: Piltaj,
17ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;
18Bilgove: Samua, Semajeve: Jonatan,
18ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;
19Jojaribove: Matenaj, Jedajeve: Uzi,
19ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;
20Salajeve: Kalaj, Amokove: Heber,
20ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;
21Hilkijeve: Hasabija, Jedajeve: Netanel. –
21ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.
22V dneh Eliasiba, Jojada, Johanana in Jadua so bili zapisani poglavarji očetovin levitov in duhovnikov, ob vladanju Darija Peržana.
22Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.
23Sinovi Levijevi, poglavarji očetovin, so bili zapisani v knjigi letopisov, do dni Johanana, sinu Eliasibovega.
23Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.
24In poglavarji levitov: Hasabija, Serebija in Jesua (sin) Kadmiela in njih bratje, njim nasproti, da hvalijo in zahvaljujejo po zapovedi Davida, moža Božjega, službeni oddelki drug za drugim.
24Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
25Matanija in Bakbukija, Obadija, Mesulam, Talmon, Akub so bili vratarji, stoječi na straži pri skladiščih ob vratih.
25Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.
26Ti so bili v dneh Jojakima, sinu Jesua, sinu Jozadaka, in v dneh Nehemija, deželnega oblastnika, in Ezra duhovnika, pismouka.
26Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
27In ob posvečevanju obzidja jeruzalemskega so poiskali levite iz vseh njih mest, da bi jih pripeljali v Jeruzalem, da se praznuje posvečevanje z veseljem in z zahvaljevanjem in s petjem, s cimbali, s psalmovimi strunami in s harfami.
27Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
28In sinovi pevcev so se zbrali iz vse okolice jeruzalemske in tudi iz netofatskih vasi
28Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita
29in iz Betgilgala in s poljan Gebe in Azmaveta; zakaj pevci so si zgradili sela okoli Jeruzalema.
29sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.
30In duhovniki in leviti so se očistili, in očistili so ljudstvo in vrata in obzidje.
30Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
31In velel sem knezom Judovim stopiti na obzidje, in postavil sem dva velika zahvalna zbora in priredil obhod: eden je šel na desno, gori po obzidju, proti Gnojnim vratom.
31Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
32In za njimi je šel Hosaja in polovica knezov Judovih,
32ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,
33in Azarija, Ezra, Mesulam,
33dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
34Juda, Benjamin, Semaja in Jeremija,
34sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
35in nekoliko duhovniških sinov s trobentami: Zeharija, sin Jonatana, sinu Semaja, sinu Matanija, sinu Mika, sinu Zakurija, sinu Asafa,
35ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,
36in bratje njegovi: Semaja, Azarel, Milalaj, Gilalaj, Maaj, Netanel, Juda, Hanani, z glasbili Davida, moža Božjega, in Ezra pismouk je bil pred njimi.
36mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
37In šli so proti Studenčnim vratom, in so stopali naravnost naprej po stopnicah mesta Davidovega, koder se hodi gori na zid, zgoraj nad Davidovo hišo, prav do Vodnih vrat proti vzhodu.
37Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
38Drugi zahvalni zbor pa jim je šel naproti, in jaz za njim s polovico ljudstva, vrhu obzidja, nad Pečnim stolpom ven do širokega zidu,
38Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
39in nad Efraimovimi vrati in čez Stara vrata in čez Ribja vrata in stolp Hananel in stolp Mea tja do Ovčjih vrat, in obstali so pri vratih jetnišnice.
39ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
40Tako sta stala obadva zahvalna zbora ob hiši Božji in jaz in polovica načelnikov ljudstva z menoj –
40Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
41in duhovniki: Eliakim, Maaseja, Minjamin, Mihaja, Eljoenaj, Zeharija in Hananija s trobentami,
41ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
42in Maaseja, Semaja, Eleazar, Uzi, Johanan, Malkija, Elam in Ezer. In pevci so glasno peli, in Jizrahija je bil njih vodja.
42ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
43In tisti dan so darovali velike žrtve in se veselili; kajti Bog jih je obveselil z veliko radostjo, da so se tudi žene in otroci veselili. In jeruzalemsko veselje se je daleč slišalo.
43Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
44V tistem času so bili možje postavljeni čez shrambe za zaklade, za dari povzdignjenja, za prvine in za desetine, da spravljajo vanje po obmestnih njivah, deleže, določene po postavi za duhovnike in levite; zakaj Juda se je veselil duhovnikov in levitov, ki so stali v službi.
44Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
45In stregli so v straži Boga svojega in pazili na očiščevanje; enako tudi pevci in vratarji, po zapovedi Davida in Salomona, sinu njegovega.
45Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.
46Kajti nekdaj v dneh Davidovih in Asafovih, so bili načelniki pevcev in hvalopetja in zahvale Bogu.In ves Izrael je v dneh Zerubabelovih in v dneh Nehemijevih dajal delež pevcem in vratarjem, kolikor je bilo treba vsak dan; in so del tega posvečevali levitom, in leviti so del posvečevali sinovom Aronovim.
46Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.
47In ves Izrael je v dneh Zerubabelovih in v dneh Nehemijevih dajal delež pevcem in vratarjem, kolikor je bilo treba vsak dan; in so del tega posvečevali levitom, in leviti so del posvečevali sinovom Aronovim.
47Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.