Slovenian

Malagasy

Esther

6

1Tisto noč ni mogel kralj spati, in ukaže, naj prineso spominsko knjigo letopisov; in brali so jo pred kraljem.
1[Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny alahelon'i Hamana noho izany] Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
2In najdejo zapisano, da je Mardohej ovadil Bigtana in Teresa, dva kraljevih komornikov, iz tistih, ki so čuvali vrata, kako sta hotela položiti roke na kralja Ahasvera.
2Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.
3In kralj reče: Kaka čast in odlika se je podelila za to Mardoheju? Nato odgovore kraljevi hlapci, ki so mu stregli: Nič se mu ni podelilo.
3Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
4In kralj vpraša: Kdo je na dvoru? Haman pa je ravnokar prišel na zunanji dvor kraljeve palače, da ogovori kralja, naj obesijo Mardoheja na vislice, ki jih je pripravil zanj.
4Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
5In kraljevi hlapci mu reko: Glej, Haman stoji na dvoru! Kralj veli: Naj stopi sem!
5Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
6In ko Haman pristopi, mu kralj reče: Kaj naj se zgodi možu, ki ga kralj želi počastiti? Haman pa je mislil v srcu svojem: Koga bi sicer kralj želel počastiti nego mene?
6Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
7In reče Haman kralju: Možu, ki ga kralj želi počastiti,
7Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,
8naj prineso kraljevsko oblačilo, ki ga kralj nosi, in privedo konja, na katerem jezdi kralj, in na glavo naj se mu posadi kraljev venec;
8aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
9in oblačilo in konj naj se dasta v roko enemu najodličnejših knezov kraljevih, da ž njim oblečejo moža, ki ga kralj želi počastiti, in ga posade na konja in vodijo po mestnih ulicah ter kličejo pred njim: Tako se godi možu, ki ga kralj želi počastiti!
9dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
10In kralj veli: Hiti, vzemi oblačilo in konja, kakor si rekel, in tako stori Mardoheju Judu, ki sedi ob kraljevih vratih. Ne opusti ničesar, kar si govoril!
10Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11Tedaj vzame Haman oblačilo in konja ter obleče Mardoheja in ga spremlja, jezdečega po mestnih ulicah, in kliče pred njim: Tako se godi možu, ki ga kralj želi počastiti!
11Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
12In Mardohej se zopet vrne k vratom kraljevim; Haman pa hiti domov žalosten in z zakrito glavo.
12Ary Mordekay niverina nankeo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13In Haman pripoveduje Zeresi, ženi svoji, in vsem prijateljem svojim vse, kar se mu je prigodilo. Tedaj mu reko modrci njegovi in Zeresa, žena njegova: Ako je Mardohej, pred katerim si začel padati, iz semena Judov, ničesar ne premoreš zoper njega, temuč gotovo boš padel pred njim.Ko so še ž njim govorili, pridejo kraljevi komorniki, in mudi se jim, da odvedo Hamana k obedu, ki ga je Estera pripravila.
13Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]
14Ko so še ž njim govorili, pridejo kraljevi komorniki, in mudi se jim, da odvedo Hamana k obedu, ki ga je Estera pripravila.
14Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]