1Tisti dan je podaril kralj Ahasver kraljici Esteri hišo Hamana, nasprotnika Judov. In Mardohej je prišel pred kralja, zakaj Estera je povedala, kaj je on bil njej.
1[Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny nahazoan'i Estera teny avy amin'ny mpanjaka ka hamela ny Jiosy hiaro tena] Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
2In kralj je snel svoj prstan, ki ga je bil vzel Hamanu, in ga je dal Mardoheju. Estera pa je postavila Mardoheja nad hišo Hamanovo.
2Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
3In Estera je zopet govorila pred kraljem ter je padla kralju pred noge in ga plakaje prosila, naj uniči zlobnost Hamana Agagejca in njegov naklep, ki ga je nasnoval zoper Jude.
3Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
4Tedaj seže kralj proti Esteri z žezlom zlatim. In Estera vstane in stopi pred kralja
4Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka
5in reče: Ako je kralju všeč in ako sem našla milost v očeh njegovih in se stvar vidi kralju prikladna in ako sem mu mila, naj se napiše, da se prekličejo listi z naklepom Hamana, sinu Hamedata, Agagejca, ki jih je napisal, da bi pogubil Jude po vseh pokrajinah kraljevih.
5ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
6Ker kako bi mogla gledati nesrečo, ki zadene ljudstvo moje? in kako bi mogla videti pogubo rodovine svoje?
6fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
7Nato reče kralj Ahasver kraljici Esteri in Mardoheju Judu: Glej, dal sem Esteri hišo Hamanovo in njega so obesili na vislice, ker je položil roko svojo na Jude.
7Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
8Pišita torej vidva za Jude, kakor se vama zdi prav, v kraljevem imenu in zapečatita s kraljevim prstanom; zakaj pisma, ki je pisano v kraljevem imenu in zapečateno s kraljevim prstanom, nihče ne more preklicati.
8ary ianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka
9Tedaj so bili poklicani kraljevi pisarji tisti čas, v tretjem mesecu, ki je mesec Sivan, na triindvajseti dan; in bilo je pisano, prav kakor je velel Mardohej, Judom in namestnikom kraljevim in deželskim oblastnikom in knezom v pokrajinah, ki se raztezajo od Indije do Etiopije, stoinsedemindvajset pokrajin, vsaki pokrajini v njeni pisavi in vsakemu ljudstvu v njegovem jeziku, tudi Judom v njih pisavi in v njih jeziku.
9Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
10In pisal je v imenu kralja Ahasvera in zapečatil s kraljevim prstanom in razposlal liste po brzih slih, jezdečih na gosposkih konjih, zrejenih v kraljevi kobilarni:
10Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
11da je kralj dovolil Judom po vseh mestih, da se zbero in branijo življenje svoje, da pokončajo in pomore in pogube vso vojno moč ljudstva in pokrajin, ki bi napadla nje, njih otročiče in žene, in da zaplenijo njih imetje
11ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
12enega dne po vseh pokrajinah kralja Ahasvera, namreč trinajstega dne dvanajstega meseca, ki je mesec Adar.
12amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
13In da bi se povelje izdalo v vsaki posamezni pokrajini, se je objavila vsebina lista vsem ljudstvom, da naj bodo Judje pripravljeni na tisti dan, da se maščujejo nad sovražniki svojimi.
13Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
14Brzi sli, ki so jezdili na kraljevih konjih, so odšli, podvizaje se po kraljevi zapovedi. In ukaz se je izdal na gradu Susanu.
14Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
15In Mardohej je šel izpred obličja kraljevega v kraljevskem oblačilu iz modrega škrlata in belega bombaža in z velikim vencem zlatim in s plaščem iz tenčice in škrlata; in mesto Susan je ukalo in se veselilo.
15Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
16Judom je nastala luč in veselje, radost in čast.In v vsaki pokrajini in po vseh mestih, kamorkoli je dospelo kraljevo povelje in njegova postava, so imeli Judje veselje in radost, gostijo in praznik. In mnogi izmed ljudstev dežele so postali Judje, kajti strah pred Judi jih je prevzel.
16Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
17In v vsaki pokrajini in po vseh mestih, kamorkoli je dospelo kraljevo povelje in njegova postava, so imeli Judje veselje in radost, gostijo in praznik. In mnogi izmed ljudstev dežele so postali Judje, kajti strah pred Judi jih je prevzel.
17Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.