1Govoril pa je bil GOSPOD Mojzesu: Še eno šibo pošljem nad Faraona in nad Egipt, potem vas izpusti odtod; ko vas res izpusti, vas še celo izžene odtod.
1[Filazana ny hihavian'ny loza fahafolo] Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
2Govori zdaj na ušesa ljudstvu, naj prosi vsakdo od svojega soseda in vsaka od sosede svoje srebrnih in zlatih dragotin.
2Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa.
3In dal je GOSPOD ljudstvu milost v očeh Egipčanov. Tudi Mojzes je bil jako imeniten mož v deželi Egiptovski, v očeh služabnikov Faraonovih in v očeh ljudstva.
3Dia nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao sy teo imason'ny vahoaka.
4In Mojzes reče: Tako pravi GOSPOD: Opolnoči pojdem sredi Egipta;
4Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta,
5in umrjo vsi prvorojenci v Egiptovski deželi, od prvenca Faraonovega, ki bi mu bilo sedeti na njegovem prestolu, do prvenca dekle pri ročnem mlinu in vsa prvenščina živali.
5dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
6In bo veliko vpitje po vsej deželi Egiptovski, kakršnega nikoli ni bilo in ga nikdar več ne bode.
6Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
7A pri vseh sinovih Izraelovih niti pes ne migne z jezikom svojim, ne proti ljudem, ne proti živini, zato da izprevidite, da GOSPOD dela razloček med Egipčani in med Izraelom.
7Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
8In pridejo k meni doli vsi ti služabniki tvoji ter, priklanjajoč se mi, poreko: Izidi ti in vse ljudstvo, ki ti sledi; in potem izidem. In odšel je izpred Faraona v goreči jezi.
8Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
9In GOSPOD je rekel Mojzesu: Faraon vaju ne posluša, zato da se pomnožé čudeži moji v Egiptovski deželi.In Mojzes in Aron sta storila vse te čudeže pred Faraonom; a GOSPOD je otrdil srce Faraonovo, in on ni odpustil sinov Izraelovih iz dežele svoje.
9Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.
10In Mojzes in Aron sta storila vse te čudeže pred Faraonom; a GOSPOD je otrdil srce Faraonovo, in on ni odpustil sinov Izraelovih iz dežele svoje.
10Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.