1Prideta torej kralj in Haman gostit se pri kraljici Esteri.
1[Ny nanonganana an'i Hamana sy ny namonoana azy] Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana
2In kralj zopet vpraša Estero drugi dan, ko so pili vino: Kaj je prošnja tvoja, kraljica Estera? in dano ti bo. In česa želiš? Do polovice kraljestva, in zgodi se ti!
2Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany.
3Tedaj odgovori kraljica Estera in reče: Ako sem našla milost v očeh tvojih, o kralj, in ako se kralju vzvidi: Dano mi bodi moje življenje za prošnjo mojo in moje ljudstvo za željo mojo.
3Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
4Zakaj prodani smo, jaz in ljudstvo moje, da nas pokončajo, pomore in pogube. In ako bi nas bili prodali vsaj za sužnje in sužnice, bi molčala, dasi bi zatiralec ne mogel kralju povrniti škode.
4fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
5In deje kralj Ahasver in reče kraljici Esteri: Kdo pa je ta in kje je ta, ki ga je obvladalo zlobno srce njegovo, da to stori?
5Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?
6In Estera reče: Zatiralec in sovražnik je tale hudobni Haman. Tedaj se Haman prestraši pred kraljem in pred kraljico.
6Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana.
7In kralj vstane v jezi svoji od pitja vina in gre na vrt pri palači. Haman pa ostane, da prosi kraljico Estero za življenje svoje: zakaj videl je, da mu je že pripravljeno hudo od kralja.
7Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.
8V tem se vrne kralj z vrta pri palači v hišo, kjer so pili vino; Haman pa se je bil zgrudil na počivalnico, na kateri je sedela Estera. Tedaj veli kralj: Hoče li še kraljici silo delati pred menoj v hiši? Komaj je prišla ta beseda kralju iz ust, so Hamanu zagrnili obraz.
8Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin'ny trano ho ao amin'ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin'ny farafara nandrian'i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin'ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan'i Hamana
9V tem reče Harbona, eden komornikov, ki so stali pred kraljem: Saj, glej, stoje pri hiši Hamanovi vislice, katere je Haman naredil za Mardoheja, ki je dobro govoril za kralja. In kralj veli: Obesite ga nanje!In obesili so Hamana na vislice, ki jih je bil pripravil za Mardoheja. In srd kraljev se je pomiril.
9Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon'i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin'io izy. [Heb. ionoka]Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.
10In obesili so Hamana na vislice, ki jih je bil pripravil za Mardoheja. In srd kraljev se je pomiril.
10Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.