Slovenian

Malagasy

Exodus

2

1Odide pa mož iz hiše Levijeve in si vzame hčer Levijevo.
1[Ny namonjena an'i Mosesy, sy ny nandraisan'ny zanakavavin'i Farao azy ho zanany] Ary nisy lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny zanakavavin'i Levy.
2In žena spočne ter rodi sina, in ko vidi, da je lep, ga skriva tri mesece.
2Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
3In ko ga ni mogla dalje skrivati, vzame zanj pletenico iz papirovega trstja in jo zamaže z ilovico in s smolo, potem položi dečka vanjo in jo dene v ločje na Nilovem bregu.
3Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
4Njegova sestra pa se postavi oddaleč, da bi videla, kaj se bo ž njim zgodilo.
4Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
5In pride doli hči Faraonova kopat se v reki; in njene dekle se izprehajajo poleg reke. In zagleda pletenico sredi ločja in pošlje svojo deklo, da jo prinese.
5Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
6Ko jo pa odpre, vidi dete, in glej, deček joče. In stori se ji milo in reče: Izmed otrok Hebrejcev je ta.
6Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
7In sestra njegova reče hčeri Faraonovi: Ali naj grem in ti pokličem ženo dojnico izmed Hebrejk, da ti odgoji to dete?
7Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
8In hči Faraonova ji veli: Pojdi! In deklica gre in pokliče otrokovo mater.
8Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.
9In hči Faraonova ji veli: Vzemi tega otročička in odgoji mi ga, in dam ti plačilo tvoje. In žena vzame otroka, in ga je vzgajala.
9Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
10In ko je deček odrastel, ga je privedla k hčeri Faraonovi. In bil ji je za sina in imenovala je ime njegovo Mojzes, rekoč: Ker sem ga potegnila iz vode.
10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.
11In zgodi se v tistih dnevih, da pride Mojzes, ko je bil že velik, k bratom svojim in gleda njih težaško delo; in vidi moža Egipčana, da tepe moža Hebrejca, izmed bratov njegovih.
11[Ny nataon'i Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.
12In ozre se sem in tja, in ko vidi, da ni nikogar blizu, ubije Egipčana in ga zagrebe v pesek.
12Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.
13In izide zopet drugi dan, in glej, dva moža, Hebrejca, se prepirata. In reče tistemu, ki je delal krivico: Zakaj tepeš bližnjega svojega?
13Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14Ta pa reče: Kdo te je postavil za kneza in sodnika nam? Misliš li me umoriti, kakor si umoril Egipčana? Tedaj se Mojzes prestraši in reče: Gotovo se je zvedela ta stvar!
14Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!
15In Faraon, ko je začul o tem dogodku, je nameraval Mojzesa umoriti. A Mojzes pobegne izpred obličja Faraonovega, in je prebival v deželi Madianski; in usede se pri nekem studencu.
15Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
16Duhovnik madianski pa je imel sedmero hčera, ki so prišle zajemat vodo; in napolnile so korita, da bi napojile čredo očeta svojega.
16Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.
17A pridejo pastirji in jih odženo. Mojzes pa vstane in jim pomaga in napoji njih čredo.
17Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.
18In ko pridejo k Reguelu, očetu svojemu, jim reče: Zakaj ste se danes vrnile tako hitro?
18Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
19In odgovore: Mož Egipčan nas je rešil iz rok pastirjev in tudi nam zajel vode in napojil je čredo.
19Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.
20On pa reče hčeram svojim: In kje je on? zakaj ste popustile tistega moža? Pokličite ga, da jé z nami kruh!
20Ary hoy izy tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
21In Mojzes privoli, da ostane pri tem možu; ta pa da Mojzesu Ziforo, hčer svojo.
21Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.
22In ko porodi sina, imenuje on ime njegovo Gersom, kajti reče: Priseljenec sem v tuji zemlji.
22Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.
23In zgodi se v mnogih tistih dnevih, da umrje egiptovski kralj. In sinovi Izraelovi so zdihovali zaradi tlake in vpili so, in njih vpitje od tlačanstva je prišlo k Bogu.
23[Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony] Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
24In uslišal je Bog njih stokanje, in spomnil se je Bog svoje zaveze z Abrahamom, z Izakom in z Jakobom.In Bog je pogledal na sinove Izraelove, in spoznal jih je Bog.
24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
25In Bog je pogledal na sinove Izraelove, in spoznal jih je Bog.
25Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.