Slovenian

Malagasy

Exodus

10

1In GOSPOD reče Mojzesu: Idi k Faraonu; kajti zakrknil sem srce njegovo in srce hlapcev njegovih zato, da bi napravil ta znamenja svoja med njimi,
1[Fahavalo: ny valala] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
2in zato, da bi ti pripovedoval ušesom sinov svojih in otrok sinov svojih, kar sem izvršil v Egiptu, in o znamenjih mojih, ki sem jih naredil med njimi; da boste spoznali, da sem jaz GOSPOD.
2ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3In odideta Mojzes in Aron k Faraonu ter mu rečeta: Tako pravi GOSPOD, Bog Hebrejcev: Doklej se boš ustavljal ponižati se pred menoj? Izpusti ljudstvo moje, da mi služi!
3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4Sicer ako se boš branil odpustiti ljudstvo moje, glej, jutri pošljem kobilice v pokrajine tvoje.
4Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;
5In pokrijejo površje zemlje, da je ne boste nič videli; in pojedle bodo ostanek, kar se je ohranilo in kar vam je preostalo po toči, in oglodale bodo vsa drevesa, ki vam rasto na polju;
5dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
6in napolnijo hiše tvoje in hiše vseh služabnikov tvojih in hiše vseh Egipčanov, kolikor jih niso videli očetje tvoji in dedje, odkar so na zemlji do današnjega dne. In obrne se in odide od Faraona.
6dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao.
7Tedaj reko Faraonu hlapci njegovi: Doklej nam bode ta mož za zanko? Odpusti tiste ljudi, da služijo GOSPODU, svojemu Bogu! Ali mar še ne veš, da je Egipt pri koncu?
7Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
8In pokličejo nazaj Mojzesa in Arona k Faraonu, in on jima reče: Pojdite, služite GOSPODU, Bogu svojemu! Kateri pa so tisti, ki naj gredo?
8Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
9In Mojzes odgovori: S svojo mladino in s svojimi starci pojdemo; s sinovi in hčerami svojimi, z drobnico in govedjo svojo odidemo; ker imamo praznik GOSPODOV.
9Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
10In on jima reče: Bodi tako GOSPOD z vami, kakor jaz odpuščam vas in otročiče vaše! Glejte, da imate v mislih kaj hudega!
10Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
11Ne tako! Pojdite le vi možje, in služite GOSPODU; zakaj to je, kar ste želeli. In izgnali so ju izpred obličja Faraonovega.
11Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
12Tedaj reče GOSPOD Mojzesu: Iztegni roko svojo nad deželo Egiptovsko zaradi kobilic, da pridejo nad Egiptovsko deželo in požro vsa zelišča na zemlji, vse, kar je preostalo po toči.
12Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
13In Mojzes iztegne palico svojo nad deželo Egiptovsko, in GOSPOD zažene vzhodni veter v deželo ves tisti dan in vso noč; in ko se je zdanilo, prinese vzhodni veter kobilice.
13Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
14In prišle so kobilice nad vso Egiptovsko deželo in posedle so vse kraje Egipta v silno veliki množici; nikdar poprej ni bilo takšnih kobilic, tudi pozneje ne bo takih.
14Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
15Kajti pokrile so površje vse dežele, tako da se je stemnila dežela, in požrle so vsa zelišča na zemlji in vse sadje po drevju, kar je bilo preostalo po toči; in nič zelenega ni ostalo, ne drevja, ne zelišč na polju, po vsej deželi Egiptovski.
15Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
16Tedaj pokliče Faraon hitro Mojzesa in Arona in reče: Grešil sem zoper GOSPODA, vašega Boga, in zoper vas.
16Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17Sedaj pa odpusti, prosim, greh moj, samo še zdaj, in prosita GOSPODA, vašega Boga, da odvrne od mene vsaj to smrt.
17Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
18In Mojzes odide od Faraona ter prosi GOSPODA.
18Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
19In GOSPOD stori, da potegne zahodni veter, jako silen, ki je vzdignil kobilice in jih zagnal v Rdeče morje. Ne ene kobilice ni ostalo v vseh krajih Egipta.
19Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
20GOSPOD pa je otrdil srce Faraonovo, da ni odpustil sinov Izraelovih.
20Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
21In reče GOSPOD Mojzesu: Iztegnil roko proti nebu, in nastane tema nad Egiptovsko deželo, tema, da jo bodo kar tipali.
21[Fahasivy: ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
22In Mojzes iztegne roko proti nebu, in bila je gosta tema po vsej deželi Egiptovski tri dni.
22Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
23Niso videli drug drugega, nihče tudi ni vstal s svojega mesta v teh treh dnevih; a vsi sinovi Izraelovi so imeli svetlo v prebivališčih svojih.
23koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
24In pokliče Faraon Mojzesa in reče: Idite, služite GOSPODU; samo vaše ovce in vaši voli naj ostanejo tu, tudi otroci vaši naj gredo z vami.
24Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
25Mojzes pa odgovori: Tudi klalne in žgalne daritve moraš dati v roke naše, da jih pripravimo GOSPODU, Bogu svojemu.
25Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
26Tudi živina naša pojde z nami, tu ne sme ostati niti en parkelj, ker od nje vzamemo, s čimer bomo služili GOSPODU, Bogu svojemu; kajti mi ne vemo, s čim naj služimo GOSPODU, dokler ne pridemo tjakaj.
26ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
27Ali GOSPOD je otrdil srce Faraonovo, da jih ni hotel izpustiti.
27Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
28In Faraon mu reče: Pojdi izpred mene! Varuj se, da ne vidiš več obličja mojega, zakaj v dan, kadar bi zagledal obličje moje, umrješ.In Mojzes reče: Prav si povedal: nikoli več ne bom videl obličja tvojega.
28Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.
29In Mojzes reče: Prav si povedal: nikoli več ne bom videl obličja tvojega.
29Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.